Antso ho an'ny President Ravalomanana

1. Fanjaibe ( 17/12/2008 03:53)
Am-panetren-tena no hangatahana anao mba hanova fihetsika sy famindra fa tena mahamenatra mihintsy aty ivelany aty ny zava-misy aty an-tanindrazana.

Efa tsy sahy mijoro ho malagasy intsony izahay

Hatsipy ny tady eny an-tandrokin'y omby, hatsipy ny teny any am-pon'ny mahalala

Ianareo Mpanolo-bato mafana azy mba mivavaha fa tena manome sain-dratsy azy @ izay zavtra tsy mety ao.

Aza dia faly manara-drenirano


novalian'i Fanjaibe ny 08/01/2009 19:56
2. nirasia ( 17/12/2008 05:19)
Dia miova nationalité rehefa izany e!
3. kidoropamba ( 17/12/2008 08:27)
romboy zalahy, hoy ilay raikalahy zay.

Izao indray ny vaovao malaza aty: Nanapakevitra indray ny filoham-pirenena handefa vata-miaramila mirongo fiadina hanaparitaka ny...soratra masina (évagélizasiOn) any @ faritra atsimo any ka i Melaky sy Menabe izany.

Romotra be izao ny miaramila satria tsy "pastera na mompera" akory ny asan-jizareo.

Inona ny ao ambadik'izany, miaramila mirongo fiadiana mitory baiboly izany????? i Daewoo. Iny faritry Melaky sy Menabe iny mihitsy no ireo faritra namidy amin'i Daewoo. Io ilay "zenosida intelektiely" lazain'ny sasany ombieny ombieny mba hanadotoana tsara ny vahoakan'i Melaky sy menabe @ baiboly ka izay be vava dia ampiasaina ny basy.

Tena very i gasikara e. Izany ilay hakingan-tsaina lazain'ny sasany eto. Kinga hanadonto saim-bahoaka e. 8O 8O 8O 8O
4. xxx ( 17/12/2008 12:12)
rehefa manaraka akaiky ny fivoaran'ny raharaha ratsy mateti-pitranga ao madagascar isika !! dia zaho mihevitra fa atao amin'ny BONTOLO sy JADONA
be ny fanatanterahana ny raharaham-pirenena,,ary marina ny lazainareo eo ambony io fa tena olona tsy tia andra8 mihitsy ny manodidina azy satria tsy maintsy ho romotra ao am-po sy amin'ny fihetsika tsikelikely ny vahoaka amin'ny toe-javatra toy izao ny antony an!! TSY AN'I TGV IRERY ANIE IO VIVA IO FA AN'NY 80% VAHOAKA TANANARIVIENS NIFIDY AZY ,ny dikan'izay an !mangady lavaka hilevenany ny TIM ! satria miakatrakatra daholo ny olona rehetra amzao!! iza no nahatonga anzany ireo vendrana manodidina andra8. zay mihevitra fa mahazo 19/20 amindra8 aho zao fa nahakatona anle VIVA de faly koa ra8 amzay nefa
vao maika mahatofoka ny vahoaka sy maha fohy ny andro hiainanay izany(TADIDIO FA 80% INY ELEKSIO MAIRE INY RAHA TSY NANGALATRA NY TIM)
5. stephane197 ( 17/12/2008 12:37)
Ny anay Ra8 ihany ê!! tsy misy mahavita ny vitany ary tena faly (fière) tokoa izahay fa manana anazy ho filoha! tsy misy toa azy !!! tena marina ê!!!! nareo no tsy mijery tsara ka tsy mahita ny tena tokony izy fa ireny olona efa nalohan'ny vahoaka ireny no haverina indray!!!! menatra aho!!!
6. mikavao ( 17/12/2008 18:03)
stephane197:

Ny anay Ra8 ihany ê!! tsy misy mahavita ny vitany ary tena faly (fière) tokoa izahay fa manana anazy ho filoha! tsy misy toa azy !!! tena marina ê!!!! nareo no tsy mijery tsara ka tsy mahita ny tena tokony izy fa ireny olona efa nalohan\'ny vahoaka ireny no haverina indray!!!! menatra aho!!!



