vorontsiloza nahandro gasy

1. veromahefa ( 12/12/2008 09:37)
Asa raha efa nandeha teto...
Iza kay no mahay mahandro vorontsiloza, atao nahandro gasy ? lay misy sakamalaho sns...ireny e! nahita ihany za tam aterineto fa toa tetitetehana lay izy dia tsy mam.Tsy hita ny maha vorontsiloza azy.
Misaotra mialoha
novalian'i lemurbaby ny 24/01/2010 17:02
2. fahamarinana ( 12/12/2008 13:12)
:arrow: tsy haiko raha hitovy ny fanao fa ny ahy ny rano-tsasany iny ihany no mahamasaka azy....asiana tongolo,sakamalaho,voatabia (raha tia azy ) fa misy tsy manisy an'io.Dia atao feux doux dia miandry azy ho masaka eo.Tsy avadibadika fa io koa no manapotika ilay vorona.Fa sao sendra tetika kely ny any veromahefa aloha...zà manko mpanao tetiky ny maro anaka izay ndraindray rehefa manao akoho dia haiko tsara ilay morceaux en piece detachée.. :D (l)
3. veromahefa ( 12/12/2008 14:08)
fah> hihihi, lay tetitetehana hitako tam aterineto nge toa tena ataony toy ny kodiakely marobe e (raha atao sesika lay fomba nanaovany azy io dia hitako hoe mety tsara)...fa lay mba hita hoe iry ny fe-ny, elany, sns...no tena zavatra knou ! ilay atao nahandro lafaoro koa hono ny hena "tendre be" fa ohatry ny tsy dia matsiro ho'a !
Mino za fa misy manana paika tsara amty fomba fahandroana ty...ohatra an'i Fah :-*
4. fahamarinana ( 12/12/2008 17:11)
:arrow: dia hiandry re7 eto tsika 2 zany sady efa ho avy ny fety,ny vorotsi tsy maintsy ho anina foana...iny no naha-botrabotra hatrizay.. :wink: (l)
5. ainaheri ( 13/12/2008 07:39)
Ny ahy fanaovako azy,tetehiko ny tongolo(arakaraka ny abetsaky ny hena) atao fanambaniny,asina poivre maintso,sy ravina manamanitra(thym,laurier,herbes d provence....asio sakamalao kely ra tianao) Atao ranontsasany,ataovy feu doux,araho maso mba tsy ho may,nefa kosa ritina,asio menaka kely raha ilaina,raha vantany vao ritra d avadiho mba haka ny tsiron'ilay saosy ilay taty ambony(mba tsy ahapotika azy d somary endasina kely alohan'ny andrahoina) Re7-ko io fa tsy haiko zay manana fomba hafa...
d maztou homana
6. ikaretsaka ( 13/12/2008 09:43)
Nga moa ireny fihinana?
7. veromahefa ( 13/12/2008 11:16)
ika> nga toi mbola tsy nihinana ? za zao rahampitso dia hahandro fa tsy hiandry andro fety,hihihi
8. xxx ( 17/12/2008 02:02)
ary ikaretsaka ve tsy any @ malaza be @ "turkey dinner" rehefa thanksgiving sy fety rehetra? sa hoe tsy tia anireny fotsiny?
ilay nahandro gasy mihitsy iny ilay miala daholo iny nofony mipasapasaka - toy ny te holazaina hoe tena nalemy ilay hena :-D tsy misy jerena mihitsy nefa!Ilay any Ainahery io zao matsiro sady mitambatra be iray iny ihany!
9. diamondra27 ( 25/12/2008 12:16)
ainaheri: tena milaibe wa le laoka e, matsirobe fanandramako alina, miam miam
tsy nasiana sakamalaho
10. ikaretsaka ( 26/12/2008 03:54)
Ny sekta ko taloha tsy mihinana vorona ka...de mbola loyal @ io za :wink:
11. ainaheri ( 27/12/2008 00:50)
diamondra27:

ainaheri: tena milaibe wa le laoka e, matsirobe fanandramako alina, miam miam
tsy nasiana sakamalaho


D Ninan-drery,tsy nantsoina akory za @ zany :( :cry: :snif:

12. veromahefa ( 08/01/2009 11:51)
misaotr antsika rehetra fa dia nisy noraisina tokoa e!
13. Ratoa ( 06/03/2009 18:32)
Ny ahy indray rehefa hena - na omby na kisoa na vorona- dia nahandro fariky izay tsotra no itiavako azy fa amin'izay re tsara ny tsiron'ny hena. Ny ahy asiako hena kisoa foana, hafa tsy ny hena omby satria hafa mihisty ny tsiron'ny hena omby.
Sasako ny hena dia tonga dia arotsako ao am-bilany. tsy ampiana rano.
Asiako sira sahaza, kelikely ihany satria aho tsy dia tia sira.
Saromako, ary afo somary mahery no ahandrahoako azy; Araha-maso tsara tsy ho may; Rehefa ritra amin'iny izy dia avadiko. Andramako raha masaka sy antoniny ny sira. Raha tsy masaka, ampiako rano kely, ny sira koa toa izay. Hena sy vorona matavy hatrany ny ahy no vidiako.
Rehefa ritra fanindroany dia andrasako ho mendy. Dia avadiko indray mandeha indray ( raha ilaina loarana @ lovia roa, dia ilay tambony no apetraka voalohany) dia andrasako koa ity faharoa ity ho mendy.

Manitra sy milay an!
14. lemurbaby ( 24/01/2010 17:02)
Vorontsiloza sy Henakisoa:
http://www.youtube.com/user/lemurbaby#p/search/0/bMtLXTN5fok
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2756