fa inona no tena dikan'i hoe resa-behivavy e!!

1. poteta ( 04/10/2008 07:32)
Mahasorena ahy mihitsy rehefa indray maheno olona miteny io zavatra io, asa ianao raha torak'izany
novalian'i ni81 ny 08/10/2008 13:34
2. karinah ( 04/10/2008 12:34)
Arakarak'ilay resahina , ohatra izao ny vhv rehefa tafahoana de misy mifosafosa olona, misy rehefa tafahoana de tsy manao resaka afa-tsy lamôdy, na misy miresak amomba ny tokantranony, na ny vadiny, etc.. de arakarak'izay le mahasorena ahy na tsia, fa tsy voatery ho ratsy foana rehefa resa-behivavy. Malalaka be mihintsy ny azo amaritana ny oe resa-bhv, reo noteneniko reo misy ohatra sasan-tsasany.(Fa nanin no atao ato ity dinika ity? :roll: )... ;-)
3. ni81 ( 04/10/2008 13:38)
Izaho koa dia manao hoe araka ilay resaka resahana io. Misy ny vehivavy miresaka fikojakojana tarehy, volo, fahasalamana, ankohonana, sakafo, akanjo, ny fahaiza-mitantana ny vola sns... Ny lehilahy mety tsy dia ho sahirana loatra @ hoe resaka volo izany angamba, nefa aleo ho hita eo izay ho lazain'izy ireo.
4. poteta ( 06/10/2008 12:31)
manahoana daholo, misaotra nareo namaly, matetika anie vao hoe resambehivavy dia toa resaka mandany andro e!! :cry: sady toa teny maneso hono izy io. sa tsy izany?? tena tsy mazava amiko mihitsy
5. colaps ( 08/10/2008 13:30)
salama daolo tompoko; ny resa-behivavy amko dia resaka tsy misy hidiran'ny lehilahy na dia mresaka momba n lehla aza
6. ni81 ( 08/10/2008 13:34)
sady toa teny maneso hono izy io. sa tsy izany?? tena tsy mazava amiko mihitsy
samy manana ny heviny ny rehetra fa io nolazain'i colaps io koa angamba mahazava azy tsara
ny resa-behivavy amko dia resaka tsy misy hidiran'ny lehilahy na dia mresaka momba n lehla aza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0875