Fametrahantanana

21. rahery08 ( 17/11/2008 08:22)
HOY BADBOY
Dia izay indray izany izao no malaza, fametrahantanana no fanalana ota fa tsy ampy intsony ny fivavahana fangatahampamelankeloka!! Dia ny tsy protestanta sy sekta, satria ireo ihany no mametratanana, izany dia tsy ho afakota intsony!!!

Mahatalanjona!!

Aleo tsy tonga dia mandrairay fahatany be toy izany, fa aleo mandinika aloha, na manontany Mpitandndrina na Pasitera,
Fa inona marina moa ny famatraha-tanana?
Asa famanatarana ireo Mpino izany, "Ametra-tanana @ marary izy dia ho sitrana ireny" fa ny fitoriana ny Filazantsara no tena asa, ny hanambara an i Jesosy mba hahazoan'ny olona rehetra famonjena!
Ao anatin'ny fametraha-tanana ny mpanompon'Atra dia manonona famela'Keloka ho an izay manantona,
rehefa marary ny olona iray dia paracetamol dia mety hahasitrana azy,
indraindray tsindrona any @ doko,
indraindray mety hiditra hopitaly mihintsy!
Dia toy izany ihany koa: reraka ara-panahy izy dia mila manantona Mpiandry, na manantona Tombim-pifohazana mihintsy, vao maha voaray famelan-keloka na fanasitranana,
misy any am-piagonana isaky ny alahady dia efa maharay famelan'keloka,
Maro no fomba fiasan Andriamanitra, andraisan'ny olona fahasoavana, fa aza dia mitsikera be fahatany, fa aleo aloha mihevitra,
22. prime ( 17/11/2008 10:29)
Misaotra rahery08... izany ka tenim-pahendrena mitondra ho amin'ny fanavaozana sy tenim-pitiavana manoro lalana...

ikaretsaka> Fantaro ny tanjona dia ho hitanao ilay mazava... :)
23. ikaretsaka ( 17/11/2008 19:31)
prime> le tanjona anie @ le izy raha ny anareo dia efa ela no fantatro e.. dia naleoko niala vao hitako ny mampivaralila azy....
24. prime ( 18/11/2008 11:09)
ikaretsaka> Ka ilay tanjona fantatrao mety ho diso nefa ifikiranao... mazava ho azy ianao raha hiala satria hampivaralila anao... :lol:
25. ikaretsaka ( 18/11/2008 16:00)
tsy le tanjona ny diso.. fa le fomba entinareo mamita ilay tanjona.. dia aleoko niala dia nitady fomba hafa sy lalana hafa feno kokoa
26. fijo ( 20/11/2008 21:42)
izay le voalazan'ilay mopera tary hoe "isika(ianareo mpino io)dia samy iray fototra,fa ny fomba no misampana"
27. prime ( 25/11/2008 09:01)
Ilay fomba no diso sa ny fandraisanao azy? :lol:

Ilay fomba hafa sy lalana hafa feno kokoa ve nefa marina? :lol:
28. coopsal ( 25/11/2008 11:46)
Ikaretsaka:
naveriko fa le mba eo alohan\'ny le molle @ le formolle de saika faly aho

==> Inoanao ve ity ry Ika?
\"Quant aux lâches, aux infidèles, aux dépravés, meurtriers et débauchés, aux magiciens, aux idolâtres et à tous les menteurs, leur part sera l\'étang ardent de feu et de soufre, c\'est-à- dire la seconde mort\".[Apocalypse 21:8].

Ny voalohan\'ny fahatanorako dia feno resaka sy hevi-betaveta toa io nosoratanao io! Ny zavatra toy ireny mantsy nataoko hoe hanihany, kanefa zavatra tena nosainiko ary niseho t@izany fa tsianjery maimbo ny ahy ny fanononana hoe \"Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao\". Izaho nilaza ho zanany, saingy tsy misy fahamasinana nomeko ny anaraNy.
Izany koa dia mahatonga ahy ho resy lahatra fa tsy misy ezaka azoko atao hahafahako miala ny afobe! J\'y suis destiné par ma nature humaine.
Tsy ho vitako @ maha izaho ahy rahateo ny hanova fitondran-tena.

- Ho vitako ny hanao ranom-bavaka araka izay ampianarina.
- Ho vitako ny hamonjy karazana lamesa ary hihinana ny mofo sy ny divay masina.
- Ho vitako ny hiakatra ery ambony alitara hanangan-tanana sy/ na hanao fanekena miaraka @ costard.
- Ho vitako ny hifady hanina na hanao karemy.
- Ho vitako ny handany vola sy fotoana hianatra baiboly.
- Ho vitako ny hanao asa soa @ mahantra.

