Vodiondry
![](https://avatar.serasera.org/aaf0258e8c5880cd4e10066c30471811.jpg)
1. harlyy
(
26/11/2008 17:44)
Mba hanontany zaho hoe : inona no nahatonga ilay fitenenana hoe vodiondry rehefa hangata-bady.
Misaotra mialoha e
Misaotra mialoha e
novalian'i kotobekibo ny 30/11/2008 10:03
![](https://avatar.serasera.org/6fab322aef5e22cf9c0057a4a1907753.jpg)
2. rafitia
(
26/11/2008 18:33)
anisan'ny zava-dehibe maha fanambadiana ny fanambaiana ny vodiondry. fahiny tokoa dia tena ondry velona no entina rehefa hangata-bady ka ny tapany misy hofany no natolotra izay ho rafozanina ary ny tapany mankany amin'ny lohany kosa entina hifaliana any @ ralehilahy singy miova andriana miova sata ka lasa nosoloana vola taty aoriana ka izay no nahantiga ny fitenenana hoe izay mitari-bady tsy lasam-bodiondry henatra izany
![](https://avatar.serasera.org/52c432f397560d7aa5f62d027416d5cf.jpg)
3. Noue
(
26/11/2008 18:47)
ny vodiondry : io kosa dia atolotra ny renin-drazazavavy. Ny fahatontosana an'io no manamarika ny fifatoran'ny fanambadiana ara-piarahamonina. Manana anjara toerana lehibe tokoa io fomba io, araka izany, satria « tsy tsara ny mitari-bady tsy lasam-bodiondry », hoy ihany ny Ntaolo. Niovaova endrika ny fomba enti-manolotra azy io : valopy tao alohaloha tao, dia niova ho lambakely tato aoriandriana ampiarahana amin'ny vatokely vitsivisty, mba ho firariana fa ho mafy tahaka ny vato ny fatoram-panambadiana izay ajoro. Ankehitriny dia kitapo kely vita amin'ny landy tsara tarehy, misy kofehy miloko ranom-bolamena io. Mety ho angetsana angamba, hoy ianao, kanefa angetsana manandratra avo ny satan'ny fanambadiana
![](https://avatar.serasera.org/f64e72f5f9ee911563e28f08678ebea4.jpg)
5. ontsy
(
27/11/2008 06:56)
Io izany dia arakaraky ny lovantsofina heno e ! Misy amin'izy ireny no efa noraiketina antsoratra dia toa maro mpampiasa, ary zary itompoana teny fa marina.
Ny hany itoviana fotsiny dia izao : tena HAJA AMAM-BONINAHITRA atolotra ny ray amandreny horafozanina ny vodiondry.
Ny tantara indray dia maro samihafa no milaza ny amin'izany vodiondry izany :
Salaka landy hoy ny sasany, tena ondry matavy hoy ny hafa, ny ombalahibemaso aza nilaza fa voamena no tombatomban'ny solombodiondry ho an'ny rafozana.
Hatreo dia lasa nosoloina ilay tena vodiondry fahiny.
Trafokena ome-mahery io : ambava homana, am-po miheritra.

![](https://avatar.serasera.org/9fe17acc9b67959967cd0c034fd468a1.jpg)
7. Lejoba
(
28/11/2008 10:50)
Ny vodihena @ ankapobeny dia fanomezam-boninahitra, raha ny any Dago dia iny no faritra matsiro indrindra. Ny vodiakoho no omena ny loham-pianakaviana. sns.
Fa ny hoe maninona no ondry no nofidian'ny Ntaolo indray aloha, fa naninona no tsy kisoa na osy ohatra, tsy haiko.
=)) =)) =))
Fa ny hoe maninona no ondry no nofidian'ny Ntaolo indray aloha, fa naninona no tsy kisoa na osy ohatra, tsy haiko.
=)) =)) =))
![](https://avatar.serasera.org/dcaa7d05923164f394793e429b0d85f3.jpg)
8. iiinnniav
(
28/11/2008 18:23)
Misaotra anareo namaly fa ny maizina amiko koa dia ny hoe fa maninona no ondry fa tsy akoho na omby na kisoa ohatra ?????
![](https://avatar.serasera.org/f41aa2509210034d54b264accf5fa3cd.jpg)
9. ni81
(
28/11/2008 18:47)
Misaotra anareo namaly fa ny maizina amiko koa dia ny hoe fa maninona no ondry fa tsy akoho na omby na kisoa ohatra ?????:lol:
![](https://avatar.serasera.org/8aa966c315ce49c5ef44920da25908b8.jpg)
11. kotobekibo
(
30/11/2008 10:03)
vodiondry v ? atta un pé !!!
Ahhh!!!... Ka io v tsy hoe " foza lahy atakalo foza vavy e! "
sahala ihany fa tsy mitovy fotsiny . Ry zalahy any ambanidasy manko no mpanafangaro azy ireo :-P
Izany hoe ny andaniny ondry , ary ny ankilany vhv :-D :-D :-D