Tananan'ny mainty hilaozan'ny fotsy : vavaka sisa no hay ata

21. 08051972 ( 20/12/2008 16:41)
coopsal:

Miarahaba an\'i badboy sy ny rehetra koa,

badboy:
Ady lava toy ny adimpoko, aditany, ady ho tompon\'ny harena amboninin\'ny tany ambanin\'ny tany anaty rano, vonolona sns...

==> Misy toerana tsy ahitana an\'ireo ve? Firenena, fanjakana, faritra, tanàna, fikambanana, ankohonana, ... ?

badboy:
Dia ny zavatra hita matetika, dia ny fampirisihina ny olona hivavaka mba hahazaka ilay fahoriana, na koa mba hahatongavan\'ny vahaolana mahagaga!!!

==> Ho ahy tsy hamahana ny olana ara-nofo no tanjon\'ny vavaka.
Porofo : misy tsy mivavaka nefa mahita ny vahaolana ara-nofo amin\'ny zavatra maro dia maro, izaho koa hatrizay nivavahako tsy tsaroako mbola nangataka tamin\'ny foko hoe \"omeo sakafo aho Andriamanitra\" (ohatra).
Tsy tanjon\'ny vavaka (= fifandraisana amin\' Andriamanitra) ny famahana ny olana ara-nofo, na dia ahazoana izany mihitsy aza izy.
Ny tanjoko voalohany raha mivavaka dia ny hahaizako mifankazatra amin\' Andriamanitra, mba tsy ho menatra aho na hatahotra mafy (ka hitady fandosirana nefa tsy hahita) rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hifanatrehako amiNy.
Ny tanjon\' Andriamanitra (na antsoina koa hoe ny sitrapoNy) dia tsy mijanona eo @ matériel! Satria ny matière ho lo, potika sy foana, fa mitsinjo ny fanahy izay haharitra mandrakizay Izy. Toy izao no anambarany azy ao amin\'ny baiboly : \"Ny sitrapon\' Andriamanitra dia mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy\"[jaona 6:40]

Ka inoako fa ireo mpitory ato, tahaka an\'i coopsal, ... dia olona hirotsaka hampiasa ny tanany sy ny tongony hitady vahaolana ...

==> Izaho manokana, tanatin\'ny tanjoko mihitsy ny hiasa hahazo volabe dia hanangana tanàna hipetrahan\'ireo tsy manan-trano, hanome asa ny tsy manana, ... sns, ary ny marina, efa nanomboka mihitsy aho.
Ny ezaka mafy nataoko anefa tsy naha lasa lavitra ahy, fa nampirehareha ahy ary nahatonga ahy ho kizitina sy hanao tsinontsinona ny hafa izay tsy mba nanao tahaka ahy ... ary indraindray hifaninana sy hanenjika an\'izay manao toy izany ka mba ahitako fahadisoana eo aminy.

Ny vavaka no nampianaran\' Andriamanitra ahy ny leson\'ny mpitantana hoe : ny mpandrafitra dia mandrafitra (fa tsy mandrary), ny mpanefy dia manefy (fa tsy mivarotra). Manana ny anjara nomeNy ahy aho, ary amin\'izany no anatanterahako izay baikoNy.
Tsy izaho no namorona ny olombelona ary tsy izaho no afaka hamelona, fa izaho aza velomina, na dia miasa aza.
Ka ampiasaiko tokoa ny tanako sy ny tongotro, ny volako ny fotoanako ny fahalalako rehetra, satria nomeNy ahy izany, ary ny fampiasako izany tsy miankina velively amin\'ny ataon\'ny hafa na tsia! Fa izay anirahaNy ahy no mila tanterahiko, araka izay fanomezaNy rehetra.

