foza orana

1. Lejoba ( 08/12/2008 13:42)
tantara vao henoko izy ity, asa raha misy afaka hanampy?
Sendra niteny foza orana aho indray andro niresaka t@ olona tany Dago dia tapaka ny tsinainy. Nahatsiaro ho wain be aho hoe niteniteny foana angamba.
Ity no nazavaina tamiko : biby ilay foza orana. Foza ny lohany fa misy rambony toy ny orana ilay izy. Izay no maha foza orana azy.
Nisy fotoana dia hita be dia be teny an-tsaha izy io fa tsy nisy nahalala izay nipoirany. Tia andrankandrana ra-Malagasy ka nohanin'ny olona izy io.
Indray andro, nisy olona nidina (sa latsaka) tao anaty gabine fosse perdue (ilay 101 ireny) efa maina fa tsy misy mampiasa intsony efa ela. Feno foza orana tao anatiny tao. Mailo be daholo ny iray tanàna hoe sao mba avy any aza ireny foza orana ireny : biby avy any an-gabine?
Dia izay vao tsy nisy nihinana intsony.
Nanomboka t@ izay dia nampiasaina ilay teny hilazana izay rehetra makôta, ratsy sns
novalian'i lako ny 09/09/2009 12:11
2. xxx ( 08/12/2008 14:36)
Ny foza orana izany ilay ataon'ny olona hoe "foza tay" (miala tsiny @ ilay mot fa izay mihintsy no fanaovan'ny olona azy)
3. Lejoba ( 08/12/2008 14:39)
Tsia, ilay lazainao io tena foza mihitsy fa kely sady tsy fihinana. Ity vaovao ity mety ho espèce mutant mihitsy satria misy rambony toy ny orana. horera 8-) 8-) 8-)
4. xxx ( 08/12/2008 15:02)
Mety tsy nisy tokony atahorana fa avy ety ivelany rizareo no niditra tao an-gabone fa nalalaka tao :-D :-D , fa tsy ny inverse akory no niseho
5. caprio ( 08/12/2008 21:16)
hafa mintsy ilay foza orana,fa io lazain'i xxx io tsy izy io,ary za kaloha efa nihinana foza orana tany dago fa za mantsy tiko mintsy ilay manandrakandrana zavatra mbola tsy nohaniko ka zay no nanandramako azy fa hoatran'ny tsy misy na inona na inona akory fa lasa faikany fotsiny ilay izy,zany we tsisy nofony mintsy ve zany fa tsy hitako izay anazavana azy,de mandehana ao @daylimotion de jereo ao we (foza orana gasy) fa tena mampihomehy fa ataon-dry zalahy hira ilay izy,de any dago zany refa misy zavatra tsy dia tsara dia hantsoin'ny olona we foza orana,ohatra fotsiny zao ilay phone amidy 50 000fmg reny dia ataon'ny olona we foza orana,de ilay sipakely reny refa tsy dia reven-dry zalahy dia lazainy we sipa foza orana,dia mbola tafiditra ao koa moa zany ny mpivaro-tena satria foza orana no filazan-dry zalahy azy,dia zay kaloha no mba fantatro tany momba azy io fa alefaso ndray ny manaraka e
6. caprio ( 08/12/2008 21:37)
Mihinan-datsaka aza hono misy vary(dailymotion)
7. harry5 ( 09/12/2008 14:02)
tsi misi olona afaka manazava tsara ve mikasika io bibi io fa tsi arako mihintsi ,avy aiza ? et scientifique oh ??? iza no mahay ???
8. ikaretsaka ( 09/12/2008 21:31)
tsy homard ve ny foza orana e
9. tywa68 ( 10/12/2008 10:01)
harry5:

tsi misi olona afaka manazava tsara ve mikasika io bibi io fa tsi arako mihintsi ,avy aiza ? et scientifique oh ??? iza no mahay ???

