Mpamokatra Menaka Ylang Ylang- Nosy Be sy ny hafa.

1. soanja ( 01/10/2008 04:19)
Mbarakaly,
Misy namana eto ve afaka mampifandray ahy amin'ny mpamokatra na mpivarotra na manao asa mifandray amin'ny EO Ylang Ylang ao Nosy Be.
Mpamokatra menaka coco ao Antalaha sy Sambava.
Na mahalala olona te hiara miasa amiko momba ity asa iray ity.
Raha manana tany malalaka ianao ka miala lavitra an'Antananarivo, ka te hamokatra ireo ravina maitso ilaina amin'ny fahasalamana, na tianao hampiasaina ny taninao dia aza misalasala manoratra amiko fa afaka miara miasa isika.


Raha te hifandray amiko mivantana dia manorata any amin'ny hafatra. Misaotra indrindra. Soanja
novalian'i TTiana ny 21/01/2009 19:24
2. fijo ( 01/10/2008 21:27)
tonga soa aloha e
3. soanja ( 02/10/2008 03:54)
Manao ahoana i Fijo,
Elabe tokoa izay. Somary sahirana foana hatramin'izay. Mitselika kely eto azahoana ny mahasoa. Mazotoa amin'izay atao rehetra. Mirary soa indrindra. Soanja
4. ikaretsaka ( 03/10/2008 23:07)
elaela tokoa i zoky soanja tsary tazana an..
ary lasa mibizina an :wink:
5. bonbongasy ( 07/10/2008 17:01)
bonjour Soanja,
efa ela koa zaho no tsy teto fa sendra nandalo dia nahita ny dinikao ka mba te hanontany;

eto Nosy be za zao manoratra izao na dia efa hanainga hiverina any Tanà aza, ka sao dia afaka manampy anao ihany fa inona daholo no mety ilainao fantatra ankoatry ny mpamokatra sy ny mpivarotra? raha hitako dia alefako aminao ihany.

ny tany koa dia mety mahita za à 120km de Tanà, à peu près 200 Ha, fa tsy fantatro raha mety @ilay heritreritrao sy ny projenao ilay izy (pédologie, climat, ...);
afaka atao foana no mijery izay fiaraha miasa possible na tsy izaho directe aza, vonona foana aho ary efa ela no nitady dinika serieux tahaka an'izao

mazotoa

6. bonbongasy ( 29/10/2008 11:40)
tsy namaly intsony enao
tsy serieux indray le resaka!
7. booboo ( 29/10/2008 11:52)
bonbongasy > tonga dia any @ hafatra manokana i Soanja hanoratana ê ! efa nolazainy io ambony io hoe any raha te hifandray aminy. :wink:
8. TTiana ( 21/01/2009 19:24)
ahoana e inona ny vaovao e te hiara miasa fa misy tany 1000ha efa andalana ho azo ami'ny fanjakana ivelan'ny tananarivo
de efa misy tany 1ha any bira raha mety amin'ny voly tianao hatao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1558