Maty i Mompera Remi Ralibera

1. ravatorano ( 22/11/2008 09:03)
Ny ankamaroan'ny fampahalalam-baovaoa na an-tsoratra na am_bava nivoaka anio sy omaly dia nilaza avokoa ny fahalasan'i Mompera Remi Ralibera ary an'isan'izany ity :

Maty i mompera Remi Ralibera
samedi 22 novembre 2008, par Penjy R.
madagascar tribune

Tsy mena-miteny amin’ny tsy fahombiazana izay ampetraky ny mpitondra nifandimby teto izy Nodimandry teo amin’ny faha-82 taonany omaly maraina tamin’ny 10 ny mompera Remi Ralibera. Tetsy amin’ny hopitaly Policlynique Ankadifotsy izy no nolazoin’ny aretina nandritra ny andro maro, ka izao namoizany ny ainy izao. Ny 15 Aogositra teo no nankalaza ny faha-50 taona naha-pretra azy ny tenany. Ny nahafatarana betsaka azy dia tao amin’ny lakroan’i Madagasikara. Efa filohan’ny holafitry ny mpanao gazety teto Madagasikara i mompera. Nanana ny andraikitra lehibe teo anivon’ny FFKM izy. Tsy mena-miteny amin’ny tsy fahombiazana izay ampetraky ny mpitondra nifandimby teto izy. Raha ny fantatra, dia rahampitso alahady no fotoana handevenana ny nofomangatsikan’i Mompera Remi Ralibera.

na koa ity :




Nodimandry ny Mompera Rémy Ralibera

Nodimandry, omaly, teo amin’ny faha-82 taonany, ny Mompera Rémy Ralibera. Raiamandreny am-panahy sy ny maha olona, mpanao gazety, mpitaiza tanora, olom-pirenena, vavolombelon’ny tantara. Ireo no famaritan’ny maro azy. Very olomanga indray ny firenena.

Iray amin’ireo olom-piangonana sy olom-pirenena fantatr’olona loatra ny Mompera Rémy Ralibera, mba tsy ilazana azy hoe «malaza». Namolavola sy nandrafitra toe-tsaina matotra sy hentitra tamin’ny olom-pirenena rehetra izy, nandritra ny fahavelomany. Tsy ireo nifanerasera mivantana taminy ihany fa na ireo nihaino ny fandaharany «Tafa sy diniky ny tanora kristiana katolika», isaky ny asabotsy hariva tao amin’ny Radiom-pirenena (RTM tamin’ny fotoan’androny), na ireo mba niserana namaky ireo voasorany tao anatin’ny gazety Lakroan’i Madagasikara. Fenitra nitondrany ny fiainany sy nahafantarana azy ny fahasahia-mijoro amin’ny sehatra rehetra sy ny fahasahia-miteny tsy misorona, ny fitanana ny teny nifanomezana na tamin’iza na tamin’iza ary ny fanajana fotoana. Tsy misaraka amin’izany koa anefa ny vazivazy zary tenany, amin’ny maha mpanabe azy. Niteraka andraikitra sy adidy saro-pady ho azy izany, indrindra teo amin’ny fiainam-pirenena. Azo tarafina ao amin’ny boky nosoratany farany, tamin’ny taona 2006, mitantara ny fiainany manokana sy ny fiainam-pirenena «Souvenirs et témoignages malgaches» izany. Mpianatra namiratra, nitana ny lohalaharana tao amin’ny kolejy St Michel Amparibe ny Mompera Rémy Ralibera.



Mpanao gazety i Dadabe

Nandany ny androny teo amin’ny sehatry ny fampahalalam-baovao sy ny fanaovan-gazety koa ny Mompera Rémy Ralibera. Ankoatra ny naha Filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety malagasy azy, indimy nisesy (1977 – 1991), 35 taona ngarangidina (1966 – 2001) no naha tonian-dahatsoratra azy tao amin’ny gazety mpiseho isan-kerinandron’ny katolika Lakroan’i Madagasikara. Nandritra izany no nahavitany nitety an’i Madagasikara noho ny fikaroham-baovao, ka nahitany sy niainany ny zava-nisy tany amin’ireo toerana faran’izay saro-dalana, tsy tongan’ny fiarakodia. Navoitrany tany anatin’ny lahatsorany ireny, na tamin’ny andron’ny sivana aza. Nisy ny lahatsoratra hentitra sy matotra fa nisy koa ny nisary vazivazy. Nampita izany fahaiza-manaony izany tamin’ny sehatra rehetra izy, na ho an’ireo mpanao gazety nampiana-tena teny am-perinasa na ireo nahazo fiofanana manokana teny amin’ny Oniversite (Fj) sy ny sekoly ambony maro. Nilaza ireto farany fa mahay mampianatra izy ary tsy nankaleo ny fampianarany adiny 3 maninjitra amin’ny andro mafana. Mpitaiza ara-panahy ireo skoto Antily sy Fanilo tao Faravohitra rahateo izy, nandritra ny 30 taona.

Zoelson Randrianindrina
gazety taratra
22/11/2008


Mirary fiononana ho an'ny fianakaviany ary ny fikambanana zezoita rehetra ny tenanay !



novalian'i xxx ny 24/11/2008 16:12
2. rafitia ( 22/11/2008 11:23)
:cry: tsy mba miera rafahatesana,fa alainy daholo zay tiany alaina an. tena mampalahelo fa saika lasa tsy hiverina intsony ireo olo malaza eto amintsika sady zay indray tsy misy mpandimby izy ireny.
3. xxx ( 24/11/2008 16:12)
rafitia:

:cry: tsy mba miera rafahatesana,fa alainy daholo zay tiany alaina an. tena mampalahelo fa saika lasa tsy hiverina intsony ireo olo malaza eto amintsika sady zay indray tsy misy mpandimby izy ireny.



Nahoana no hoe tsy misy mpandimby ? Ny Rémi Ralibera bis no tsy hisy fa ny olomanga dia manome foana Andriamanitra, mety ho karazanay hafa indray fa isika no tsy manokatra ny fo sy maso hijery azy ireny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3074