Avy any an-gabone hono hoy i Lejoba e :°)
10. heidi ( 10/12/2008 10:49)
kanefa zà nahita ps hoe foza orana tao am karajia :°) :^)
11. heidi ( 10/12/2008 10:50)
caprio: misaotra nanazava fa sao de misy mametaka hoe foza orana hay otran'ny ompa izany ilay izy :lol: :^)
12. Samoana ( 10/12/2008 13:32)
Mba asio sary izay manana ô! ( tsy sarina sipa foza orana fa ilay tena izy an :-D )
13. ikaretsaka ( 10/12/2008 14:55)
Caprio: misaotr nanazava fa raha misy sary dia mba asio e...le tena izy a
14. tywa68 ( 10/12/2008 15:34)
sary
http://gazetyavylavitra.wordpress.com/2008/02/04/procambarus-foza-orana/
15. heidi ( 10/12/2008 17:39)
Samoana:

Mba asio sary izay manana ô! ( tsy sarina sipa foza orana fa ilay tena izy an :-D )



:-D :-D :-D
ka manin moa raha asina sarina sipa foza orana mba hahafatarana izany :-D
16. tywa68 ( 11/12/2008 09:48)
jereo hoa io sary io fa feno ao :-D :-D
17. heidi ( 11/12/2008 15:04)
tyawa: raha tsy injy tsy nanokatra io jereo eto io aho fa kamo aho hanokatra anreny :°)
apetako eo ny fanazavàna sy ny sary amizay afaka dinihiko tsara...
FA TOA misy an'io aty aminay aty sady fihinana knou! sa???? :-P
Procambarus * Foza orana
Publié le février 4, 2008 par gazetyavylavitra

Procambarus na ” foza orana “.
Ny fomba iainan’ny tantsaha eny Betsimitatatra ny andavanandrom-piainany miatrika ity biby mpanani-bohitra ity no fanadihadiana entiko aminao anatin’ity lahatsoratra ity. Biby miaina sy mora velona anaty faritra mando izy ity. Tsy mifidy izy amin’izany na rano madio io, na maloto, na rano mandeha na miandrona. Araka ny fanazavan’ireo tantsaha tafaresaka tamiko, dia rehefa tsy afa-po amin’ny toerana mihidy (dobo) nisy azy ity biby ity dia mahavita miakatra an-tanety mitady toerana hifindràna. Kendreny kosa anefa, hono, mba ho faritra mando mandrakariva toy ny bozabozaka amoron-drano, na ny toy izany io toerana ataony làlana hifindrana monina io.
Raha ny feo alefan’ny tompon’andraikitra momba azy ity dia hoe olona tsy fantatra no nampiditra azy teto. Ny feo mandeha eny an-toerana kosa anefa dia manondro toerana mazava hoe tao Ambodihady Ambohimanarina tao ihany no nisy niompy izy ity. Tratr’ilay tondra-drano tamin’ny herintaona, hono, ilay dobo niompiana azy ary dia izay no nampihànaka azy eran’ny lemak’Antananarivo, satria tsy Betsimitatatra irery no tratr’ity loza ity, fa hatrany Ambohitrimanjaka. Ary tamin’ny herinandro aza hoy ireo mpivarotra koba teo akaiky teo, dia nisy olona nivarotra azy ity tany Ambatolampy tany, ary nifanenjehan’ny olona eran’ny tanàna.Loza, izany no amaritan’ny tompon(andraikitra manokana mandinika sy mamakafaka ny fomba hiadiana amin’izy ity eny amin’ny Université d’Ankatso. Loza satria voatondro mivantana ho mpandringana zana-trondro

[URL=http://imageshack.us][IMG]http://img410.imageshack.us/img410/6282/81814916fl1.png[/IMG][/URL]
[URL=http://g.imageshack.us/img410/81814916fl1.png/1/][IMG]http://img410.imageshack.us/img410/81814916fl1.png/1/w320.png[/IMG][/URL]
18. heidi ( 11/12/2008 15:05)
tywa: toa tsy nahita sarina sipa foza orana aho :°) :-P :-D
19. tywa68 ( 11/12/2008 15:21)
Heidi : misy manihika sy mipetraka manome lamosina ao e :-D
20. Samoana ( 11/12/2008 16:42)
mba apetraho miaraka eo kosa hono ny sarinjy ry tywa a =))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4076