Mety ho sarotra raisina izany, fa ity misy fanoharana hampahazava azy :
Misy zazakely herin-taona sy tapany, Harena no anarany. Hita fa maranin- tsaina io zaza io ary mora mahazo izay ataon\'ny hafa : fiteny, fihetsika, ... sns. Zavatra isan\'ny tiany ny mampirin-trano na mikopaka afo ... satria hitany ataon\' ny lehibe ao aminy izany.
Mazava ho azy fa tsy hisy hain\'izay zaza herin-taona ny amin\'ny fampiriman- trano, fa mamerimberina izay hitany ataon\'ny lehibe fotsiny izy araka izay saim-pantany.
Tsy fantany akory hoe tokony aiza no hipetraka ny entana, fa hitany fotsiny ilay mamindrafindra dia mba ataony, hany ka ilay bonne volonté ao aminy lasa manakorontana ny trano efa nalamin\'ny lehibe, ary indraindray aza, noho ny mahakely azy dia mamaky entana izy.
Isika olombelona koa mba tahaka an\'i Harena, izay hitantsika ataon\'ny lehibe (Andriamanitra) no mba ianarantsika atao indraindray :
Andriamanitra mpamorona, iny koa isika no miseho mamorona.
Andriamanitra no mpamelona, iny koa isika miseho mamelona
Andriamanitra no mpiahy, iny koa isika no miseho miahy.
Andriamanitra no tia, iny koa isika no miseho ho tia.
kanefa isika tsy mahafantatra akory ny tokony ho izy, fa matetika manakorontana ny fiasan\' Andriamanitra ary manimba ny asaNy mihitsy aza izay ataontsika.



ôtrin'ny tsy de manaik'io hevitrao io zà! Fa ny Ntaolo M/sy aza malala woe "rà nôna ny kibo mivezivezy y fanà!" Ary ny Baiboly ko miteny hoe : ianreo miteny @ ol hoe madehana mifalia mivokisa nefa tsy omenreo azy zay tokony hohaniny 'asehoy amiko tsy @ asa ny finona reo ...Fa maty ny finona tsy arahan'asa!
Ny zava-drehetra de miaramiasa hahasoa izay tian'Atra .
Concl. Na de Pôly Apostôly aza de mba niasa t@ tanan mba tsy hanavesatra ny mpino! F'aza miteny an'izany hoe tsy ho an'ny nofo 'asehoy amiko tsy @ asa ny finona reo ...
Mampahery ano kosa woe "tohizo ny asa fanamiana ny sahirana f'aza ajanon'izany satria tsy important tsiony!
Mahereza e!

22. coopsal ( 23/12/2008 09:44)
badboy:
Heloka eo anatrehan'Atra ve ny fananana fiainana milamina sy ny zavatra misy eto antany??

==> Anontanio Andriamanitra dia hovaliaNy ianao!
Misy amin'ireo olona mampalahelo ahy ary nampiako ireo, nisy fotoana aho tsy tafandalo tao amin'izy ireo naharitraritra, indray atoandro tsy ampoizina aho tafandalo teo ary hoy izy ireo tamiko hoe "efa 3 andro izay izahay no tsy nahita hohanina". Nalahelo aho tamin'izay ary nivavaka hoe "Andriamanitra ô! Fa maninona no misy olona tsy manana toy izany? Fa angaha ianao manavakavaka?".
Saingy hoy Kristy hoe "Ny rainareo mampiposaka ny masoandrony amin'ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin'ny marina sy ny tsy marina".
Koa azo antoka fa tsy avy amin' Andriamanitra velively no mampahantra ny olona, fa avy amin'ny olona izay tsy manaiky ny fanomezan' Andriamanitra na mandany ny fanomezan' Andriamanitra amin'ny zavatra hafa.
Matetika ireo mahantra ireo rehefa hitako indray dia mifampiampanga toy izao (ary misy ny tsy lazainy fa hitako): "i ranona anie rehefa mahazo vola kely, nomen'olona vola izy fa nividianany toaka le izy".
Indray mandeha, nisy iray tamin'izy ireo novonoin'ny olona ary naratra be, niantso an'i zokinay aho mba hikarakara azy (satria izaho tenako tsy afaka) ary nanome ny vola mety ho lany, izaho moa tamin'izay nipetraka tao amin'ny ray aman-dreniko ka tsy afaka nandidy ny amin'ny trano, fa ilay pasitera namako no niangaviako mba handray azy hipetraka ao aminy.
Ilay pasitera namako (izay tsy mba olona mpanana) tena nihafy mihitsy t@ tsy maintsy niaraha-nipetraka tamin' io olona io t@ haofotsy sy ny fofona paraky (izay tsy tantiny), fa niangaviako izy ary notohanako noho ny tenin'i Kristy.
Rehefa sitrasitrana anefa ilay olona io dia ny zavatra tsy andriny dia ny hiverina tany amin'ny toerana nisy azy. Nalahelo ny tenako naniry mafy mba hanasoa azy saingy izy no nandà!

