Massages

1. xxx ( 20/10/2008 14:57)
Fainona no tena hatao hoe massage e????
Tsy haiko ny tena hatao hoe massage...manafosafo fotsiny (tsy maheno marary) sa ilay manapotsapotsaka hozatra ireny (mba tena henonao marary raha horina ilay farittra amin'ny vatana)
Nandinika aho fa ireto vazaha ireto tsy mahay manotra raha ny fahitako azy... tsy kiné iray na roa no efa notsidihiko fa efa maro ihany hoy ilay tsy mahay manisa fa dia mitovy daholo ny fiasany, kisafosafo fotsiny miaraka amin'ilay menaka be , mahakizitina be
tsy mba otran'ny an'ny mpanotra malagasy ilay apotsapotsaka mihintsy ny hozatra sy ny taolana, henonao mihintsy hoe avy nihoitra ianao.....????
TENA HITAKO LANY VOLA MIHINTSY AHO AMIN'ILAY VAZAHA :?
novalian'i pharmac ny 22/12/2008 22:14
2. niryna ( 20/10/2008 17:19)
xxx:

Fainona no tena hatao hoe massage e????
Tsy haiko ny tena hatao hoe massage...manafosafo fotsiny (tsy maheno marary) sa ilay manapotsapotsaka hozatra ireny (mba tena henonao marary raha horina ilay farittra amin'ny vatana)
Nandinika aho fa ireto vazaha ireto tsy mahay manotra raha ny fahitako azy... tsy kiné iray na roa no efa notsidihiko fa efa maro ihany hoy ilay tsy mahay manisa fa dia mitovy daholo ny fiasany, kisafosafo fotsiny miaraka amin'ilay menaka be , mahakizitina be
tsy mba otran'ny an'ny mpanotra malagasy ilay apotsapotsaka mihintsy ny hozatra sy ny taolana, henonao mihintsy hoe avy nihoitra ianao.....????
TENA HITAKO LANY VOLA MIHINTSY AHO AMIN'ILAY VAZAHA :?

xxx a arakarany io ka: ireo efa voalazanao eo ambony ireo izy avokoa.
raha ny hozatra sy ny nerve miaraka no voa ohatra(tenda mipitsoka vokatry ny fibatana enta-mavesatra na nibada zavatra tao anatin'ny fahatezerana ka tsy nahafantatra hoe toa izao no hibatana azy dia mivoaka ny nerve manindry ny taolana )dia tsy mitovy ny fanorana ataon'ny chiropractic amin'ny olona izay misy voa any amin'ny vatany hafa ohatra(folaka ny tanana na reraka mitendry clavier dia marary(satria mis y izany sitomi ny tanana) (io dia horona amin'ny zavatra toy ny rano labozia dia mivadika toy ny savoka avy eo ) na izany ny lamosina dia hafa no fomba hanorana azy koa samy manao therapy ihany fa hafa ny system ataony amin'ireo telo voalazako ireo ohatra.
Mety ho marina izany fa mahay manotra ny olona any amintsika indrindra raha folaka izany ohatra.
Ny fanorana na massage hafa koa dia toy ny hoe heat stimulation na courrant tsy mandoro fa mamelombelona ny nerve toa mangitingitika ilay izy ary araka ny zakan'ny olona)mino aho fa efa nataonao koa io dia asiany serviette mafana eo amboniny,dia misy izany horina amin'ny machine kely asiana fanafody izany na machine ngeza manenobe fanorana ireny koa na rehefa mivonto be dia serviette mangatsiaka no ataony.
Maro ny karazany fa araka ny lazaiko dia araka ny aretin'ny tsi11 io,temporaire ihany ireo fa tsy hoe manasitrana tanteraka akory ary misy olona tonga dia mety ho sitrana koa anefa na dia session kely fotsiny aza no vitanany,misy olona tsy maintsy miala neninana alohan'ny anaovana fandidiana na surgery azy,ary misy koa olona tsy
maintsy horona fa lasa malemy ny hozatra ka mety hitarika azy ho malemy tsy afaka hamindra intsony raha avela fotsiny amin'izao
.Farany mila ahetsiketsika ,mila manao exercices araka ny teneni'ireo therapista alehanao fa lasa mivokona na mi-deformer hianao amin'ny farany ,mety mivilana mihitsy koa aza ny soroka na ny lamosina raha miankina foana hanalefaka ny aretina raha tsy mitandrina sy tsy manao exercices.
izay no mba azoko atoro sy mba kely fantatro
(l)niryna
3. xxx ( 20/10/2008 17:28)
ka ny ahy anie ry nyrina ka otran'ny hoe muscle enjana be e! vokatry ny mouvement hatao isan'andro, dia ny forme ny taolandamosiko koa tsy mahitsy anefa mi provoque ilay marary ao andamosina ao dia otran'ny safoina fotsiny ilay izy anefa hoe mila atao izay hampalefaka ny lamosina hono...amin'ny alalan'ny passage io mazava ho azy....dia hitako hoe malefaka loatra ilay massage toa tsy misy effet-ny akory sa????
4. xxx ( 21/10/2008 08:37)
efa aretinantitra angambany ny an'i xxx ka tsy sitran'ny otra tsotra :roll: :roll: :roll:

ny kiné ireny mantsy ka niofana 3 taona mahery, nianatra ny fandehan'ny hozatra rehetra, mahalala ny tokony atao sy ny tsy azo atao. Mety ho tsisy dikany aminao fa manaraka tsara ny lalàn'ny toebatana kosa. Ny mpanotra gasy tsy mahalala resaka anatomie fa toa ataotao fahatany arakizay takatry ny sainy any, tsy fantany akory raha hozatra azo kitihina io na tsia

Nandinika aho fa ireto vazaha ireto tsy mahay manotra raha ny fahitako azy

Matoa tsy misy fiovany dia ny hozatrao no efa donto, ka aleo mody raha tsy afapo any amindry BEVAZAHA any fa isika gasy izany mahay noho ny vazahabenao nandia fianarana

5. niryna ( 22/10/2008 04:07)
xxx:

ka ny ahy anie ry nyrina ka otran'ny hoe muscle enjana be e! vokatry ny mouvement hatao isan'andro, dia ny forme ny taolandamosiko koa tsy mahitsy anefa mi provoque ilay marary ao andamosina ao dia otran'ny safoina fotsiny ilay izy anefa hoe mila atao izay hampalefaka ny lamosina hono...amin'ny alalan'ny passage io mazava ho azy....dia hitako hoe malefaka loatra ilay massage toa tsy misy effet-ny akory sa????


xxx a raha mibatabata zavatra foana izao isika dia miasa foana ny tanana,Mazava ho azy fa raha izay foana ny routine dia lasa ngeza ny ambony amin'ireny olona ireny.Vokatr'izay havizanana izay dia marary tokoa ny vatana ary mienjana satria tsy ampy exercices ohatra.Raha noresahin'i therapist hianao hoe ataovy ity exercices ity dia ataovy,fa rehefa marary ka tsy tiana ahetsika dia mihenjana be tokoa ilay hatoka na tendra na ny tongotra aza tsy afaka miondrika intsony .

Misy karazany maro ny antony e,ary misy maro koa ny fitrangany.
Raha tsy mahitsy koa ny taolan-damosina dia mety hoe ny fomba fipetrakao eo amin'ny seza an-taona maro no nahatonga ilay izy mi-deformer.Ny olona sasany izao manjaitra foana ,tsy mitsahatra dia voa ny masony no mivonto ny eo amin'ny lamosiny ambony.
Misy olona izao marary azy ny ilany havanana dia ny havia no hitondrany poketra dia mi-deforme koa ny soroka. Misy indray miankina amin'ny havanana foana izy dia mivilana koa ny lamosiny.Ampahatsiahivina izy vao mahatsiaro fa dia fahazaran-dratsy fotsiny.
Araky ny tenin'i xxx iray io dia nandalo fianarana ny olona vao afaka manotra.Misy azo horina ary misy tsy azo ,misy horona mafy ary tena mivoajamala mihitsy ny tena saingy manampy kely ilay izy ,manala kely ny fanaintainana fa tsy hoe manala azy tanteraka.Mety hoe tsy misy dikany amin'i xxx ilay izy fa tsy mafy tsara ohatra ilay fanorany saingy ny hozatra ,ny vatanao dia mahazo tombotsoa amin'ilay izy ,raha tsy izany dia tsy mihetsika fa lasa tailana eo ohatra ooops .
Misy ny tsy azo horina ihany koa na tsy azo sitomina ny taolana fa mifangaro amin'ny nerve . Ohatra hoe nibata zavatra izy dia nipitsoka ny nerve eo amin'ny taolan-tendany dia mivoaka aty ivelany ary dia misy fiantraikany amin'ny tendany ,ny sorony,ny lamosina ambony,ny tanany ,ny ratsan-tanany avokoa izany . Dia ny therapista ihany no mahalala hoe sintomina ve ny tendan'ity sa ahoana? Mbola mandalo ilay nandalina izany aloha ilay marary vao tonga amin'izay ny baiko omena ilay mpanotra an ! Manao evaluation izany ilay therapista iray izay tompon'andraikitra dia ireo eo ambaniny no omeny baiko hoe izao atao.Ny dikany mila fantariny ny mahazo vao manotra ireo olona eo ambanin'ny fahefany.

