Masina Maria ô

1. Lejoba ( 08/12/2008 13:51)
Tsikaritr'i Mompera fa misy mangalatra foana ny rakitra aterin'ny mpiangona eo an-tongotr'i Masina Maria. Niafina tao am-badiky ny sarin'i Jesoa izy hanatrarany izay manao izany. Nandalo teo ny olona isan-karazany mandohalika mivavaka dia mametraka rakitra. Dia nandalo Ranamana iray : "Masina Maria ô, raha tsy mandà ianao dia entiko ho ahy ireto vola ireto".
Tsy nivoaka avy hatrany mompera fa niteny kosa : "anaka, nahoana no manao izao ianao?". Taitra nierikerika ilay mpangalatra : "iza izany?"
Namaly mompera, mbola tsy niseho : "anaka, tsy mety izao ataonao izao".
Fantatr'ilay mpangalatra t@ izay fa avy ao @ ilay sarin'i Jesoa ilay feo. Tezitra mafy izy :"mangina ialahy, maman'ialahy aza tsy miteny koa ialahy indray no miseho ho miteniteny eo!"
novalian'i ZoRajoela ny 10/01/2009 01:41
2. Mirananirina ( 08/12/2008 15:58)
Tsara kosa an
3. ni81 ( 08/12/2008 16:04)
:-D :-D
4. fahamarinana ( 08/12/2008 17:19)
:arrow: mahita raha nareo reto an :) (l)
5. ainaheri ( 08/12/2008 18:20)
hihi mahita atao mitsy klé,neveriko fa joba ilay nibata hay kofa
6. Koditra ( 08/12/2008 20:45)
hihihi, lejoba kosa tsy masaky an'zany eh!
Milay Lejoba a.
7. mmmhh ( 27/12/2008 07:16)
rah za izy de novaliako hoe, ze an-dreniko de ahy avokoa
8. kotobekibo ( 28/12/2008 14:47)
Tohiny !
d hoy damôpra avy ao ambadik'i Jesoa : " tena tsara vintana élah fa raha tsy nifatotra sy voafantsika tety ambony tety aho , d tehamaina sy totohondry ary daka bé no niandry an'élah ! " :-P
:-D :-D :-D
9. ZoRajoela ( 10/01/2009 01:41)
Tandremo ihany ny hatao : izay mamafy rivotra mijinja tafiotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4686