varotra ao antrano!

1. masimanitra ( 20/11/2008 10:39)
Manao ahoana!

Izaho dia mivarotra entana ato antranoko akanjo efa nanaovana fa mbola tsara(2€), kilalao vaovao ...latsaka ny 10€. Ny vola azoko @'zany dia hananaovako association any Mada.

Raha ohatra ka mba mahaliana anao dia ato Gare de Colombe aho.
tel:RITA/ 06 67 72 16 09

Izaho dia nanao bénévole tao @ Secour catho 2 taona ka hitako fa izaho dia tia manampy olona ary efa manana expérience....

Mbola vao manomboka aho ka tsy manana vola hanaovana pub aloha @'izao fa dia manantena anareo hampita ny hafatra
Aza misalasala!
novalian'i ni81 ny 25/11/2008 12:11
2. fahamarinana ( 20/11/2008 11:21)
:arrow: izy ndraika sur fa ho hitan'ny maro raha misy interressé ato...ka ilay mety ho olana ,raha ny amiko manokana,dia mety tsy ilaiko ilay hividy ankanjo sy kilalao fa raha hanome vola no hitako tsara kokoa...rehefa mitsangana sy tsara orina ilay asso.Dia mahavità be e :) (l)
3. ni81 ( 20/11/2008 11:44)
Tokony ho somary azavainao kely ry masimanitra hoe: aiza izany Gare de Colombe izany, dia mba azon'ny be sy ny maro vinavina hoe afaka mandalo ve izy sa tsia.
4. masimanitra ( 20/11/2008 12:10)
Gare de Colombes dia 10/15mn miala ao saint Lazare. Direction Ermont - Eaubonne. Tandremo anefa fa tsy Bois Colombes fa COLOMBES ianao no miala dia eo 1mn miala @'ny gara.
Ny mail dia masimanitra@yahoo.fr
Isan-andro aho dia ato antrano matetika ary sabotsy sy lahady ihany no tsy afaka na férié.
Manao fotoana amiko ianao dia tsy miala ato antranoko aho.
Misaotra betsaka!
5. ni81 ( 20/11/2008 12:23)
Gare de Colombes dia 10/15mn miala ao saint Lazare. Direction Ermont - Eaubonne. Tandremo anefa fa tsy Bois Colombes fa COLOMBES ianao no miala dia eo 1mn miala @'ny gara.
Ny mail dia masimanitra@yahoo.fr
Isan-andro aho dia ato antrano matetika ary sabotsy sy lahady ihany no tsy afaka na férié.
Manao fotoana amiko ianao dia tsy miala ato antranoko aho.
Misaotra betsaka
Azoko ny teninao fa ny tiako ho tenenina dia hoe tokony somary hazavaina (lazaina ny dépt) ho hitan'ny olona hoe akaiky azy na tsia, satria tsy fantatra daholo ny toerana raha ny anaran-tanàna fotsiny no eo :)
6. booboo ( 20/11/2008 13:02)
Misy rubrika " bizna " kounkou ato @ serasera raha tsy diso zà, ka sao tsara² kokoa raha any no halefa ny raha ?
7. masimanitra ( 20/11/2008 16:37)
Misy bizna io fa toa mandoa 40€ be izao ve nefa, izaho aza mbola vao manomboka.
Izy aloha tsara raha hoe hivarotra tany na trano na zavatra lafo...
8. fahamarinana ( 21/11/2008 06:08)
:arrow: ka ny anao ngaha moa bizna fa tsy hoe asa soa sa ? (l)
9. tywa68 ( 21/11/2008 14:54)
Fahamarinana : manomboka asa soa daholo anie d miova bizna avy eo e (fripy amidy, kilalao tsy foy omena = amidy, d hoe manampy any Mcar...)
Mazotoa zay te-hampiroborobo ny asasoa e :lol:
10. masimanitra ( 23/11/2008 21:43)
Ianao aloha tsy voatery hoe hino eh!
Andriamanitra aza mbola tsy nisy nahita, ny olona sasany mino, misy ny olona tsy mino...
Izaho no diso nilaza izay tanjona mba iriko.



11. fahamarinana ( 25/11/2008 12:00)
:arrow: masimanitra :tsy misy mahadiso anao fa tsy diso koa ny remarques ataon'ny namana satria tena tranga misy sy tsy foronina no lazainy..Aza mora tezitra fa voampita izay e dia ho avy eo izay mila azy. :) .
tywa : :wink: (l)
12. ni81 ( 25/11/2008 12:11)
masimanitra :tsy misy mahadiso anao fa tsy diso koa ny remarques ataon'ny namana satria tena tranga misy sy tsy foronina no lazainy..Aza mora tezitra fa voampita izay e dia ho avy eo izay mila azy. .
marina mihitsy io lazain'i fahamarinana io e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2128