Ny famelan-keloka sy ny fanasitranana dia tsodrano iray .

21. bobone ( 28/11/2008 05:03)
Coopsal: tena mihombon-kevitra aminao aho @ io
" Fa rehefa tanteraka ao am-poko ny fahafantarana fa na inona na inona heloka vitako dia efa voavela ao @ i Kristy! Tsy koi zany na handray ny tsiny noho ny an'ny hafa aza aho satria izay tsiny tonga aty amiko dia lasa any amin'ny hazo fijalian'i Kristy. Mora ho ahy ny tsy manome tsiny ary mamela heloka @izay." tena zava-dehibe zany!

Ikaretsaka :zavatra mahavariana ahy dia isika rehefa mandefa dinika toy izao dia misy dikany lehibe
1) ahalalana zavatra mbola tsy hita na re!
2) mianatra ihany koa sy mandinika izay zava-misy sy mitranga
3) ny mampalahelo dia manankiana ny hevitry ny hafa: kanefa matoa iny no tonga ao dia misy tanjona tiana ho tratrarina izany !
izany hoe mifampizara isika ! ny tsara raisina ny ratsy avela fa tsy hasina teny henjana be kosa e!
tahaka ny voankazo an'ala io ka ny mamy hatelina fa ny mangidy aloa

bor2lais: tena marina koa zany kah !
"Amiko ny fahasitranana ara-panahy no antsoina hoe famonjena ..."
izay no tanjona e! rehefa sitrana ny fanahy dia tena fiainam-baovao no hita sy tazana na fitondra-tena izany na toetra nahazatra izany ! eny e! ny fiainanao manontolo miova avokoa satria Jeso Kristy no velona ao anatinao ary miasa @ fomba rehetra ao anatinao! tsy mandeha irery fa miaraka aminy hatrany!.
fa izao izay mahazo maimaimpoana aoka hizara maimaimpoana ! sady rehefa misy olana ny namanao ampio izy fa mety ianao no fitaovana hataon'Atra hanampy azy! misaotra daholo e!

:D
22. coopsal ( 28/11/2008 10:42)
Ikaretsaka:
Coopsal io no porofo hoe tsy mamaky baiboly araka ny tokony ho izy ianao fa mitsimoitsimpona sy manao tsianjery maimbo izay toko sy andininy fotsiny!


Tsy ny Lioka 10:37 momban' ny fanoharana ny samaritanina tsara fanahy ihany ka texto de hoe zay ihany fa ireo fanohara amaro samihafa nolazain' I jesoa koa

Na I jesoa t@ eokaristia alakamisy masina fotsiny koa aza; ataovy izao ho fahatsiarovana ahy ho'zy

T@ izy nampianatra ny rainay any an-danitr koa dia "toy izao atao" ho'zy

==> Tsy maninona ary fa ny ahy sianjery maimbo e! Ary ireo anao ireo inona?
Izay no antony namerimberenako hoe ny baiboly nahafantarako ny tantara sy ny mombamomba an'i Kristy ... Fa i Kristy namaly ahy ka nahafantarako fa velona Izy. ka nahatonga ahy hino.
Mety ho tsianjery maimbo ny baiboly haiko, fa au moins izay haiko dia tena inoako fa tsy vokatry ny fisainako sy ny famakiako fa fampianaran'i Kristy ilay efa namaly ahy! Ary inoako fa mamaly ny rehetra.
Voasoratra fa "samy hampianarin' Andriamanitra izy rehetra".
23. prime ( 28/11/2008 11:34)
rakapy:
Prime> ity ny zavatra nolazainy. " Malaza lavitra nohon'ny lazan'i jesosy ny lazan'i beattles"
... Misaotra

Efa namaky ilay lohahevitra nentinao atsy ambadika aho vao nahazo tsara ny tantara...

Raha ny fahitako azy aloha dia tsy hitako izay olana amin'izany notenenin'i J. Lennon izany... raha fiangonana tsy mahazaka izany aza no mahagaga... J. Lennon rahateo raha niteny izany mety tsy tena finoana ao anatiny izany fa mba te-ho hita fotsiny... arakaraky ny "nanamelohana" azy no vao maika nampisy lanja ilay "zavatra kely tsy misy dikany" tokoa hoy ianao izay ho lasa zava-dehibe... :roll:

