tononkira mivady ny fitia bessa sy loloa

1. tsiouxkely ( 21/11/2008 07:52)
mba ilaiko io azafady
novalian'i ni81 ny 21/11/2008 08:30
2. ni81 ( 21/11/2008 08:30)
MIVADY NY FITIA

Nanjary adinao ny adim-pitarainako
Nanjary fianananao ny fiainana iainako
Ny antony satria mivady ny fitia
Satria nivady ny fitia

Rimbina ny aiko raha marary ianao
Ny masina aminao nolalaiko izao
Ny antony satria mivady ny fitia
Satria mivady ny fitia

Mahatratra ahy izay mahazo anao
Tonga alokao ny ratram-poko ao
Ny antony satria mivady ny fitia
Satria mivady ny fitia

Niaraka na faly na ory isika roa
Izany ka fanahy nifankatia tokoa
Ny antony satria nivady ny fitia o o
Satria nivady ny fitia
Ny antony satria nivady ny fitia
Satria nivady ny fitia

BESSA SY LOLA
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0509