vakivaky tongotra

1. mmimi ( 13/12/2008 14:46)
2 mois teo zay no nanaovako kapakapa kely, d aveo lasa ôtran vakivaky izany ny faladiako. Sao misy toroevitra azo analàna azy kay? Misaotra.
2. xxx ( 13/12/2008 16:26)
lomana mba halemy tsara ny faladihan-tongotra dia
kikisana amin'ilay rape somary marokoroko ireny ilay hoditra mafy
mizàra manao izany une fois par semaine fa tsy hisy ny vakivaky
dia aza avela efa ho lasa lalina be ny vakivaky fa dieny izy manomboka dia atovy ny entretiens io nolazaiko io, dia hosorana crème mampamandina sy mapalefaka azy rehefa isaky ny avy misasa na mandro.
3. kotobekibo ( 13/12/2008 21:13)
Ny ririnina no mahavakivaky tongotra .
Fadio ny manao kapakapa andro ririnina .
Alohan'ny hanasana tongotra d kikiso @ vato ny vody tongotra ( pierre ponse na granite ) , na koa makà papier verre , ilay maventiventy masony ireny dia kisana @ iny aloha ny vody tongotra .
Makà vaseline pure na miviana crème special tongotra d hosory isaky ny avy misasa .
Raha mahazatra mikiky azy fotsiny d efa zavadehibe .
4. xxx ( 14/12/2008 07:36)
ikotobekibo ah! tsy mety raha alohan'ny hanasàna tongotra vao kikisana, tsy misy zvtr miala, fa izy alona rano ela be iny, na ianao rehefa maka doucche na bain dia rehefa farany, lo ny rano iny ilay peau maty dia kikisana atao malama tsara mitsy, dia rehefa avy mandro na avy mandona tonogtra madio tsara , hamainina tsara dia avy eo hosorana crème ho an'ny tongotra , hi pénètre tsara , atao une fois na deux par semaine, dia io lazain'i kotobekibo io hoe aza manao kapakapa amin'ny andro ririna.
NY AHY vato maintimainty novidiko teny amin'ny chute de la lili ampefy no nentiko avy nanao vakansy dia mety tsara hikikisana, mahatoraka ny rape vazaha.
5. Noue ( 14/12/2008 08:36)
dia rehefa madio tsara sy voakiky iny ilay hoditra mafy dia hasiana glycerine aaaa ! fa tena tsy miverina intsony io ee !

ny ahy aloha efa tratran'iny aho dia ilay crema nampiako glycerine fa lasa malefaka anie zany tongotra eee ! :)
6. vale ( 14/12/2008 13:12)
kikisana pierre ponce, jereo eny am grande surface eny akaikin'ireny crème isankarazany ireny misy azy, tsy lafo 3euros eoeo nividianako vao tsy ela, tratra koa za tamin'ny été teo am'le manao kapa foana tena tratra dia nokikisako an'ilay izy, fa ny fampiasana ilay izy indray dia lemana ny tongotra, na tsaratsara rehefa hiala tao anaty bain (raha maka bain) iny no atao, dia lemana ilay éponge (ilay vato fa io no iantsoany azy koa) dia lemana ary asiana savony, gel douche, dia kikisana ny faritra misy vakivaky, dia ho hitanao fa hiala daholo ny peau mortes rehetra ary halama tsara ny tongotra, dia asina crème fanao amin'ny tongotra ireny, MIXA intensif peaux sèches ny ahy no nataoko, fa tena sitrana dolo an!!! mazotoa! :wink:
7. fahamarinana ( 15/12/2008 12:17)
bekibo:
makà papier verre , ilay maventiventy masony ireny dia kisana @ iny aloha ny vody tongotra .

:arrow: oay leaza,tena radical be kosa sa tena efficace ve ? Ny ahy matetika mpahazo ahy koa io fa asain'ny dr hosorana dexeryl fa marina fa atao isan'andro fa ny ahy moa efa grave foana vao mihazakazaka... :wink: (l)
8. heidi ( 15/12/2008 12:23)
kaotran'ny papier verre mihitsy anie ky ry fahama ilay couche eo am lay rape fifikikisana tongotra ireny e! 2 faces lay izy dia somary vaventy ny ilany de ny ilany tena fin tsara, raha tena efa lasa lalina be ilay vakivaky de mandehàna any am pedicure skalpéna mitsy dia am manaraka poncé-o foana isaky avy mandro....
9. Tazana ( 16/12/2008 04:21)
ny ahy manao ba foana, creme hydratante toy ny vatana rehetra ihany isan andro
10. ikaretsaka ( 16/12/2008 05:01)
Ny ahy koa aloha tsy vato fa papier verre e... rehefa le misy fotoana tsy miala kapa iny
11. fahamarinana ( 16/12/2008 06:01)
:arrow: mety harary ve sa efa tsy re ntsony koa ilay papier verre,koa rehafa manao trano no hitako mampiasa an'iny.Lalina izany..fa misy karazana papier verre koa manko ka mety ilay mba manifinify... :o (l)
12. ikaretsaka ( 16/12/2008 06:14)
fahamarinana:

:arrow: mety harary ve sa efa tsy re ntsony koa ilay papier verre,koa rehafa manao trano no hitako mampiasa an'iny.Lalina izany..fa misy karazana papier verre koa manko ka mety ilay mba manifinify... :o (l)


Tsy maninoma izany ka.mitovy @ pierre ponce ihany ange ny grain an' iny fa iny aza afaka maka forme sy manakatra ny angles tsy azon'ny vato
13. heidi ( 16/12/2008 06:41)
ny ahy vato novidiko tany ampefy mety tsara knou!
lay rape afaka ampiasaina touche finale, ilay misy papier verre manify ireny fa hummmm malama tsara
14. fahamarinana ( 16/12/2008 06:44)
:arrow: ndeha hanandrana aho zany satria mpahazo isan-taona,izany koa moa ilay zatra scoubidou tany amorontsiraka ka tsy manao kiraro feno raha tsy voatery..misaotra nanoro e! (l)
15. vale ( 17/12/2008 00:17)
Tazana:

ny ahy manao ba foana, creme hydratante toy ny vatana rehetra ihany isan andro
zà indray dia tsy dia tia manao bà zany raha tsy oe basket no anaovako na tennis, fa na ririnina aza dia anaovako tsy misy bà na collant ny ahy ny ballerine sy ny karazany ireny! lol tsy tiko fa malamalama ! lol


16. kotobekibo ( 17/12/2008 00:26)
fahamarinana:

bekibo:
makà papier verre , ilay maventiventy masony ireny dia kisana @ iny aloha ny vody tongotra .

:arrow: oay leaza,tena radical be kosa sa tena efficace ve ? Ny ahy matetika mpahazo ahy koa io fa asain'ny dr hosorana dexeryl fa marina fa atao isan'andro fa ny ahy moa efa grave foana vao mihazakazaka... :wink: (l)


tena efficace b io an! tsy maheno n'inn n'inn anie ianao mandrapahanifin'ilay hoditra faladia ( voditongotra ) e!
Ny efficace @ ilay papier verre d ref alohan'ny hisasa , mbola maina tsara ilay hoditra @ iny ary tena miraraka mamovoka mihitsy .
mazotoa e! ;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3088