Falsh animation actionscript

1. sitlo ( 13/11/2008 21:56)
Izao, misy animation kely izay nataoko. Vorona manidina ilay izy. Dia tsy tiako adika be dia be fa manavesatra fichier no mandany fotoana. Nampitomboiko amin'ny alalan'ny actionscript izany no fika hitako.
Mandeha tsara ilay izy, fa saingy lasa ambonin'ny layer rehetra rehetra ireo vorona ireo. (layer = calque raha tsy diso aho).
Tiako atao any ambadiky ny hazohazo anefa izy ireo no manidina. Dia tsy hitako ny fika. Na atao ambonin'ny layer misy ilay actionscript aza ny hazohazo dia mbola mivoaka ambonin'ny hazohazo indray ireo vorona.

Tsy haiko raha mazava. Fa raha misy mahalala ny fika handrindra ny layer amin'ny alalan'ny actionscript dia mba atoroy. ActionScript 3 no ampiasaiko.
novalian'i sitlo ny 13/11/2008 21:59
2. sitlo ( 13/11/2008 21:59)
Aleo asiako sary

[center][/center]

Jereo fa na ny grid (napetrako eo ambony indrindra) aza mbola lasa ao ambaniny.

Raha tsy misy fika moa dia tsy maintsy copie coller ihany no ady mandra-pa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2646