Ny Voninavoko Mananjary

1. emi ( 23/11/2008 13:15)
manaona o! mba mitady ny tono-kiran'i Mananjary za izay hirain'i tarika Ny Voninavoko , misaotra mialoha tompoko o!
novalian'i ni81 ny 27/11/2008 11:21
2. Lejoba ( 25/11/2008 12:46)
Inty dia adikao miadana eo eh
http://www.dailymotion.com/video/x40s5d_ny-voninavoko-mananjary_music
3. ni81 ( 27/11/2008 11:21)
MANANJARY

Mianatsimo miantsinananana
No fizotran'ity lalana
Ho any Mananjary aho re'ory o !
F'izao vohitra ao izao
No namoizako anao
Ry ilay Iarivo tsy foy o !
Mbola teny antsasa-dalana
Dia nirotsaka mahalana
'Lay erikerika kely
Fambara fa vonon-kandray
Na dia efa hariva aza izahay.

Dia natao ho an'ireo mpiala sasatra ve ?
ô ô ô !
Dia natao ho an'ireo olon-dresy kosa ve ?
Asanao, asanao, asanao !

Kanjo nony harivariva
Ny masoandro efa iva
Io Mananjary fa hita ô !
Toa ampela tsisy tsiny
Mihaingo hariva handray vahiny
Sy miarahaba fa tafita ô !
Alokaloka voanio
Rivo-tsoa sy madio
Mampanadino an'Iarivo
Ilay fahanginany koa
Tsy manampaharoa tokoa

Dia natao ho an'ireo mpiala sasatra ve ?
ô ô ô !
Dia natao ho an'ireo olon-dresy kosa ve ?
Asanao, asanao, asanao !

Ho any Mananjary aho re'roy ô !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 3.3508