niryna> Ny fampianaran'ny Tompo momba ny famelan-keloka sy ny fifamelan-keloka (ihany koa) dia tena lalana tsy maintsy lalovana ho amin'ny famonjena... ny fanamarinan-tena sy ny tsy famelan-keloka no vesatra anisan'ny tena mahasarotra ny fitoriana filazantsara...
24. bobone ( 28/11/2008 12:43)
prime: marina mihitsy fa vato misakana ny fitoriana ny filazantsara ny fahamarinan-tena sy ny tsy famelan-keloka! fa manana toetra hafa kely mihitsy ny tena mitory ny fialazantsara dia fandeferana! tsy manamarintena ! mandala hatrany ilay fifankatiavana sy firaisana!!!firaisam-po sy saina! ee!!!
mahafinaritra ny miady hevitraan fa izao kosa an: ny hevitra no miady fa ny olona tsy miady!!!
:D :D mirary soa dia tahian'Atra daholo e!
25. ikaretsaka ( 01/12/2008 15:19)
bobone:

prime: marina mihitsy fa vato misakana ny fitoriana ny filazantsara ny fahamarinan-tena sy ny tsy famelan-keloka! fa manana toetra hafa kely mihitsy ny tena mitory ny fialazantsara dia fandeferana! tsy manamarintena ! mandala hatrany ilay fifankatiavana sy firaisana!!!firaisam-po sy saina! ee!!!
mahafinaritra ny miady hevitraan fa izao kosa an: ny hevitra no miady fa ny olona tsy miady!!!
:D :D mirary soa dia tahian'Atra daholo e!


izay ny tena fitoriana anie fa tsy ny fanaovana pli vava tsimpona sy wawawa etsy sy eroa e
26. fijo ( 02/12/2008 21:43)
ka le fampianaran ale finona amihints ngamba no mil amisy hiverenana jerena.
misy ny mino afotsiny ihany.io moa dia lasa teny filamatra mihintsy aza"indrisy"
misy ny dinio izay voalaza.de eo aloh amandinika eo;
misy ny hampiaro ny henonao.de miasa.ka mila jerena daholo ngamba ilay fomba fampianarana azy amin'ny zaza indrindra indrindra
27. ikaretsaka ( 02/12/2008 22:46)
Mahagaga hoa fa avy a@ tsy mpino foaqna ny tenim olokendrey ato no mivoaka matetika e
28. niryna ( 03/12/2008 16:24)
ikaretsaka:

Mahagaga hoa fa avy a@ tsy mpino foaqna ny tenim olokendrey ato no mivoaka matetika e
ka inona ilay dikan'ilay hoe olon-kendry ,men of wisdom (olon'ny fahendrena nomen'Atra) sa wise men( olonkendrin'izao tontolo izao )

hoy mantsy ny tenin'Atra hoe ny nomeny ny teny tao amin'ny adalan'izao tontolo izao mba ho menatra ireo hendrin'izao tontolo izao .oops

ireo milaza azy ho endry amin'izao tontolo izao mantsy dia manao ireo hendrin'Atra ho adala ..oh boy ka izay no tsy azoko amin'ialy hoe olonkendry ao amin'ny tsy mpino lazainao eto :roll: :wink:
29. niryna ( 03/12/2008 16:30)
fijo:

ka le fampianaran ale finona amihints ngamba no mil amisy hiverenana jerena.
misy ny mino afotsiny ihany.io moa dia lasa teny filamatra mihintsy aza"indrisy"
marina izany fijo a,araky ny mpampianatra sy maka ny tenin'Atra io fa ny teny voasoratra dia tsy misy vola na harena katsahina na zavatra atao fa finona fotsiny ihany aloha dia ny rehetra manaraka
Minoa fotsiny ihany dia ho vonjena hianao sy ny ankohonanao .

misy ny dinio izay voalaza.de eo aloh amandinika eo;
dia toy ny rano mitete eo amin'ny vato io ka rehefa mandinika sy mampihatra izay nampianarin'ny olona isika dia ho tonga ihany ilay teny satria nangetaheta aho dia nomenao rano,noana aho dia novokisanao ...

misy ny hampiaro ny henonao.de miasa.ka mila jerena daholo ngamba ilay fomba fampianarana azy amin'ny zaza indrindra indrindra

dia tonga any amin'ny fampiarana ilay finoana amin'izay isika ry fijo a,ahoana tokoa moa no hinoanao fotsiny dia miverina ilay tenin'Atra dia nisy zavatra nahazo anao .....bingo ,,,,,, tonga dia averina amin'izay ilay finoana,alefa amin'izay ilay vavaka, andramo fa tsy misy miraviravy tanana eo fa izay mandona dia ho vahana tokoa ny varavaraNy

30. niryna ( 03/12/2008 16:35)
bor2lais:

Hoy i Nyrina :
"Koa ny famelan-keloka sy ny fanasitranana dia tsodrano iray misaraka avy amin'Atra .Mino an'izany ve hianao ?"

