Ny famoronana sy ny fivoarana

21. niryna ( 02/10/2008 04:24)
rabilabila:

Manozongozona izay rehetra voalaza fa FAHAMARINANA ny foto-pisainana vohizin'ireny mpandinika ireny , nandiso ny fanambaran'ireo mpitarika fivavahana ny voka-pikarohan'ireny olona ireny ( Copernic izay halan'i Luther mainty , i Galilée izay nomelohin'ny tribunal d'inquisition izay niova anarana taty aoriana :congrégation pour la doctrine de la foi ) ka...ny kardinaly Ratzinger izay lasa lehiben'ny kristianina katolika rehetra eto an-tany no nitantana azy vao tsy ela akory .
ngahhhh :D

Etsy andanin'izany dia hita mivandravandra any USA ny faharomotan'ireo protestanta créationniste mikasika ny fikarohana siantifika indrindra izay rehetra mikasika ny zava-manan'aina ( biologie ) na izay mety ho vinavina mikasika ny fomba niforonan'izao tontolo izao .
izany ve ? hmm ,hitako no mahazo mivady daholo izao olona tsy tokony hivady ao anatin'ny baiboly izao k'ty .....,ary hitako no ampivadiana daholo ny biby samy hafa karazany k'ty ...oops HS fa zava-misy

Ny mpandray anjara eto dia endrika sadasada na mpara-driandrano fotsiny an'ireo créationniste amerikana ireo .
dia mitsara avy hatrany hianao kanefa ny soratra masina dia miteny fa aza mitsara mba tsy ho tsaraina.Tsy afaka hitsara ny hafa aho fa izaho koa aza mbola ho tsaraina .Ny voa hafafiny koa no ahalalana azy na dia tsy manonona anarana aza ny olona iray ohatra ,ny fanahy masina manazava ny olona manana ny fanahy masina raha tsy manana izany ilay olona tsy
ho azony,tsy ho fantany,tsy ho tiany ary ny eritreriny ihany no resahiny fa tsy mahita teny anakinany ny heviny izy ...ooopss

hita eto , fa raha vao critiquer-na ny tsy mpino, @ zavatra hinoany, ny darwinisme izany, izay nasolony ny finoana, dia tsy misy firy ho lazaina.
:D io ilay voalazako ary misy faha
marinana izany dia tsy tiany sy tsy avelany hizara ny tenin'Atra ny hafa fa tonga daholo izao teny anakanana rehetra izao ,indrisy mantsy ...

rabila a! lazao ary ny marina hoe avy aiza ny olombelona e! aiza le chaînon manquant e !
=D
izaho koa mba miandry azy :D


Ny tsy fahafantarana ( tanteraka ) amin'izao fotoana izao ( 1 oktobra 2008 ) ny nihaviana na ny fomba nipoiran'ny zava-manan'aina ...dia mbola mitory ihany koa ny FANAOVANA TSINOTSINONA ireo fikarohana sy ny asan'ireo olona mampiasa saina andro aman'alina izay .
iza no nanome saina azy ireo ,tsy Atra ve ? sa tongatonga ho azy ?
...hany làlana nitondra antsika olombelona hatramin'izao amin'ny FAHALALANA ny zava-misy eny na mbola bitika dia bitika aza izany ( raha ny hevitrin' ny olona tahakan'xxx no narahin'ny olombelona dia mbola ...niaiana tao anatin'ny aizina tanteraka zanak'olombelona ka ...tsy afaka nanoratra eto akory i ...xxx sy ireo créationnistes namany ).
ny olona miaina ao anatin'ny aizina araka ny voasoratra ao anatin'ny tenin'Atra dia ireo izay mihevitra ny fahalalany ary manao an'Atra tsy misy ka mitsambiky, mikimpy ary tsy tafavoakany koa raha resaka fivavahana no hiadiana hevitra satria tsy mino izy ary mbola ao anatin'ny maizina ka raha tonga aza ny mamirapiratra na ny jiro hitsolo azy dia tsy tiany ary tsy anaiky izy satria mbola tia miaina ao anatin'ny maizina .Soa ihany fa naniraka ny olona ATra hizara izany hazavana izany ho an'izay mandray azy.

Inona no nolazaiko teto ?

Diso ny filazana hoe : Avy amin'ny Rajako ny olombelona ,izay fotsiny , tsy misy zavatra hafa .