Ary tena izany no fanirian' Andriamanitra ho an'ny olona rehetra fa ny olona no mandà! Ka hoy aho hoe, ny fototry ny olan'ny olona dia ny fandàvany an' Andriamanitra. Izany no miteraka ny ratsy rehetra (eny fa na dia ho an'izay mihevitra fa manana fiainana milamina aza)

Raha izany dia meloka izany coopsal sy nyrina fa manana ordinateur, meloka ihany koa satria niala lavitra ny fahoriana misy any dago mba hanana fiainana tsaratsara kokoa .....

==> Fa azonao antoka ve fa ny ordinatera no mampilamina ahy? Manana ordinatera ihany aho any an-trano fa na ny fahafahako mandray ilay izy aza tsy misy akory! Ny fahadisoan-kevitry ny olona dia ny fiheverana fa ny zavatra hita maso no mampilamina! Ny tena filaminana dia ao anatin'ny fo, tsy miankina @ zavatra ivelany sy ny matériel.
Izany no mahatonga ny olona maro mikorontana rehefa tapaka ny jiro, satria nanankina ny filaminany t@ jiro, izao izao misy indray ny Internet, ary izay zatra internet dia mahatsiaro fahabangana b @ fiainany rehefa ts mahita internet, rehefa tapaka ny connexion.
Izaho zatra nifankahita t@ireo namako tiako, fa tena fijaliana mafy ho an'ny foko rehefa tona ny fotoana tsy maintsy nisarahako tamin'izy ireo.
Tsy mba toy izany Kristy, na aiza na aiza misy ahy, na inona na inona mitranga amiko, Eo foana Izy ary manome ahy fiadanana (raha mandray ny fiadanany aho).

NB : Izaho eto dago ka! Ary na dia te hiala lavitra ny fahoriana aza ny tenako, Kristy izay inoako no maniraka ahy hiditra any amin'izay toerana mampihemotra ny maro mba hitondra an'i Kristy Fiainana ao amin'izany toerana izany.
Ny zavatra incompréhensible ho an'ny tsy mino dia izao : i Kristy ao anatin'ny mpianatra dia manao asa tahaka (ary mihoatra lavitra aza) izay nataoNy fony Izy tao anaty nofo aman-drà.
23. badboy ( 23/12/2008 12:12)
coopsal >> Io indray ianao ranamana fa miverina @ ilay maka izay tandrify ary mametraka ny hoe izao dia avy @ olona izao dia avy @ JK!!! Ny fahatrana indray koa dia avy @ olona ary marina tanteraka satria na io olona io tsy nahay nitsinjo ny fiainany na koa teraka tao anaty fahantrana ka tsy afaka nivoatra satria any @ toerana tsy misy politika aratsosialy, izay olona ihany koa ny manampakevitra ny hisiany na tsia!! Dia ataovy tahak'izay koa rehefa misy soa tonga @ olona 1 dia mba lazao hoe satria nahay nitsinjo ny fiainany na koa teraka tanaty toerana misy politika aratsosialy napetrak'ireo olona tahaka ny tenany fatsy ho avy @ Atra!!

Aza tsipotsiponina tahak'izany ilay izy fa mba hinoy koa hoe olona no nahatonga soa ny fiainany na ny fiainan'ny manodididna azy fa tsy nilatsaka avy any andanitra akory ireo!!! :twisted: :twisted:
24. ikaretsaka ( 23/12/2008 16:54)
sekta raha vao manao izay hoe izay metimety aminy izay ihany e...
mifameno ireo hoa...

Aza tsipotsiponina tahak'izany ilay izy fa mba hinoy koa hoe olona no nahatonga soa ny fiainany na ny fiainan'ny manodididna azy fa tsy nilatsaka avy any andanitra akory ireo!!!

sarotra be ve ny mampino sy mampiratra ny masonareo hahazo an' izany e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1971