Fahatezerana

21. niryna ( 01/11/2008 01:00)
Papoose:

Inona no fomba tsara indrindra handanjalanjana ny hatezerana mba tsy hanimbana zvt na ny fifandraisana?
dia manontany tena aloha hoe inona no mahatonga ahy ho tezitra ? Inona no fiantraikany ,tsy miteny fa mihaino ilay olona ,miataka lavitra,mivavaka ka mamela heloka ilay olona(io no antony iray mahatonga ny olona iray mora tezitra,tsy mety mamela heloka na ny tenany na ilay iray nanao ratsy taminy na nanaovana toetra ratsy)

raha tezitra @ olona?
aza mamaly ao anatin'ilay fahatezerana fa lasa tsy olon'ny saina fa lasa olon'ny fo hianao,izay mangina volamena ,avelao aloha hisenda kely ilay fahatezerana na miala teo amin'ilay toerana mihitsy aloha dia mivavaka kely rehefa tena vonona hiresaka ilay olona hianao,raha mamnana fahendrena kosa anefa ,izany hoe mahay manindry fo sy miteny moramora tsy ao anatin'ny fahatezerana na fantatra fa tezitra fa tsy mivatravatra sy mikiakiaka dia tsara koa ny mifandahatra ilay olona ary ny masony foana jerena ka resao azy izay antony mahatezitra anao azy .Tsy mora fa mila mivavaka foana hoy aho raha kristiana fa tena manampy sy mampiova zavatra lehibe mihitsy io .

raha tezitra @ tena satria tsy mety zay atao?
dia nianatra ilay fahadisoana ary miezaka ny tsy amerina an'iny intsony,ny tsara koa dia mibaboka,tsy mora fa io no tena mahasoratr ilay fahatezerana ,raha tsy mahay mamela heloka ny tenan-tsika isika sy tsy mahay mamela ireny manao ratsy antsika ireny dia isika ihany no marary fo eo fa indraindray tsy miraharaha na tsy mahatadidy na tsy manao fanahiniana hoe nataony ahatezitra antsika ilay izy.
Raha tezitra mafy indray ka mamaky zavatra dia misy antony maro io
Tsy mety mamela ny tenantsika aloha isika voalohany indrindra ary tsy mety mamela izay zavatra nitranga teo fa mitamberina ny teo aloha(repetitive ) izay mitarika guilt na mitarika ny tena hoe fahadisoako daholo izany
Eo koa misy olona naratra ka raha vao misy zavatra ataon'ny olona azy dia miverina ilay ratra na ilay mieritreritra hoe fahadisoko foana na tsy an'azy aza no diso.
Ilay fahatezerana mihitsy no efa ao anaty ka tsy mety mivoaka ilay izy na tsy mety tantaraina amin'ny hafa fa mandratra ao anaty ka manindrona dia mitady izay hiantsampazany ka izay tratra eo dia mamay sy lahona vao afaka eo.
Misy koa tsy fahadisoany toy ity rangahy iray mpiara miasa amiko,mora tezi-dava ,lazainy fa ratsy tarehy izy tsy misy mpitia,miteny ratsy be ary mpifosa dadany amintany,misy tsininy avokoa ny olona rehetra (negative attitude) efa misy chemical any amin'ny ati-dohany vokatry ny ratra nahazo azy tamim-bola kely novetavetain'ny rainy sy ny dadatoany izy) tsy mety mamela heloka dia lasa takaitra ho azy ilay izy.
Maro fa santionany fotsiny ireo.


mbola hitohy

:-*
22. niryna ( 01/11/2008 01:25)
Raha mpivavaka indray hianao dia ampiharo amin'ny fiainana ny tenin'Atra
Andriamanitra dia tsy mamela ny helontsika raha tsy mamela ny helokin'ny hafa isika .

Maro be ny resaka fahatezerana ao anatin'ny baiboly toy ny hoe :


Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
( Sal 145:8 )

Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.( Mpit 7:9)

26 Tezera, fa asa manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.( Efe 4:26)

23. niryna ( 01/11/2008 01:57)
Papoose a ity misy tantara iray mety manampy antsika rehetra

Mananjanaka lahy kely mora tezi-dava ity rangahy,izay itany rehetra dia potehiny avokoa na rindrina ity na kilalao na ny lohany( mety marary fo aloha izy e,mety tezi-dava ny reniny tamin'izy tao ambohoka ,mety misy antony maro fa tsy noresahiny aloha ny antony)
Dia hoy ity rainy hoe rehefa isaky ny tezitra ialahy dia fatsiho eo amin'ny fefy eo an-tokontany ireto fantsika ireto
Tamin'ny voalohany aloha dia maro tokoa ny fantsika nofatsihany :roll: :cry: Navitrika sy nimokomoko ery ranamana kely namatsika ny fefy ary dia nahatsiaro tena ho nidera tena kely ery izy.
Nihena tsikelikely anefa izany isan'andro ary farany tsy nisy fantsika ho fantsiana intsony dia niverina tany amin-drainy izy.