Farany :fakafakao hoy aho ny famaritana ny atao hoe "siansa" aloha.

izaho tsy miteny velively hoe avy amin'ny rajako ny olona kosa aloha e,nizara ny zava-nisy fotsiny aho ary tsy vao androany no nahenoina izany toe-tsaina izany hoe avy amin'ny rajako hono,hono, ary izaho aloha tsy hanaiky hoe rajako ny razako ....sa hianao manaiky ?
Avy aiza ary ny olona ary iza no namorona azy ireo amin-drabilabila ? Mbola misy ary ireo finoana hafa milaza fa maty ny fianakaviany dia ny fanahin'iny indray no miditra any amin'ny zafikely .ddddd .izay no finoany ary ny tena mahaloza azy dia mihinana ilay maty ry zareo mianakavy ....samy mahalala izany fivavahana izany avy angamba isika fa tsy kristiana velively io . :cry:
Averiko indray fa misaotra an'Atra isika fa tsy misy ataony ho very na ho latsaka tsy hisy andray ny teniny na iray aza ary ankehitriny ny taranak'ireo nino ny fanahin'ny maty mifindra amin'ny taranany aty aoriana ireo dia lasa kristiana ...=D

22. niryna ( 02/10/2008 04:28)
naughtyboy:

ny tiko ambara fotsiny de zao ny fikarohana @ fiforonan'izao tontolo izao de nofeheziny fotoana sy ny tantara ary ny fiandohana arampivavahana dia tsy voafehiny lalanany zao tontolo izao fa samy hafa fiavina reo fanjakana 2 ..
-fanjakany olmbel de ijanona eto antany ihany(na ny vatantsika aza hody vovoka ihany)
-fanjakany lanitra de tsy mijanona fotsiny any andanitra fa mipaka atraty antany ny Heriny ary te izara sombiny @ zany eto sy ny tohiny avy eo
finoako manokana izay de mino aho fa tsy fanamafisana akory oe marina satria tsy za no tompony marina..

misaotra anao nizara


:-* :-*
23. rabilabila ( 02/10/2008 20:19)


raha evolution no resahina dia: de homidé à l'homme inona ary? aiza le chaînon manquant;


1) ny olombelona dia ao anatin'ny sokajin'ny hominidés
2) fa satria ny olona dia tsy avy amin'ny rajako ==> tsy misy ilay lazaina hoe :" chainon manquant" mazava ho azy .
3) Rehefa acquis ilay hoe " l'homme ne descend pas du singe" dia ny tsy fahafenoan'ny" arbre de vie" akory tsy milaza fa tsy mitombona ny théorie.
D'ailleurs ,ireo seham-pikarohana rehetra izay azo avy amin'io théorie io dia tsy hita pesipesenina ary ampiasain'ny olombelona hitsaboana (ary indraindray manasitrana tanteraka ) ny mpiara-belona aminy .

finoako manokana izay de mino aho fa tsy fanamafisana akory oe marina satria tsy za no tompony marina..


Misaotra amin'ilay "hônneteté intellectuelle"
24. ikaretsaka ( 03/10/2008 02:26)


finoako manokana izay de mino aho fa tsy fanamafisana akory oe marina satria tsy za no tompony marina..


Misaotra amin'ilay "hônneteté intellectuelle"


rabila koa ..efa te hiboeka resaka izy fa tsss

25. rakaroka ( 03/10/2008 04:31)
Marina kanjo ny anao Rabila. Toherina tahaka ny inn ny "Siansa" anefa mampiasa izany tahaky ny inn fa tsy nijanona t@ finoana poak'aty raha nahavita azy izany ? :roll: :roll: 8O 8O 8O
26. prime ( 03/10/2008 10:32)
Poak'aty ahoana moa ny finoana rakaroka? 8O

Fa na ny siantifika aza dia manana finoana hahita ny lalina hatrany matoa manao sy mifototra amin'izany ka poak'aty ahoana??? raha tsy manam-pinoana amin'ny fikarohana ataony izy efa ela no niala, sa ts'izany? ka poak'aty ahoana? :wink:
27. naughtyboy ( 03/10/2008 10:57)
rabila > aradalana izany amiko satria, @ mahafinoana arampivavahana azy de ilay Inoanao no mitana ny marina ary izay no antony mahampino ahy,ka izay olona sahy milaza eto fa manana ny marina dia tsy manana finoana izy zay fa manamarintena... :lol:

ika > misy tsy laniny vavoniny razokiny nga ny zv nolazaiko mba azavazavao sy amarino oe reto teny reto sao lasa tsikera tsy marimpototra :D
" rabila koa ..efa te hiboeka resaka izy fa tsss "
28. niryna ( 03/10/2008 22:20)
prime:

Poak'aty ahoana moa ny finoana rakaroka? 8O

Fa na ny siantifika aza dia manana finoana hahita ny lalina hatrany matoa manao sy mifototra amin'izany ka poak'aty ahoana??? raha tsy manam-pinoana amin'ny fikarohana ataony izy efa ela no niala, sa ts'izany? ka poak'aty ahoana? :wink:



:roll: =D =D
29. ikaretsaka ( 04/10/2008 01:31)
dia samy tsy hifanaiky @ maha opoak'aty sy "mifandray vao feno" ny finoana sy ny siansa eto izany nareo ko

noty> ramose mba honety na somary natao indirect kely aza le honesty no deraiko ka..
azon'ny vavoniko soamantsara fa aza matahotra!
izay no nanaovanay hoe misaotra @ "le honnetete intellectuelle"
30. rafitia ( 04/10/2008 04:27)
(l) Tokony ho havahana aloha ny finoana sy ny siansa ry niryna an. Eo @ siansa no ahitana ny fivoarana satria zavatra hita porofo mivaingana no iaingana. ohatra ireny fitaovana ampiasaintsika andavanandro ireny dia ahitana izay FIVOARANA izay (ny kiraro tany @ 10 taona lasa ohatra dia efa endrika hafa aty aoriana ....)
31. naughtyboy ( 05/10/2008 09:39)
o.k ika .. ;-) ny tena isaorana de le Inoana no tena marina..
32. rabilabila ( 06/10/2008 05:39)
naughtyboy:

o.k ika .. ;-) ny tena isaorana de le Inoana no tena marina..


tokony nosoratan'i Naughtyboy hoe :

o.k. Ika.. ;-) ny tena isaoraKO de le InoaKO no tena marina amiko :)


33. ikaretsaka ( 06/10/2008 15:20)
aoka re
34. naughtyboy ( 06/10/2008 16:52)
eny ary fa raisiko io fanitsina io ra mahafaly anao rabila :-D de izay zany :D
35. ikaretsaka ( 06/10/2008 17:22)
isaoraKO foana e :-D
36. tywa68 ( 07/10/2008 09:00)
:lol:
37. coopsal ( 08/10/2008 15:48)
naughtyboy:
-fanjakany lanitra de tsy mijanona fotsiny any andanitra fa mipaka atraty

==> "Tsy misehoseho ny fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra. ... Fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo." [Lioka 17:22-24]
"fa raha ny Fanahin'Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan'Andriamanitra."[Matio 12:28]
"Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana (justice) sy fiadanana (paix) ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina (joie dans le Saint Esprit)"[Romana 14:17]
---> Mibebaha fa akaiky ny fanjakan' Andriamanitra : tsy lavitra ny fanjakan' Andriamanitra, tsy any ambony tsy taka-maso ny fanjakàn' Andriamanitra fa eo akaiky eo! Saingy raha tsy mitodika tanteraka (= mibebaka) amin' Andriamanitra ianao tsy ho tafiditra ao! Ary tsy ho ao am-ponao izany.
38. naughtyboy ( 08/10/2008 16:33)
m'si @ anatra coopsal fa raisina eny ze tandrify ,mampatsiahy ahy ihany fa refa eto amboniny tany de tsy maintsy manota nefa tsy azo ajanona ny ezaka hiova na tsy ho tonga @ lafatra aza :wink:
39. niryna ( 17/10/2008 04:00)
rafitia:

(l) Tokony ho havahana aloha ny finoana sy ny siansa ry niryna an. Eo @ siansa no ahitana ny fivoarana satria zavatra hita porofo mivaingana no iaingana. ohatra ireny fitaovana ampiasaintsika andavanandro ireny dia ahitana izay FIVOARANA izay (ny kiraro tany @ 10 taona lasa ohatra dia efa endrika hafa aty aoriana ....)

efa voalaza ary aloha be ary io fanavaha azy io rafitia :D ,misaotra e

:-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0079