Na dia izany koa aza dia maro koa ny olona no marary lamosina ankehitriny :fahanterana,tsy fahaizana mahay mipetraka eo ambonin'ny seza,mipetraka ela-be ..
Ireto no ambarantonga mety mankarary ny lamosina sy manalefaka azy koa :mipetraka elabe,mitsangana elabe. izany hoe tokony avadibadika fa tsy tokony mipetraka na mitsangana elabe raha azo atao.Raha misy ireo fanomezana alalana manao izany ireny ny ao am-piasananan'i xxx dia ny dokotera ihany no manampy an'i xxx hoe tsy mahazo manao an'izao hono aho dia hajain'ny mpampiasa ilay zavatra feran'ny dokotera(tsy mahazo mibata zavatra hatramin'izao sy izao kilos ohatra na hoe mila mipetraka maharitra ora izao sns ) tsy fantatro raha misy an'izany ny anareo .
Mahazo aina kely rehefa mandehandeha dia ampifandimbiasina ihany koa ny mouvement fa ilay manao zavatra (repetitive )io no tena mahavoa.
6. niryna ( 22/10/2008 04:19)
xxx a > ireo misy exercices kely mety manampy anao



Ireo aseho ireo kosa no tokony atao rehefa mibata zavatra

Ireto indray ny exercices hafa




7. kaboushna ( 22/10/2008 20:08)
ny massage zany tsy tokony hatao fahazarana satria ohatran'ny lasa "dépendance" izy am faranay e ... hafa ny exercice physique sy ny massage ... satria ny massage dé "fanorana" ary ny exercice physique dé "fanazaran-tena" .... vizaka am fanazaran-tena isika vao manao massage ...
8. xxx ( 23/10/2008 15:53)
kaboushna: ny ahy anie fanazara-tena mitsy no hanaovako massage e! ary izao indray aho vao manao depuis 3 ans izay.
Fa dia enjana mitsy ny lamosina lazainy fa efa manao iNflamation ny ozatra...

Nyrina: misaotra tamin'ny toro-hevitra sy ny sary e!
9. niryna ( 23/10/2008 17:11)
xxx:

kaboushna: ny ahy anie fanazara-tena mitsy no hanaovako massage e! ary izao indray aho vao manao depuis 3 ans izay.
Fa dia enjana mitsy ny lamosina lazainy fa efa manao iNflamation ny ozatra...

Nyrina: misaotra tamin'ny toro-hevitra sy ny sary e!


rehefa reraka isika dia mila manao massage kely na ny samy mpivady aza fa na dia mitsangana ela aza dia efa reraka ny tongotra ohatra.toy izany koa ny vatana rehefa reraka ny asa dia tsy maninona manao massage ka.
Fa ilay fanaovana exercices dia tokony atao raha mbola afaka manao izany ny tena ka,misy anie na mandray zavatra mianjera amin'ny tany fotsiny aza dia efa tena sahirana e,misy koa na mipetraka mijery TV dia mitsangana efa lahona vao tafatsangana.
Tsy misy fisaorana xxx a.Raha resaka inflammation indray dia mihinana almond,na voanjavatra toy ny voanjo.Asa mihinana zavatra be asidra .Misy fanafody vidiana ihany koa fa na izany aza ataovy aloha izay tsy hinanana azy.Andraso ho jereko dia omeko anao izay mba fantatro kely mikasika ny tokony atao amin'io

