Fampiasana rano fisotro madio eny ambanivohitra

1. Zafimananadrazana ( 16/12/2008 09:52)
Miasa sy monina aty amin'ny Distrikan'i Nosy Varika ( Vatovavy Fitovinany) ny tenanay. Tsikaritra ary hita ombieny ombieny fa misotro sy mampiasa rano tsy azo antoka, ary azo lazaina fa tena tsy fisotro sy tsy fampiasa ny ankabeazan'ny mponina any amin'iny Distrika iny. Tena tsy voahaja ny filàna fotrotra momba ny rano. Nanangana Fikambanana kely iray izahay mba hoentina manampy ny mponina mba hahazahoany rano fisotro madio. Koa antso avo no ataonay eto: mitady ONG na Association na Organisme hafa afaka hiara hiasa aminay izahay mba hanan'ny mponina any amin'ny Distrikan'i Nosy Varika rano fisotro madio azo antoka. Koa mila ny fanampianareo Namana ato amin'ny Serasera.org izahay, toroy hevitra na lalana izay fantatrareo fa azo harahina mba hahafahana manla ireo mponina ireo amin'ny fisotroana sy fampiasana rano maloto. Manantena ny tolo-tanana avy amin-tsika tsirairay avy àry! Eto ihany aho mandray ny valiny. Raha tena matotra ny dinika dia afaka hametraka adiresy mailaka sy finday ihany ao aoriana kely ao! Misaotra mialoha amin'ny fiaraha-miasa!
novalian'i Serabe ny 25/02/2011 06:09
2. fahamarinana ( 16/12/2008 10:04)
:arrow: mandainga aho raha hilaza fa manana hvtr atolotra fa faly monja maheno fa misy mihetsika ho an'ny hafa tahaka izao ho ataonareo izao.Mahereza e,ho avy eo anie ny manana hvtr atolotra. :) (l)
3. hana ( 16/12/2008 13:46)
Tany Madagasikara nisy fikambanana hoe FIKRIFAMA sa FIKRIZAMA nanampy ny tany ambanivohitra hahazo paompy, manoro ny fokonolona ny fomba itandremana ilay fitaovana vaovao, ny fahadiovana manodidina azy sy ny tsy fandaniam-poana. Ny nataony t@ izany dia manao sensibilisation ny mponina aloha izy. Nanana sponsor sy teknisiana ry zareo ka afaka nametraka paompy (ilay pômpina tanana ireny ilay izy). Dia omeny andraikitra ny fokonolona avy eo hamboly voninkazo manodidina ilay paompy, misy fefy toy ny zaridaina kely ilay toerana ary tsy maintsy kajiana ny fahadiovana manodidina eo sy ny tsy fanimbana ilay fitaovana. Ny hitako aloha dia tena mandray andraikitra tokoa ireo olona tao an-tanana satria resy lahatra tanteraka t@ maha-ilaina ilay izy eh. Anontanio raha misy masera any Nosy Varika, na ny Zanaka Am-pielezana fa toa fikambanana Kristiana io nanampy io. Tena région iray manontolo mihitsy no nampiandry zareo fa tsy tanàna iray fotsiny.
Dia mahavità be eh, tsara ny manampy ny mpiray tanindrazana toy izao
4. ikaretsaka ( 16/12/2008 14:45)
Raha ato I soanja dia iangavio aminy ny momba an'io fa izy mahalala bebe kokoa momba ilay fanaovana paompy sy lava-drano @ projet bushproof

