artista sy teny gasy

1. itaramasoandro ( 03/10/2008 17:09)
Nitsidika ny klip gasy aho androany ary finaritra nihaino ny karazan-kira ary nijery ny dihy samihafa hita tao @ takelaka. Efa mihetsika ny mpihiran-tsika fa tsy toa ireo taloha saiky ny tànana fotsiny no mandrindra ny dihy!
Fa akory ny hagagako nahita ity tarika voalaza hoe "Toto Mwandjani", miaraka @ hirany "Adidja"!
Fa hatr@ aovina anie ry zareo no tafiditra anaty ny abidy malagasy ny litera "w" ???? Moa va re fitsipika vaovao ny momban'io ka sanatria nampiana anaty ny abidintsika ny litera "w"? Donàka fotsiny aho mahita io litera io satria tsy mifanaraka @ teny malagasy lalaiko sy nianarako ny litera "w".
Iza re ianareo no mba mety hitondra valiny @ fanontaniako fa very aho reroy ê?!
2. fahamarinana ( 03/10/2008 17:14)
:arrow: raha ilay anarany no tianao tenenina dia tahaka ny william sy walter sns...sns...ihany io,anarana daholo izany araka ny origine nipoirany koa...hoy aho fa asa moa. (l)
3. ni81 ( 03/10/2008 17:18)
RAFALISON Mamiarilaza Claudin no anarany fa anarana @ maha mpanakanto azy ny sisa.
Maro ange ny malagasy manana anarana tsy teny malagasy e! ka inona no mahavery anao re lahy? :lol:
4. itaramasoandro ( 03/10/2008 19:07)
ni81:

RAFALISON Mamiarilaza Claudin no anarany fa anarana @ maha mpanakanto azy ny sisa.
Maro ange ny malagasy manana anarana tsy teny malagasy e! ka inona no mahavery anao re lahy? :lol:



Marina fa ahitàna karazana anarana samihafa ny anaran'ny mpanankanto. Misaotra anao ry ni8 manome ny mombamomban'ny anaran'ity artista malagasy nanitikitika ahy. Fa eo indrindra ilay mahavery ahy. Ny hevitro manonkana dia tahaka izao: raha tiana ny hampahafantatra ny momban'ny tena, indrindra eo @ sehatry ny kolon-tsaina, dia ny tenin-drazana no heveriko lafatra indrindra ho entina mampiseho izany, @ lafiny rehetra. Satria amiko dia takelaka hafa mampiseho ny fototra hiaviana ny anarana. Ary ny Malagasy dia manankarena @ mampihavaka azy koa raha afaka mifidy, nahoana no tsy ho aseho ?!
5. fahamarinana ( 03/10/2008 19:14)
:arrow: ka samy manana ny safidiny kosa io ry itara a,tsy efa tsara sy lafatra ve hoe amin'ny teny gasy ilay hira kosa aloha ? Efa fampisehoana ny kolotsaina malagasy izay,hoy aho aloha an,ary efa tenindrazana rahateo ny hira... (l)
6. ni81 ( 03/10/2008 19:18)
Ity angamba no afaka hanazava ny tianao ho fantarina! Mambra ato ihany no nanoratra ity fa saingy @ teny frantsay.

En 1999, il sort un premier album éponyme "Mwandjani", qui veut dire "Ami" en Mahorais. Ce premier opus a connu un succès plutôt mitigé. Ce qui ne fût pas le cas de l'album sorti en 2001 "Malemilemy". Plébiscitée par le public, la chanson phare de l'album, titrée aussi Malemilemy, devient numéro un du hit-parade pendant plusieurs semaines. La particularité de ce morceau réside en un mélange ingénieux de deux styles : le "Ndombolo", et le Salegy, le tout sur un rythme langoureux. Les dix autres morceaux de l'album confirment ce style fusion, où se melangent salegy, malesa, musique africaine, le tout avec une sonorité mahoraise particulière.

Après ce grand succès, il y a également le nouvel opus qui est déjà sorti il y a quelques mois de cela. Un nouvel album composé de 12 morceaux. Toujours fidèle au "style fusion" qui a fait sa renommée, on peut apprécier, en effet, le style "mapouka", originaire de la région Est de l’Afrique, et qui fait un malheur en ce moment dans les discothèques de l'île.

izany hono e.

7. itaramasoandro ( 03/10/2008 19:29)
fahamarinana:





:-o tsy manahy raha tsy mitovy hevitra isika fa jereo fotsiny ry Mahaleo, Erick Manana, Régis Gizavo, sns, fa anarana gasy no nentiny namirampiratana ny maha malagasy azy ivelan'ny Nosy. Gasy mahatsiaro tena ho gasy va re sa tsia izy ireo arakiny fihevitrao ry rafaha a? Gasy ka manja hoy ny fitenintsika tatsy alohaloha. Hatramin'izao dia marina io.
8. ni81 ( 03/10/2008 19:35)
Aleo ry lahy hanambara izay heviny eo ny hafa fa vao hevi-tsika vitsy fotsiny ireo a!
9. hery ( 03/10/2008 20:34)
Erick ve dia teny gasy :-) (Sa misy C koa ny litera gasy)
10. ni81 ( 03/10/2008 20:42)
Erick ve dia teny gasy (Sa misy C koa ny litera gasy)
:lol:
11. fahamarinana ( 03/10/2008 21:33)
:arrow: itovizako hvtr ny voalazan'ny hery ihany koa...izay ilay anarana teneniko ery ambony ery.Mampiova inona amin'ny mahagasy azy kosa e...manja foana kosa aloha na mawdjani na i ramilison...samy mihira amin'ny teny gasy ireo rehetra ireo e :) (l)
12. itaramasoandro ( 04/10/2008 03:30)
Tantatra mitohy hatr@ andromaraina ary ity sa ahoana? :wink: Tsy ny anarana nolovàna t@ ray-aman-dreny ny antonin'ny dinika sy tsetsatsa tsy aritra nambarako teo ampiandohana, fa ny anaran'artista nofidiana hanavaka ny tena @ hafa. Raha tenin-drazana no nofidiana ho entin-mampita vetso, dia anarana mampahatsiahy io tenindrazana io koa no heveriko mifanaraka @.
Fa samy manana ny heviny @ io isika tsirairay, manomboka @ ilay artista RAFALISON Mamiarilaza Claudin, oadray azafady, Toto Mwandjani mantsy ê.
Ka dia misaotra nitafa madinidinika teto @ tranonkala. :D Ary misiha maromaro hatrany ny mpihira fa ny mozika dia tsy ahitana "valamparihampitenenana"na "valamparihampirenena". 8)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0419