Boloky miteny

1. Bita ( 02/12/2008 12:33)
Nisy Boloky efa mahay zavatra maro ankoatry ny miteny nanan'ireto mpivady ireto. Ny tena hainy dia ny mitelefona satria matetika asaindry zareo miantso ny iray @ izy mivady rehefa misy olana.
Indray andro irery tao an-trano ary ilay boloky ka tsy hitany izay natao dia nitendritendreny teo ny telefona ary sendra tonga tany @ mpivarotra charbon izy. Hainy tsara ny mikomandy zavatra ary mahazo izay tenen'ny olona aminy koa izy. Dia hoy izy mila charbon 3 gony izahay ary dia nomeny koa ny adiresy . Tsy afaka mamoha varavarana anefa izy ka rehefa misy mandondona dia manontany izy hoe iza ary rehefa livraison dia hoy izy apetraho eo ivelany eo fa rehefa avy eo alaiko. Tonga ny tompony ny hariva gaga nahita ilay charbon ary dia naveriny. Faly ery ilay boloky nahita azy ireo misavoritaka t@ ilay charbon. Tonga ny andro manaraka mbola nataony indray koa ny komandy ary fanintelony toy izany ihan farany tezitra ireo tompony dia nalainy nahantony ny elany 2 ary ny tongony 2. Rehefa nikiakiaka sy niantso vonjeo izy dia tsy nisy niheno azy izy 2 ary rehefa nangina izy ka niherikerika eran'ny trano dia nisy lacroix misy a'i Jesosy hitany ary hoy izy niteny e! ianao koa angaha nikomandy charbon no mihantona eo!
novalian'i sitlo ny 10/12/2008 12:29
2. harybe ( 02/12/2008 13:58)
:-D :-D :-D :-D :-D :-D
efa moderina be kosa ny mpivarotra charbon @ zao fa efa manana telefone an!! de telefone fixe ve sa portable hono no niantsoin'ilay bloky ?
milay ka!
:-D :-D :-D :-D
3. sitlo ( 10/12/2008 12:29)
Mba tsetsoka koa izany boloky izany. Raha ahy izany nampianariko mifrista. :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4475