7. om974 ( 17/12/2008 18:17)
ny dinika ambony latabatra ny vahaolana
8. nanas ( 17/12/2008 20:07)
Mety mihitsy ity sujet ity:

Ny ahy zany mba zao no zavatra mampalahelo ahy indrindra e! Raha hi-taxer 50% ny entan ny olona miditra ao Madagasikara re nareo e! dia mba alohavy ihany koa ilay tax TIKO 500 millions e! Mba samy manao ny asany amin izay fa tsy ny madinika volosana ny vaventy totofana.
9. lemenakely ( 17/12/2008 21:54)
Misy marina aloha ilay hoe mpanolo-tsaina ...Ary ny ankabeazany dia olona efa voky andro ,efa nitety repoblika maro ,tsy manandraharaha afatsy ny manangokarena sy mitsetsitra ny volampanjakana.Ao ny ténia : Manandafy ,Rabetsitonta,Moxe Ramandimbilahitra...


Ny ténia moa dia kankana parasite any @ tsinay ary mahia izay idirany na biby na olona...
10. xxx ( 17/12/2008 23:27)
Tsara ho fantatritsika fa i Ra8 anie ka poulain -ny Ratsiraka koa teo aloha ary h@ izao é: Ratsiraka no nanome ny orinasa Lalasoa ho azy , izay novidiany 1 fmg symbolique Ratsiraka no nanohana azy ka nanampy azy ara bola fony izy mpivaromandeha ireny yaourt sy ronono ireny , mbola Ratsiraka koa no nanokatra varavarana maro ho azy nampiroborobo ny orinasany, ny zanaky Ra8 sy Ratsiraka aza mpinamana be tsy nifankafoy tao @ St Antoine ; h@ zao moa dia mbola mifampizara ny manta sy ny masaka foana !!!!!!!!!!!!!!!!

Ny olona mpiara miasa @ Ra8 h@ izao dia tanan-kavanany Ratsiraka h@ izao isika miteny izao ,ary tena mifandray tsara amin-dRatsiraka
Efa plan nifanarahina mialoha entre Ratsiraka sy Ra8 ireny ady rehetra t@ 2002 ireny , izay nifampiresahiny izy roa lahy iarovany ny tombotsoany avy: "Raha te hihinana ny atody , tsy maintsy vakiana sy masahana aloha izy hatsiro tsara (=atody => n'izan'iza azo atao tohatra iakarana, na namana na fahavalo, na mody hiady miitsy, tsy olana )

Izay action mediatique rehetra ataony izy roalahy dia efa ifanarahana avokoa satria te iaraka malaza, i Andry TGV no atao fitaovana , ary tsy i Andry irery fa ny olondrehetra mora rebirebena rehetra

Samy te hanao publicité politique ny tenany izy 2 ka ny vahoaka nandra no ataony fitaovana ; imehezan'izy 2 lahy fotsiny ianareo romotra aminy l'un ou l'autre ireo

Ka ianareo izay manaiky rebirebeny angely miady sy vazaha mody miady dia fanina eo daholo sy harary saina sy fo amin'ity resaka politika ity , ny fiainanareo tsirairay no ataovy izay mahatsara azy fa ny any ry zareo "vazaha mody miady" daholo

Ianareo no maty noana sy mahantra satria ataon'izy 2 lahy fitaovana , nefa izy na ny zafikitrokeliny avy aza, tsy haha-ritra ny harembe azony (Ra8 sy Ratsiraka) @ zao Ra8 mitondra zao, sy t@ Ratsiraka mbola Prezidà
11. pika ( 18/12/2008 04:09)
tsy mbola matoky ny fitiavan ny vahoaka izy matoa manao ireny
12. kidoropamba ( 18/12/2008 09:55)
400 miliona hoan'ireo akama akama. Hita fa io mizara vola sy mividy olona io ihany no hany sisa politikan'ny levalo. Soa ihany fa efa tsy eny @ magro intsony aho.
13. tenagasy ( 18/12/2008 10:24)
Mankamamy!

Hanihany kely:

Soa ihany ve r'i kidoropamba fa raha tsy izay saiky nahazo vola indray?

:-D

Mirary soa!
14. nanas ( 18/12/2008 14:36)
vola fa raiso tsy hampahafiriny ny laniny fa hadihadio kosa aloha hoe avy aiza, raha avy any @ Banky Mondial raiso antanandro, fa raha vola tao @ coffre ny vahoaka avereno fa hanana-tsiny @ aminay vahoaka mahantra. Tsotra sady mazava. Efa somary lany vola koa ry zareo TIM ka ahoana izy hahazo, nareo mpanohitra tsy ahazo?
15. kidoropamba ( 18/12/2008 15:01)
tenagasy:

Mankamamy!