Www.bushproof-madagascar.com
5. Zafimananadrazana ( 17/12/2008 14:00)
Manao ahoana i hana!
Misaotra amin'ny tolo-kevitra e! FIKRIFAMA no anaran'ilay ONG mpanohana amin'ny famatsian-drano fisotro madio amin'ny faritra sasany eto Mada. Eo am-panatanterahana ny tetikasa dia mizotra tsara tsy misy olana ny an-dry zareo. Efa nanao tany amin'ny Fokontanin'i Sahavato - Kaominina Sahavato - Distrikan'i Nosy Varika ry zareo. Ny olana anefa rehefa tapitra ilay tetikasa dia tapitra hatreo koa ny asan'ilay komity mpitantana fa tsy nisy intsony ny fiaraha-miasan'izy ireo sy ny FIKRIFAMA. Vokany, nosintonin'ny sinoa sy ny mpanambola tao an-tanàna ny rano. Rehefa nisy ny fahasimbana tao amin'ireo fantsona mpitondra rano dia tsy nety nanao tsipaipaika intsony ny mponina satria tsy ny maro an'isa no nahazo tombotsoa fa lasa ny mpanambola. Ankoatra izay dia tsy nisy tekinisianina nofanina momba io AEPG io ao Sahavato mba hahafahan'ny mpitantana manao ny fikojakojana ilaina. Amin'izao fotoana izao tsy miasa intsony ireo paompy ireo nefa dia tena AEPG tsara sy azo antoka no nanaovan'ny FIKRIFAMA azy. Tsy hiasa any intsony anefa ny FIKRIFAMA raha araka ny fahafantaranay azy fa efa vita ny tetikasa nataony tany.
Ny momba ny bush proof izay nolazain'ikaretsaka indray dia misy tanàna iray any Ambahy, mbola Distrikan'i Nosy Varika ihany io izay nanaovan'ny SAF - FJKM tetikasa ihany koa. Mitovy foana ny olana: miraviravy tanana ireo komity mpitantana izay natsangana satria tsy misy fifandraisana intsony eo amin'izy ireo sy ny SAF-FJKM; tsy misy tekinisianina vita fihofanana hoami'ny fikojakojana ny paompy bush proof any ary tsy hita aty an-toerana ihany koa ireo kojakoja fanolo ilaina raha toa ka misy tokony ho soloina ireo kojakoja amin'ny paompy ireo.
6. ikaretsaka ( 17/12/2008 16:52)
dia ny tokony atao ange izany dia raha efa mahasarika ny olona hitsipaipaika ihany dia ny fitaovana fototra toyny fampiasan'ny bushproof ohatra no vidiana any ampotony dia tsy mila ny intervention an'ireo ONG ireo rehefa tsy hanampy ihany izy e
7. Zafimananadrazana ( 09/01/2009 15:21)
ikaretsaka:

dia ny tokony atao ange izany dia raha efa mahasarika ny olona hitsipaipaika ihany dia ny fitaovana fototra toyny fampiasan'ny bushproof ohatra no vidiana any ampotony dia tsy mila ny intervention an'ireo ONG ireo rehefa tsy hanampy ihany izy e


Ny tena loza anie ry ikaretsaka dia ny any amin'ireo fokontany hafa sy kaominina hafa tsy mbola misy mpanao intervention mihitsy e! Sarotra lazaina fa misy toerana maro tena mampiasa rano maloto mba tsy hitenenako hoe rano voaloto. Hatramin'izao aloha dia fanentanana ny hampangotrahana ny rano alohan'ny hisotroana azy sy fanadiovana ny toerana fatsakana, araka izay misy eo am-pelatanan'ny fokonolona sy tratry ny heriny no ataonay. Mbola lavitra be ny ezaka hatao ary tsy hovitanay irery ilay izy ka izany no hikaretsahanay fiarahamiasa etsy sy eroa indrindra fa any amin'ireo namana any ivelany.
Marihina fa tsy dia mankasitraka loatra ny hidiran'ny mpanao politika amin'io resaka io aho; faharoa voasokajy ao anatin'ireo faritra tena mahantra eto Mada ny Distrikan'i Nosy Varika sy Mananjary. Vinanio amin'izany ny fahasarotana amin'ny asa heverina hatao! Efa nozarin'ny mpanao politika tamin'ny fanomezana kely tsy mahatonga lavitra ny mponina ka miandry tolorana foana matetika! Mbola ady ihany koa no hanovana izany!
Mankasitraka amin'ny fandraisana anjara ry ikaretsaka a!
8. Serabe ( 25/02/2011 06:09)
Ho anao te hampiditra rano fisotro madio ho an'ny Kaomina Nosy Varika, tsy fantatro na efa henonao fa efa misy ny fiaraha-miasan'ny Kaomina amin'ny Tetik'asa PAMOLEA Mananjary hampiditra rano fisotro madio. Tsara raha mifanantona amin'ny Kaomina ianao satria effe an-dalana ny fametrahana ny fotodrafitr'asa.

Hoy ny Mpampivoatra (Acteur développeur du monde rural)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.232