10. niryna ( 23/10/2008 17:11)
oops ...aza mihinana no tiako ho tenenina fa tsy hoe asa ..azafady
11. lotus64 ( 24/10/2008 13:44)
Fa tsy misy hitovizany ihany ve ry niryna ny chiropractic sy ny osteopath ? Tsy izany fa efa amambolana koa izay no marary ny atoko : aretin'ny ordinateur na ny ondana ! tsy fantatro fa horiko matetika fa tsy mety hafaka, manao gym ny loha aho rehefa maraina, tsy misy fanafana !!! Hanantona medecin generaliste, osteopath, chiropractic, kiné :?:
Lotus64
12. ssendra ( 25/10/2008 19:50)
osteopath
IO hatonina fa tena hummmmm be ny vokany avy eo! afaka tanteraka izaho koa mila mande any fa efa mila mi débloké ndray klou :°)
13. niryna ( 27/10/2008 17:53)
lotus64:

Fa tsy misy hitovizany ihany ve ry niryna ny chiropractic sy ny osteopath ? Tsy izany fa efa amambolana koa izay no marary ny atoko : aretin'ny ordinateur na ny ondana ! tsy fantatro fa horiko matetika fa tsy mety hafaka, manao gym ny loha aho rehefa maraina, tsy misy fanafana !!! Hanantona medecin generaliste, osteopath, chiropractic, kiné :?:
Lotus64


ny fahalalako azy dia misy hitovizany ary misy mahasamihafa azy ihany koa.Samy manao therapy avy aloha ireo.
ny chiropractic dia manao therapy ary samy mikasika ny nerve sy ny taolana avokoa ireo fa ny chiropratic ohatra dia manao pratique maromaro noho ny hoe mety ho vokatry ny nerve tsy dia mi-fonction,ny pain na koa hoe marary ilay tenda dia tsy ahetsiketsika ka ry zareo no manampy ny tena manetsiketsika ilay tenda,.Ohatra hoe mivilana ny tenda dia misy fiantraikany ny (cervical ) na ny lamosina (lumbar) ohatra dia ahitsy na misy fomba ataony hamerenana azy,sitominy ,aholakolany eo (izany hoe mila fahaizana fa ilay filazako azy toa hoe aholakolana fotsiny a ). Mety tsy ho voazavako tsara angamba fa lavabe
Ny indro kely fotsiny raha mipitsoka mivoaka ety ivelan'ny taolana ny nerve dia tsy azo atao io ambony teneniko io fa therapy tsotra no atao(stimulation,heat pads sns )
Ity misy fanazavana ny atao hoe osteopath:
L'ostéopathie est une médecine non conventionnelle créée par Andrew Taylor Still, (1828-1917), essentiellement fondée sur des techniques manuelles.
Il y a trois concepts de base en ostéopathie[réf. nécessaire]. Le premier est que toute structure du corps permet une fonction physiologique et que toute fonction entretient une certaine structure - par exemple le tube digestif est considéré comme structure et la digestion comme fonction. Le deuxième est le concept d'unité, d'interrelations entre les différentes parties du corps, commun à bien des médecines. Le troisième est le principe d'autoguérison; le corps possèderait en lui tous les remèdes - principe assez religieux postulé par le créateur même de l'ostéopathie, le Dr Still. L'ostéopathe ne ferait que stimuler ces facultés d'autoguérison chez le patient.
Dès la création de l'ostéopathie, les ostéopathes américains se sont divisés. Une mouvance se disant « cultiste » et l'autre se disant « scientifique » ont émergé. Cette dernière s'est imposée rapidement aux États-Unis mais la mouvance dite "cultiste" prédomine dans certains pays d'Europe.
14. pharmac ( 22/12/2008 22:14)
Salama e, tsy aiko na efa nanandrana nareo na tsia fa tena mahatsara ny tsy mampiasa ondana na ho an hatoka vizaka na ho an'ny atidoha na ho an lamosina, somar hafahafa iany alou am voalohany, fa zahay: za d dadanay, mamanay, zandrik vav samy nanandran daolo fa ten mitov n fahatsapanay azy fa ten afabizan tsar ar tena mator be n andro maraina, na apekarin kel fotsin n loh ra ts mety fa saing atao kely fotsiny, ny tsar ko d le mandro am ranomafan vao maraina iny ref chauffé n rano mafan in d eo enao manao mouvment ze afak ataonao ndrindra ho an lamosina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3623