gialogue presidentiel

1. didimaso ( 20/11/2008 06:22)
Raha ny hevitro dia tena hadisoana lehibe ho an'ny mpanohitra ny tsy mba nanatrika io fihaonana io , satria mariky ny fahalemena tsy mba manana diplaomasia, azony atao tsara ny manatrika sy maneho hevitra amin'ny teny na fahanginana, na fihetsika maotina. Tsy mbola matotra ny mpanao politika, mikendry seza fotsiny
novalian'i salopard ny 20/11/2008 16:59
2. dalie ( 20/11/2008 08:17)
Tsy mitovy hevitra aminao kosa aho ny amin'izany, na handeha ho any anie izy ireo tsy afaka miteny ka inona moa no antony handehany any? Izy ange miteny hoe tsy misy ilana ny mpanohitra, matoa izy miantso indray misy zavatra kendreny any, ka tsara ho any mpanohitra ny tsy mandeha any.
3. salopard ( 20/11/2008 16:59)
didimaso:
Raha ny hevitro dia tena hadisoana lehibe ho an'ny mpanohitra ny tsy mba nanatrika io fihaonana io , satria mariky ny fahalemena tsy mba manana diplaomasia, azony atao tsara ny manatrika sy maneho hevitra amin'ny teny na fahanginana, na fihetsika maotina. Tsy mbola matotra ny mpanao politika, mikendry seza fotsiny


ra-didimaso, inona no atao hoe mpano politika?

raha mpanohitra izy dia tsy maintsy hitady seza no tanjony, ary tsy voatery ho ratsy izany, manana seza ianao vao afaka mitantanany budget, ny miaramila, ny magistrat, ny mpampianatra, ny polisy, ny dokotera, ny dimplomasia , hahafahanao mikomandy.

raha mpitondra izy, dia hiaro ny sezany no tanjony, hahafahany mikomandy koa.

tsy mila dialogue izany, manana minisitra, sy conseiller, ary technicien izy mpitondra, oentiny ny bĂ´lina , basy, tsy misy resa-be.

raha mpanohitra izy, omeo alalana hivory, sy hi-wawawa koa izy @ RNM, TVM, dia anjarantsika mitsara. c'est tout.

Ny mpitondra miasa, manao ny asany izy izay
Ny mpanohitra afaka miteny manohitra sy mikritika, manao ny asany koa izay
ny vahoaka mitsara

fa raha dialogue-dialogue izany, mandany andro, sady lazain'olona eo indray hoe: mody miady ny mpanao politika, nefa miara-misotro jus, mihinana masikita sy mifoka cigare sy boyard havan, sy misotro whisky J and B , sy vodka laika eny iavoloha. sy daina kolombianina koa aza....

sniff, sniff....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0453