-> "miaraka" angamba no tian'i Nyrina tenenina fa tsy "misaraka" ?
tsy misaraka no tiako tenenina fa misaotra anao


Voalaza koa fa :
"Inona avy ary no mety mahatonga ny olona tsy mety ho sitrana ?"

-> ny fanasitranana dia asan'Andriamanitra raha ny fahazoako azy. Tsara ho fantatra anefa fa misy karazany roa ny atao hoe sitrana : ara-batana sy ara-panahy.

Ny fahasitranana ara-batana dia fiverenana @ toe-pahasalamana tsara efa nisy teo aloha : tsy misy zava-baovao azo fa ny teo ihany no miverina.

Ny fahasitranana ara-panahy kosa dia mitondra fiovam-piainana vaovao : tsy miverina amin'ny lasa intsony ...
mazava be fa misaotra


Marihina fa ao amin'ny Baiboly dia misy ny mahazo azy roa. Nefa misy ihany koa tsy mahazo afa-tsy iray ihany : sitrana ara-batana fa tsy sitrana ara-panahy na koa sitrana ara-panahy fa tsy sitrana ara-batana.

Amiko ny fahasitranana ara-panahy no antsoina hoe famonjena ...
dia raha atao ny safidy izany aleo sitrana ny fanahy e


31. prime ( 04/12/2008 13:32)
bobone> Misaotra... mirary soa hotahian'Andriamanitra... :)
32. coopsal ( 10/12/2008 13:43)
Ikaretsaka:
Mahagaga hoa fa avy a@ tsy mpino foaqna ny tenim olokendrey ato no mivoaka matetika e

==> Izaho tsy gaga! L'évangile est une folie pour les sages du monde, mais c'est la puissance de DIEU qui sauve ceux qui croient.
33. ikaretsaka ( 10/12/2008 16:48)
taiz ano nisy folie teo?
34. tywa68 ( 10/12/2008 17:01)
hay tsy any Toliary ihany ny misy adala :-D :-D
35. ikaretsaka ( 10/12/2008 17:12)
:-D :-D :-D :-D
fa miverina @ le sujet isika
Ny famelan-keloka sy ny fanasitranana dia tsodrano iray .

de atao ary hoe misy olona tena olondratsy be mihitsy de tsy manaiky ny helony sns izy de narary avy eo de sitrana...
de heo voavela ve ny helony satria izy sitrana?
36. tywa68 ( 10/12/2008 20:19)
Hitantana ny dianao anie i Kristy ! amen :wink:
37. ikaretsaka ( 11/12/2008 05:42)
De isaky ny sitrana kohaka izany de handeha hangalatra indray de dominus tecum foana
38. niryna ( 13/12/2008 01:19)
ikaretsaka:

taiz ano nisy folie teo?


=)) ny adalan'izao tontolo izao ( ireo mitoritenin'Atra no antsoin'ireo olona tsy mino izany ho adala) kanefa dia ireo no nirahin''Atra mba ampahamenatra ireo hendry ( raha miantso olona adala izany dia mihevitra ny tenany ho hendry izy ) toy ny hoe ity koa dondrona hoy ny sasany ,mihevitra ny tenany ho lalintsaina koa izy izany =)) dia tena misy anie io teny io ika e.

Ny adalan'izao tontolo izao no nofidian'Atra mba ampahamenatra ny hendry.
Ny malemin'izao tontolo izao no nofidian'Atra mba ampahamenatra ny matanjaka.
Ny mahantra koa no nofidiany mba ampahamenatra ny mpanankarena... dia samy mandray izay tandrifiny azy indray e sao dia lasa any amin'ny hoe mahantra daholo indray izany ny mpitory na hoe angaha ratsy daholo koa ny manankarena...ooops !
39. ikaretsaka ( 13/12/2008 01:54)
hay tokoa moa ireo mihevitra ny tenany hoe mitory Tenin'Atra Hono de nirahin'Atra "hono" rehefa avy namaky baiboly tao @ trano fivoahana... na nisy olona tratra sy tratran'io finoana afo mololo io dia nanesika ny lohany dia nametra azy tsy hisaina lavitra intsony sy nanampina ny masony!

avy eo na ny zavatra toriany ary tsy hainy rehefa asaina halalininy bebe kokoa...

vokatr'izany dia matahotra izy hoe sao "voarenireby" ilay finoana Afo mololo mba hitany tao an-trano fivoahana sy izay hany mba natoron'ilay nanao indoctrination azy... dia izay olona manazava azy sy miezaka mampiratra ny masony na mannome fanampim-panazavana ireo voadingany ho azy dia lazainy fa manohitra an'atra hono
fa izy hono no voafidy!
40. prime ( 17/12/2008 12:13)
ikaretsaka> Inona no ataohoeolom-boafidy na olom-boaantso raha ny hevitrao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081