raha izaho ela le8

1. bazylou ( 05/10/2008 20:58)
dai totofana koa ny canal de Mozambique de mahazo tany be igagana anaovanaa ferme avicole be ialahy sy ny ekipan'ialahy. Raha izay andohatapenaka , tss kely loatra. Mba mifidy ihany ka kely ballitika ohatr'ireny... tssss :-D :-D :roll:
novalian'i Stone ny 26/10/2008 04:05
2. xxx ( 06/10/2008 06:28)
Sa mbola hanafatra hélico à benne bedabe, fa objectif @ 3è mandat? De mbola hanao Château be eo lery! :snif:
3. penguin ( 06/10/2008 06:56)
Aleo izy hanao dia manaova koa e
4. kidoropamba ( 06/10/2008 08:29)
Mampirevy izany no tena paik'adinay TIM:

- Tairina ny "valabe" dia mba hilazAna fa voavaha ny olana mikasika ny fiompiana ao madagasikara

- Tairina ny "trano MAP" mba hirevenny gasy ka hilazana fa voavaha ny olana mikasika ny trano ao dago

- Tairina ny "vitrine d'Iavoloha" mba hilazAna fa voavaha ny olan'i fambolena ao madagasikara

- Antsoina ny be diplaoma avy any ivelany mba hilazana fa tena efa lasa lavitra ny gasy raha @ fahaizana satria efa afaka miresaka amindry zalahy kalaza avy any ivelany.

- Lasa mitsangatsangana any ivelany @ forsa Ouany @ izay mba mitovy amindry W-bousy sy sarikAOzy.

- Tairina ny "Institiota ledera sipa" ao iavoloha dia hilazana fa voavaha ny olana mikasika ny fanabeazampirenena.

- Antsoina ry Koffi annan dia lazaina fa malalaka ny mpanohitra ao dago

- tairina ny fifidianana hafahafa dia mba hilazAna fa mandeha tsara ny demokrasia ao madagasikara

Izany hoe: "Ny fahitAna sy ny FANIRIANA ny fiainanan'ny filoha hajaina Ravalomanana" ihany dia midika "fandrosoana" hoan'ny malagasy rehetra. Ka avelao ny filoha hanao izay ataony, fa isika malagasy kosa dia mivoatra raha faly mijery sy maniry ny fiainany eo. Na dia noana aza ny kibo, raraka nify andalana na koa misy mikapoka loha amina vy be. 8O 8O 8O
5. penguin ( 06/10/2008 11:34)
Ra za elaisany efa nalaiko ny fitondrana fa tsy manao loha tapaka eo ihany. =)) =)) =))
6. nirasia ( 06/10/2008 12:01)
Raha izaho ela lesy mba manangana projet de manao ho hitan'ny olona raha mahavita ela fa faly mivovo sahala @ alika romotra fotsiny, tsy manan-katao afa-tsy ny "critique" de "manaratsy", milatsaha koa fidina président de la république @ élection manaraka fa ho avy koa ny critique-nay @ ela fa izao aloha d'efa miomana fa izay zavatra rehetra ho lazain'la manaraka rehetra eo de hanakianana an'la daholo fa matoa ela maneho hevitra sy manakiana sahala @ io de mahazaka kianina sy haratsiana koa, miandry ny rediredin'la manaraka indray d'efa miomana, sur
7. kidoropamba ( 06/10/2008 12:35)
Ka tsy azo kiritikena indray zany ilay izy? Ka na ny miteny aza dia lazaina fa terorista ka tsy vao mainka raha maka angady ka hiasa tany tsy lazaindry zalahy indray hoe: hikapa ny filoha hajaina io ka sambory?

dray!dray!dray!
Izaho manokana aloha dia tsy manaratsy (zavatra tsara mantsy no mba azo haratsiana) fa dia manaitra ny filoha hajaina fotsiny amin'ireto hoditr'akondrao atipin-dry zareo avy ao MAE ao. Mila mitandrina. Fitiavako an'ity filoha ity no hitsikerako ny ratsy ataony.
Ohatra: vola efa azo nividianana vary hoan'ny vahoaka maro be ireny vola nolaniana any tanzania io: solika, hetra ofaina amin'ny aeropaOry, ny sakafo, hotely, sipa kely (ohatra hoan'ireo izay miaraka aminy), sy ny sisa.
Ny pokona anefa ato nanakana ny ankizy tsy andeha antsekoly satria alefa miasa aloha hitadiavana vola.

8O 8O 8O 8O
8. nanas ( 06/10/2008 15:52)
izay angaha ianao ry kidoro vao mahalala fa tsy mahazaka critique io filoha hivavahanao io. Tsy manana esprit an leadrship, asaivo manaja-tena miala rehefa tsy mahavita fa aza andrasana hikorotana ny olona vao mahalala ny tokony atao.
9. kidoropamba ( 06/10/2008 20:51)
Raha ny feo henoko aloha dia te-hiala ny filoha hajaina Ravalomanana fa misy manosika azy hidongy toerana satria mety ho rava ny tsena. Anis'an'izany ireto vazA maro be manodidina azy ireto izay tsy manaiky mihitsy ny hitsoahan-dravalomanana. Ao koa ireo izay "mpananana tampoka" (nouveau riche moa filazAna an'izany) izay tsy manaiky ny hidabohan'ny fitondrAna. Hany ka aleon'i filoha ny mihaodihaody any ivelany mitsangatsangana no sady moramora mandositra raha misy fivoahanjavatra tampoka.

