Virus GASY

1. Dmon ( 24/10/2008 08:39)
misy mahita vahaolana @ le virus gasy hoe "tsy virus ty fa olona..........." iny ve ianareo!!
misy pc ray zay ato tratra de tsitako ze atao!! lany noteteziko ny antivirus rehetra.
sa le anti- spyware no mety @ io?
efa nisy tratra ko ve????
novalian'i zikou ny 10/02/2009 20:16
2. sff ( 24/10/2008 09:31)
Alefaso aty hoe andramana ijerevana izany onjany.
3. caprio ( 24/10/2008 17:37)
ary sao dia io sarina devoly kely io ilay virus,de ny anti-virus tokony ampiasainao zany dia ny vavaka :lol: :lol: :lol:
4. diamondra27 ( 24/10/2008 19:05)
Dmon: tandremo koa le we antivirus 2008 iny fa tena virus le izy an

Dmon le demony kely asaivo mamono le virus leisy a
5. kevin241180 ( 30/10/2008 13:35)
salut, ny anaran ilay virus gasy "cftmonn.exe" io processus mitourne en tache de fond. ny fanalana azy: midutra mmode sans echec, de avy eo c:\windows\system32\cftmonn.exe fafana io fa ra tsy miseho de affichena aloa ny fichier cacher, d rehefa maty io d makany @ base de registre de fafana le cftmonn.exe io ao antin' ny HKLM\Msoftware\microsoft\windows\current version\run\
ok d mazotoa e
6. piozila ( 18/11/2008 06:34)
Misaotra amin'ny tolo-kevitra. azo atao tsara koa ny mamono an'io amin'ny ANTIVIR (avira), antivirus gratuit azo télécharge-na izay hitako fa tena mahomby mihoatra amin'ireo efa mahazatra teo aloha( norton, mac afee, avg,...). Mba andramo ihany sao mba mahasoa anao.
7. aemgi ( 21/11/2008 15:16)
Ary inona indray no fika @le hoe "foza orana"? Samia mitady dia misaotra. Tonga dia fafany daholo ny icones rehetra eo @ birao ; izay aloho no hitako.
8. nilex ( 01/12/2008 11:54)
Ny foza orana dia efa voafehintsika fa ny olana fotsiny dia misy karazany maro ny fisehony ka mety mahasamihafa ny fanalana azy.Tsy itan'ny antivirus mihintsy io fa aza mandany andro amin'izany.Aza mandany andro manao formatage fa sady very ny donnée no lany andro be ,ny cléUSB be koa tsy maitsy diovina .Antsoy ny 03314 27310 dia ho voavaha ny olanao.misaotra tompoko
9. asdepique ( 20/12/2008 20:41)
Ny virus foza orana dia tsy misy karazany maro izany ny fomba fisehony fa iray ihany.
Ny fanalàna azy dia iray ihany.

- Ajanona ilay processus wscript.exe
- Vonoina ilay fichier foza orana.vbe ao anaty Windows\System32
- Vonoina ny clé rehetra ao ambanin'ny HKCU\SOFTWARE\Microsoft\Windows\CurrentVersion\policies\explorer (system)
- Averina ho C:\XP2\system32\userinit.exe, ny valeur-n'ilay clé de registre userinit ao amin'ny HKEY_LOCAL_MACHINE\SOFTWARE\Microsoft\Windows NT\CurrentVersion\Winlogon

Ireo ny étape. Afaka ataonao amin'ny tanana ireo nefa afaka mampiasa fitaovana hafa koa ianao analana azy. Anjaranao ny misafidy.
Ny mety hahasarotra ny fomba fanalàna azy fotsiny dia ny mety ho fisian'ny virus hafa ao anatin'ny kapila mafinao.

Azo antsoina koa izany i nilex raha tena mbola tsy hainao mihitsy ny manala azy.
10. zikou ( 10/02/2009 20:16)
Sali dôly!
Mikasika ny virus gasy dia malaza fa ny mpianatra informatika avy any Fianaratsoa no mpanamboatra azy io ka ny angatahiko ry zareo mpianatra any dia aoka re zay,tena marné!!!Mahay programmation ianareo ka ataovy zavatra tsara no vitaina amin'ireny fa tsy figafina olona akory.
Aoka samy andinika an'izay ny tsirairay.
Sur fa mlay ny serasera e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.9284