Inona angaha no mety nitranga raha toa ka vehivavy ireo Majy

41. xxx ( 15/12/2008 04:38)
de iza no xxx de iza no koditra de iza no sipagasy aza eh? aiza ireto majy eto @ serasera mba hanazava kely? :-D :-D :-D
tady hisy hapiorikoditra eto fotsiny! :-D :-D
42. Zozoro ( 15/12/2008 20:40)
Mba alaiko sary an-tsaina raha vehivavy izy ireo dia angamba ho toy izao. Ny anarany dia : Alahelo, Fahosana, Haretina.
Eny an-dalana mandra-pahatongany amin'ny toerana nahaterahan'i jesosy dia andranomaso no intataran'i Alahelon'ny fiainana hitany fa misy, ary dia nofenoiny izany ny lalana. Ny an'i Fahosana kosa dia ny tsy fahampiana sy ny faharesena eo amin'ny fiainana no notantarainy. Ny an'i Haretina dia ireo tsy fahasalamana rehetra hitany no nataony filaza tsy ankijanona. Izany no resak'izy telo vavy nentiny nanala lalana. Rehefa tonga teo akaikin'ny toerana nahaterahan'i Kristy izy ireo dia nifampanontany hoe : Inonana no fanomezana nentina ? Ny ahy iray ihany hoy i Alahelo, ary ny anareo ? Ny ahy aloha mba misy roa ê ! hoy Fahosana, Ny ahy koa dia iray ihany, hoy Haretina. Dia nandroso izy telo vavy ary dia somary menatra sy sadaikatra rehefa avy nitsaoka ka hanolotra ny fanomezana. i Alahelo no nanolotra voalohany ka niteny hoe : Jesosy ô! indro atolotro sy omeko anao ny Tahiriko, omeko anao tanteraka fa tsy misy fotoana na tonon'andro entiko ampiasana azy koa tsy aleoko ve omena anao ? dia nitsiky izy. Raiso ho anao ny Tsiky fa ianao no mendrika azy satria ny ankany misy ahy dia feno onjan'ny fiainana, feno hetraketraka ka tsy misy iposahany. Dia noraisin'i Jesosy ny Tsiky. Nanatona i Faosana : Jesosy ô! Ny atolotro ho anao dia ny Hery sy ny Zo. Ireo no mba fananako kanefa tsy azoko ampiasaina na dia sarobidy aza ka foiko ho anao. Izaho anie ho noana foana ê!na hara-bantana na fanahy, ho voatsindry foana na dia te-hihoitra aza, Ianao no mendrika azy ireo ka dia atolotro anao. Dia noraisin'i jesosy ny Hery sy ny ZO. Tonga ny anjaran'i Haretina : jesosy ô! Omeko anao ka raiso ny Fahasalamana, sarobidy tokoa fa angamba tsy mendrika ahy fa tsy ho tafapetraka amiko. Foiko omena anao sao bobongolo.Tsy misy mantsy ny enti-manana ho entiko mikarakara azy Ianao no sahaza azy. Rehefa avy nanolotra ny fanomezana iy telo vavy dia lasa hody, ny lalana lavitra. Kanefa ny lalana dia lasa feno Tsiky sy Hehy, feno Hery sy fahavononana ka ny tanjona dia ny hiaro ny Zo maha olom-belona. Feno Tanjaka sy fahavitrihana. Nifampitantana izy telo vavy niditra tao an-tanàna ary nifampijery dia nihara-niteny hoe :
- "Anjarantsika ny mizara ny soa sy ny tsara azon-tsika ho an'ny mpihara-monina"
43. xxx ( 15/12/2008 21:33)
Taiky!
Alika kos'iny sakaaa!
Tena velonjoro iny Ra zozoro an!
Mbola asio indraipa fa tena mahaliana iz'izany!
tokoa mouou!
44. mmmhh ( 27/12/2008 12:30)
Rah vehivavy le majy :
nony nivoaka tao :
- Voalohany : ouuuuufff tafavoaka ihany marina, fofona ty, fofona ty, mba tantinareo ve kia le fofona tain'omby be tao ireny?
- Faharoa : Mba manaonao foana koa kia ry zareo ka, de mba tantin'le zazamena kely io ve kia zany fofona zany, zah vehivavy lehibe ty aza efa tsy andriko ny nivoahana tao nefa zara fa adiny firy nijanona teo?
- Fahatelo : Ireo koa ne kia mahihitra e, .....Eny e , marina ihany aloha ny azy e, sitrany ahay mba ividianana couche njaza koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2516