moa ve vita fihavanana ( Fara Andriamamonjy)
1. ikalamanja
(
27/11/2008 13:22)
mba andefaso ny tonon'ilay hira hoe : moa ve vita fihavanana aho ry ireto raha mba azonareo atao an, de misaotra mialoha
2. ni81
(
27/11/2008 13:34)
Moa ve vita fihavanana
Moa ve vita fihavanana
Amin'Andriamanitra ianao
Moa va efa nibebahanao
Tamin'ny fonao ve ireo otanao.
Ela no niandrasan'iJeso
Tao ambaravaran'ny fonao
Sao ity no antso farany
Ka valio izy sao very ianao.
Manantona an'Andriamanitra
Dia hanatona anao izy
Ka aoka tsy hisalasala intsony
Satria tianao Jesosy.
Ny osa sy ny tsy mino anie
Manana ny anjara ratsiny
Koa raha menatra ny Tompo ianao
Izy koa ho menatra anao.
Tsy ny Tompo anie no haninona
Raha mandà ny ho vonjena ianao
Fa ianao no hitomany, ianao ihany
No hijaly mandrakizay.
©
Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 -
2024 - page load 0.4429