Soa fa misy ity serasera ity

1. soanja ( 19/12/2008 08:37)
Na dia mbola vozake aza ty vatako dia tsy haiko ny tsy haneho ny fisaorana fankatelemena ny Serasera nampitohy ahy tamin'ireo namako marobe izay nihaona sy nandray ahy ary nanome ny mamy indrindra tamin'ny diako farany nanavatsava lemaka sy lohasaha ary vohitra mahafinaritra rehetra iny.

Ny fisianareo anie nampitombo ilay hery velona nahatsapako ny hatsaran'ny fifankatiavana. Tohizo hatrany ny fifandraisana. Ho ambinintsoa anie ianareo ary hifanatrehan'ny ambanilanitra.

Soa tokoa ny manan-kavana!

Soanja

novalian'i xxx ny 10/04/2009 15:53
2. hery ( 19/12/2008 15:36)
Tonga soa soanja ...

de mba tantarao mou e :-)

tsy nandalo taty Italie?
3. Mirananirina ( 19/12/2008 17:06)
Marina mihitsy izany.Misaotra anareo rehetra
4. sipagasy ( 19/12/2008 17:44)
hindramiko kely ny hiran'i Henry Ratsimbazafy izany eto, nefa koa havadiko kely koa hoe......"misaotra anao aho ry serasera ity...... tena manga hoa ny dia......... faranana @ hoe tsiky dia ampy e!

Soanja รด afaha vizana tsara aza akia annn!!!!
5. diamondra27 ( 19/12/2008 18:51)
tonga soa indray e
efa nanao antso mihintsy we lasa aiza i soanja
6. bilakarenjy ( 21/12/2008 22:41)
mino za fa tontosa soa aman-tsara ny natao an! .
izany no ananana namana ry soanja .biz mamy be
7. soanja ( 11/01/2009 19:00)
Azafady fa izay indray vao tonga tafaverina teto.

Hery> Be ny tantaraina fa aleo rehafa mankany aminareo aho milaza azy rehetra raha mbola misy tadidiko.:) Anaty listra i Italie saingy dia lavitrezaka e.

Sipagasy> Nahafinaritra ahy ny tany amindry ary dia isaorako manokana koa ny Avo nampifandray antsika. Manan-jandry aho manana andry.

Diams> Tsy taiza aky zah fa tany an-tanindrazana a. Faly fotsiny ny tenako fa misy namana tena mafatrapo sy afaka manome ny tsara indrindra na dia mbola tsy nifankahalala aza taloha. Sambany amiko mantsy io traikefa io fa dia mipao-tsatroka amin'ity Serasera ity ahy. Na ny tany avaratra na tany atsimo dia mbola tsy nandiso ahy ny fieritreretako. Mino aho fa toy izany isika rehefa mihaona. Sa ahoana aky?

Bila o> Natsiro be ilay sakafontsika tany amin'ilay Resto gasy iny. Mbola ho tadidiko ve ny mankany raha tsy miaraka amin'i Bila aho e? Mino aho fa tsy tadidiko. Ilaiko ny fisianao Bila a. Misaotra anao amin'izany aho.

Loula> Indray andro any dia mbola hampotoana malalaka be aho hivalamparantsika. Mino aho fa hisy izay!

Ny rehetra tsy voatonina. Mahafinaritra ahy ny nihaona taminareo. Misaotra indrindra. Soanja


8. bilakarenjy ( 14/01/2009 07:44)
Dia tongava nofo ry Soanja ary tehirizo ho fahatsiarovana sy tantara iny dianao iray iny mba ho marika fa manana namana tokoa ianao .

Rehefa @ dianao manaraka dia entiko any indray ianao e!.
9. soanja ( 15/01/2009 04:29)
Siora Bila o! Rehefa tonga aty aminay koa i Bila dia asehiko an'i Bila ny mahafinaritra. Aty aminay aloha tsy manana restau gasy an. Oviana re ny aty aminay vao mba hisy an' izany e? Saingy Soanja mahay mahandro sakafo gasy tsara ka! :) :)
10. bilakarenjy ( 18/01/2009 09:18)
rehefa ho any za de mampandre anao mialoha . Misaotra mialoha re !
11. xxx ( 18/01/2009 21:54)
Tsy olana fa d'efa asurentsika izy.
12. xxx ( 10/04/2009 15:53)
MAHAFINARITRA NY MISERASERA E!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7233