Hanihany kely:

Soa ihany ve r'i kidoropamba fa raha tsy izay saiky nahazo vola indray?

:-D

Mirary soa!

dray!dray!dray! io ange ry tenagasy ilay tsy mety e: Manao TantaSion foana io filoha io. Manjono e. Raha vao matory kely ianao dia any anaty vilany vita saosy tomaty @ rahariva. Io zao ry VJE sy ry Pety, ka vita tsakitsaky any Tsiafaha.

Efa hitanay indray iny ka aleo miatakataka fa tsy lasa. Ry namana akaiky satrobory (tsy lasa amabasadaoro lery) sy arema "tena matotra @ famitahana havana" no manonofy volan-dravalo. Dia mirevirevy eo ary falifaly manantena vola be izay lazaina fa ho azony.

Hitanareo fa reraka ry serza radera sy serza zafimahova nampiasa loha nanonta "hevitra", nofiran'i levalo fotsiny na dia izy aza no naniraka an'ireo hanao an'izany. Inona no nitranga? Fanontaniana napetraky levalo:
- te-hikambana ve nareo?
- mila vola ve nareo?
- mila lalàna hikambananareo ve nareo?
- mila lalàna hanomezana vola anareo ve nareo?

Die eny ny valiny. Ka hoy levalo: 400 miliona ary ho azonareo.

Izany ilay antsoina hoe governansa: Antsikana e! Mpanao antsikana hoa ity bandy ity fa tsy filoham-pirenena.

8O 8O
16. Fanjaibe ( 22/12/2008 02:36)
Tafiditra ao anaty fandriky ny Frantsay Ra8 e
17. kidoropamba ( 22/12/2008 16:14)
Fandriky ny frantsay ve ity fanaoavana jadona be ity? Ary ilay varotra tanindrazana koa ve fandrik'ireto vozongo? hay ve. Mpivaro-dronono lasa filoham-pirenena leretsy tsy mahagaga raha hangoron-nkarena ihany ny tanjona a.
Tsy haiko izay fandri-pandrika any fa ny mazava kosa aloha dia tia kely ary mpanao jadona ny antsika e. 8O 8O
18. johhhn5 ( 23/12/2008 13:47)
heveriny fa misy hanaraka azy anga zay vola azony eo fa iny kibokeliny iny sy zay mahafaly fotsiny anie no feno dia zay sisa an'zay mijanona indrindra rehefa maty nefa dia ampijaliana lay mpiray tanindrazana amin'ny tena sy mba nanao ny sorona ny ainy t@ reny 2002 reny tsy natory niaritra ny atsika sns.Ny halahelon'olona tsy tsara ka aleo zay mihevitra fa tsy misy ny farany hanararaotra fa reny anie no ho ratsy fiafara e.Ary raha tsy manao zao zavatra sahalam'zao tsy lazain'ny sasany fa tena mpanao politika hono e.
19. Fanjaibe ( 23/12/2008 17:51)
Tsy ny jadona na ny fitiavan-keliny no lazaiko fa izy misary adala miady @ i Andry

Excitation nerveuse ataon'ny olona fotsiny dia tena nandroatra ny ronono e

Misy lafiny iray ohatran'izao koa anefa :
Rehefa misy fanapahan-kevitra ara-toekarena atao dia tsy maintsy mandalo eo aminy. Ohatra ity omeko ity : Nisy investisseur iray hamokatra fary hanaovana siramamy teo Analamanga. Efa vita daholo ny fitsirihana, saingy tsy nahazo alalana rehafa nandalo teo aminy satria i sara manafatra siramamy avy any Afrika Atsimo

Dia mba hevero fa ny sehatra rehetra efa misy azy daholo izao : tsy mba tia kely intsony fa manao am-pihi-mamba ny harem-pirenena sy mivarotra tanindrazana

Lazaiko anareo fa accord sur la loi internationale sur le commerce anie no nanaovana ny famarotana (?) ny tany e!!!
20. xxx ( 27/12/2008 23:54)
betsaka tsy tia izy fa tianay e

koa raha tsy adala izy ko tgv kely ery? sarety gasy aza mbola mery mandeha, hidio any ravalo a

mpivarotra ronono izy fa nahavita, tsy toa anareo be fahaizana fa na mouchoir aza tsy am paosy, be fialonana

tianay io, kitio eo anie e

ho anao any andafy io, sarkozy tompoina fa any no tianao, ny tanana andrasanay foana, lovanay io , raha menatra nareo hoe gasy dia manaova chirurgie esthetique
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0762