Saingy ny tsy ho vetaveta fisainana! Tsy ho vitako @ maha izaho ahy, tena izay no personnalité-ko tsinona. Misy fahafinaretako manokana @izany, fa miampy fifaliana rehefa mahavita mampilatsaky ny hehy ny hafa aho!
Tsy vitako ny hiova, raha tsy hoe ny maha izaho ahy mihitsy angaha no vonoina ka mitafy fanahy tena masina tahaka an\'ilay antsoiko hoe \"Rainay izay any an-danitra\" aho.
\"Aux hommes c\'est impossible, mais non à Dieu. Car tout est possible à Dieu.\" [Marc 10:27]

Voasoratra fa t@ nahatongavan\'i Kristy tety ambonin\'ny tany nilanja ny hazo fijaliana sy nalatsa-drà no nanatanterahan\' Andriamanitra an\'izany.
Ka izay mino azy dia sady afaka @ fanamelohana mandrakizay (tsy hoe mbola tsy fantatra, fa efa azo antoka fa afaka), no mitafy ny fanahin\'i Kristy.

Zavatra tokana no manaporofo ny fahamarinan\'izany rehetra izany : nitsangana ho velona tokoa i Kristy ka tsy nivalona ao @ tantara izany fampanantenana izany.

Ary ho ahy manokana dia porofo inoako ny fahaveloman\'i Kristy izay nahenoako Azy namaly ny fanontaniako hoe \"raha misy marina ianao dia lazao amiko ny anton\'izao\".
29. ikaretsaka ( 25/11/2008 13:17)
za tsy mino ny toritenyt par fampitahorana ry tsimpona versets ry coopsal a..toritenina tery saina sy ignorant ary mpaminany sandoka ireny amiko, ary efa azony ny valisoany

ary aza tery saina fa anisan'ny fomba fitarihan-dresaka ny "opening jokes"!
ianao raha izoa fomba fisainanao izao dia le mihevitra hoe satria mompera na pasitera dia tsy hanao bal miaraka @ olona sns.... nefa ny harivan'iny ihany dia efa ambiance be @ ramatoa!
karaha le fariseo gaga sy tezitra nony mahita an'i jesoa miaraka @ poblikana sy ny mpanota


fa mba eritreritra ihany.... maninona tokoa no vitanao ny mamaky ny toritenin'i Md paoly hoe tsy mety amin'ny "mpanao raharahan'Atra" ny manambady fa lasa tsy ny raharahan'Atra intsony no ifantohan'ny sainy fa ny raharahan-tokatranony? dia avy eo mamelabelatra an'io fatratra...
nefa ianao manambady?!

le izy hoa rehefa te ho serieux ihany dia ataovy serieux fa tsy odiana fanina ny part sasany dia ny sasany izay metimety @ saina ihany no mody ogahogaina be :wink:

Izany amiko no hoe tsy finoana intsony fa fiatsarambelatsihy sy Tahotra sy fampitahorana ary contraire tanteraka ny esprit maha Xtianina.
tsy misy hafa @ hoe dahalo fa nony hoe nisy zandarma tao @ tanana de lasa Maire sy sefo kartier tampoka!
30. prime ( 26/11/2008 08:04)
Tsotra io nambarany io ra-Ika fa aza tezitra a... "aza miteniteny foana", izay no ao ambadika... rehefa anarina amin'ny atao sy ny nambara dia aza manaiky ampiasain'i Satàna hanendrikendrika hoe tery saina, ignorant, mpaminany sandoka, fariseo, mpihatsaravelatsihy, mpampitahotra, dahalo... efa tsy fanahin'Andriamanitra intsony no miasa amin'ny olona mahateny izany ka mibebaha amin'izany... mbola fitiavana hatrany no itenenana izany satria ianao kristiana... raha tsy kristiana ianao dia angamba mety nihomehezana tokoa ny nambaranao saingy etoana dia mivily mihitsy ny fihevitrao ka nahatonga anao toa tezitra sy mitsara olona ary manendrikendrika mihitsy nefa tsy fantatrao akory hoe iza ilay olona...

Mahereza daholo, Andriamanitra anie homba anareo, indrindra i coopsal sy ikaretsaka... dia mba amin'ny fitiavana miresaka raha mba azo atao... misaotra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1057