Dia hoy indray ny rainy hoe isaky ny tezitra ialahy dia esory tsikelikely ireo fantsika ireo.Namikavika nanala ilay fantsika koa izy ary nihena tsikelikely izany fahazotoany izany.
Farany afany avokoa ny fantsika rehetra teo amin'ilay fefy dia niteny ny rainy izy hoe tsy misy intsony. :D

Andao ary hiaraka amiko hoy ny rainy hijery ilay fefy ary dia nasehony azy ilay marika nofantsihan'ity zanany fa mbola teo ary tsy afaka miala intsony fa feno lavaka

Inona no lesona azo tsoahina amin'izany ?
Rehefa mandratra olona isika ka na mifona aminy aza isika dia mety ho avelan'ilay olona isika kanefa tadidio fa na dia mamela antsika aza ilay olona dia mbola ao anatiny ihany ilay ratra sy fery raha toa ka tsy mety mamela heloka izy na manaiky mibebaka mba ho voavela ny helony.
Fa raha atao hoe toy ny rano raraka iny ka tsy azo raofina intsony fa avelao ny lasa ho omban'ny lasa dia ho maivana tokoa izany ratra
izany na ilay nangataka famelankeloka na ilay meloka .
(l) niryna
24. endrika01 ( 01/11/2008 19:00)
Ny sasany njay misy lay miatsara ivelagorodona,de inn ozizy nareo no ataony?Mody hirahirainy lay hira misy tonony tsy haihay ireny,nisy namako efa tratranizay! Lay ramatoa mpanofa ao ambony,miavona be,de refa tenenina wé ataovy mora lay fafa-lavarangana fa miraraka ato anaty vary daholo le vovoka!De eeieh vao maika lozaaa. De tonga namana ry zareo ao ambany,de mahana angamba izy,de lasa amzay ary zao karazan-kira rehetra izao sationany ity,teo tsara zah t@izy nihira anity raika ity. Inona mou,no tanjonao,mitsara ahy,maneso kou....tsa haiko tsara le hira fa na izaho aza,sorena be .Ka aiza no ifanazavana amzany=))
25. niryna ( 03/11/2008 11:56)
endrika01:

Ny sasany njay misy lay miatsara ivelagorodona,de inn ozizy nareo no ataony?Mody hirahirainy lay hira misy tonony tsy haihay ireny,nisy namako efa tratranizay! Lay ramatoa mpanofa ao ambony,miavona be,de refa tenenina wé ataovy mora lay fafa-lavarangana fa miraraka ato anaty vary daholo le vovoka!De eeieh vao maika lozaaa. De tonga namana ry zareo ao ambany,de mahana angamba izy,de lasa amzay ary zao karazan-kira rehetra izao sationany ity,teo tsara zah t@izy nihira anity raika ity. Inona mou,no tanjonao,mitsara ahy,maneso kou....tsa haiko tsara le hira fa na izaho aza,sorena be .Ka aiza no ifanazavana amzany=))


hi,hi, mampihomehy sy mahasorena tokoa izany olona izany.Hoy mamanay hoe ny ataoko ihany no ataoko.Ny azy tsy misy ataony mandratra azy izay ataon'ny olona fa hihomehezany fotsiny ary vao maika romotra izay tratran'izany.Raha sendra tezitra ny tena ka mitaraina aminy dia izao fotsiny no avaliny: " izany koa ve dia atao ahatezitra " hi,hi dia ny tena no menatra sy mitsiky no miteny hoe " mama koa ! tss !
:D
26. karinah ( 03/11/2008 12:33)
endrika> :-D :-D :-D :-D maharombotra be le tratran'izany a! enao efa sorena am ny ataony no mbola omeny ny hirahira njay! hiihihih
27. Papoose ( 03/11/2008 22:45)
efa betsaka @ zvt nolazainareo reo no nandramako!
voalohany ny mangina volamena! tena hitako matetika @ situation misy dia tena aleo mangina tsy miteny. Kanefa kosa le olona mahatezitra tsy manao effort mihitsy hampiova azy @ zvt ataony! dia mahita an'iny erreur miverina foana iny enao dia tezitra.
Hitako koa fa raha te hanampy an'ilay olona enao dia mila tenenina izy fa tsy avela hanohy ny tsy mety ataony, ary marihiko fa tsy voatery misy idirako manokana ny mahatonga ahy ho tezitra @ le olona fa na dia resaka tsy fahaiza-miaina fotsiny! dia matoa miteny azy dia te hanampy azy!
ny miresaka sy mifanazava direct sy @ ton tsotra sy tsy misy fahatezerana ny zvt tsy nahafaly ny tena de efa natao fa miafara @ vazavaza dia aleo miala fa tsy ho afa-baraka! satria tsy manaiky ny tenany ho diso ary tsy velon-kizay hiala tsiny na manao azafady zany mihitsy! asa angamba eritreretiny fa lasa faible izy raha manao azafady @ tsy mety nataony!
Izaho mahatsindry fo fa ny mampalahelo dia le hahita azy hanenina ao aoriana raha tsy miova dia miverina foana ihany de cercle vicieux eo!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2079