Io aloha, araka ny analizy efa nataonay ao @ Magro dia mila hongotana fa raha tsy izany dia tsy miala izany. 8O 8O 8O 8O 8O
10. nanas ( 06/10/2008 22:04)
kidoropamba:

Raha ny feo henoko aloha dia te-hiala ny filoha hajaina Ravalomanana fa misy manosika azy hidongy toerana satria mety ho rava ny tsena. Anis'an'izany ireto vazA maro be manodidina azy ireto izay tsy manaiky mihitsy ny hitsoahan-dravalomanana. Ao koa ireo izay "mpananana tampoka" (nouveau riche moa filazAna an'izany) izay tsy manaiky ny hidabohan'ny fitondrAna. Hany ka aleon'i filoha ny mihaodihaody any ivelany mitsangatsangana no sady moramora mandositra raha misy fivoahanjavatra tampoka.

Io aloha, araka ny analizy efa nataonay ao @ Magro dia mila hongotana fa raha tsy izany dia tsy miala izany. 8O 8O 8O 8O 8O



Mety @ mihintsy ilay manaja tena miala kah! Raha tena lehilahy dia tokony manao an izay, sarim-bavy matoa mbola voabaikon ny olona zany, tsy manana fijorana ara-kevitra matotra fa mifaofao hoatran ny hazo tsofin ny rivotra, zay no hilazako hoe tsy manana esprit de leadership fa vomanga loatra. Efa mba ampy hitsoahany any andafy kosa angamba zay ny vola voahangony hatramin zay ka, miampy le 5 milliard de dllars saika hanaovana ny MAP, ampy azy sy zanaka aman-jafiny zay. Mitsoaka any andafy io ihany moa no mba solution hitan ireto mpanao politika ireto rehefa halohan ny vahoaka. Asa complexE ve sa henjehin ny eritreriny t@ asa ratsy natao.
11. bazylou ( 06/10/2008 23:53)
odoy e!!
12. penguin ( 08/10/2008 13:29)
Efa akaiky ho lany ve ny resaka alahatra ry lereto a nefa tsy misy afitsiko ihany. Miofana tsara fa mangarona. =)) =)) =))
13. nanas ( 09/10/2008 21:04)
penguin:

Efa akaiky ho lany ve ny resaka alahatra ry lereto a nefa tsy misy afitsiko ihany. Miofana tsara fa mangarona. =)) =)) =))



Inona marina moa zany le afitsokay tadidiavinao ty ry penguin, ny pseudo-anao aza ty toa milaza ny tsy anontaniana mikasika anao.
14. penguin ( 13/10/2008 14:37)
Efa hoe mba ilay hinanankanina aroso fa aza mandany andro ry be loha isany éééé :-D =))
15. nanas ( 13/10/2008 22:24)
ny afitsok ity le8 vendrana aza ty tsy hitanao izay hanaovana azy, asaivo mandroso ilay hinanakanina aloha izy fa tsy ty fitiavan-tena sy fitiavan-kely ary fahamatisam-boninahitra fanaony ity no arosony ny vahoaka nifidy azy e!
Rehefa tsy hanao an izay, aza sakanana ny vahoaka haneho ny heviny ankalamanjana. Mpitondra donto tsssssssssss
16. penguin ( 14/10/2008 15:44)
Raha donto ny mpitondra mionga-potsiny sahalan'ilay tsy lazaiko. Fa ny mpanohatra be konetaka variana mitomany eo ihany. Tsy aleo ve mamono tena rehefa ny donto aza tsy resinao dia inona no hilazana anao? :-D :-D :-D :-P
17. nanas ( 15/10/2008 19:59)
penguin:

Raha donto ny mpitondra mionga-potsiny sahalan'ilay tsy lazaiko. Fa ny mpanohatra be konetaka variana mitomany eo ihany. Tsy aleo ve mamono tena rehefa ny donto aza tsy resinao dia inona no hilazana anao? :-D :-D :-D :-P



Zao no ataovy ao anatin ny sainareo donto velona indrindra hoan ny le8 sy ny mpanohana azy eto, tsy adala akory ny vahoaka ka mbola handeha hiverina @ fitokonana sy ny fanimbana zavatra hoatran ny namporisihanareo azy t@ 2002, ny fahantrana vokatr ireny aza ity tsy hita izay hanaovana azy. Tsy tokony hiandry an izay nareo, fa mba mahatsiarova tena, manana dignity, mametra-pialana fa efa fanta-poko efa fatam-pirenena fa tsy mahavita azy dondrona, sady tia-kely no fatsora-lahy. Tsy interet hoanareo akory no nametrahana anareo teo fa interet hoa ny vahoaka madinika. Mahaiza manaiky fa tsy niveau anareo ilay mitondra firenenana, indrindra le8. Aza andrasana hiaka-peo ny vahoaka vao mahalala ny tokony atao fa dia ho sahirana hatrany @ zafiafinareo nareo raha izay no mitranga.
18. penguin ( 16/10/2008 12:11)
Lazao koa fa "Public interest" ny fijanonanareo an-dafy sy filazanareo fa nareo andafy ihany no misy loha. Mba omeo le hinanankanina zahay vizana f'aza hampihesonina avy andafy éééé
19. Stone ( 26/10/2008 04:05)
ka i bazouli tsy R8 mihitsy na oviana. R8 tsy handany andro hiresaka eto mihitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0705