hay ve ?

1. LEBILA ( 23/10/2008 16:06)
Hira tamin'ny taona 1970 tany .RAONA ilay groupe
milaza hoe
Hay ve naleonao nikipy
Tsy nijery akory ny endriny efa maloka
Hay ve izay no vitanao ect ;;;;
novalian'i LEBILA ny 25/10/2008 07:40
2. LEBILA ( 23/10/2008 16:09)
Mba mangataka ny tonin'kira ndry jalahy reo aho
misy hira maromaro fa ty tadidiko ? misaotra betaka
3. Noue ( 23/10/2008 17:31)
RAHONA fa tsy raona ka :)

Hay ve
Naleonao nikipy
Tsy mijery akory
Ny endriny efa maloka.

Hay ve
Tsy vitanao
Na ny nilaza tsotra aza fa
Manenina ahy ianao.

Marina, fa mbola tia azy ianao
Marina, fa mety ho tiany ianao
Saingy ny ratsy tsy kely lalana
Ka zary simba tsy satry
Ny fitiavanareo.

Hay ve
Izay no vitanao
Mody ny masoandro
Vita ny aminareo

Marina, fa mbola tia azy ianao
Marina, fa mety ho tiany ianao
Saingy ny ratsy tsy kely lalana
Ka zary simba tsy satry
Ny fitiavanareo.

Hay ve
Izay no vitanao
Mody ny masoandro
Vita ny aminareo.






4. LEBILA ( 25/10/2008 07:40)
Misaotra fa voaraiko tsara .
ary anga tsy misy hira hafa ny groupe RAHONA,bodo sy amorompatana ?
Izaho generation an ireny
misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0899