Ity misy olona mitaraina mafy any dago.

1. kalm ( 28/09/2008 09:56)
Antso vonjy ho an'ny mpiray tanindrazana

Lucy (25.08.2008 09:34):
Izaho dia vehivavy 30 taona, manambady ary manan-janaka roalahy kely izay 8 sy 3 taona izahay. Eto Antananarivo izahay no mipetraka.
Efa nandritra ny taona elaela ihany no narary ny vadiko (manao crise-na épilepsie). Teo amin'ny 4-taona teo anefa dia niha-natetika loatra ilay crise ary tsy tanan'ny fanafody mihintsy. Nankany @ Dr izahay ary nasain'ny Dr nanao EEG sy analyse. Normale ny EEG fa ny analyse no nampiseho fa misy toxoplasmose izy ka voalazan'ny Dr fa io ny cause-n'ny crise ka tsy maintsy traiter-na. Nandritra ny 1 taona sy tapany teo ho eo izy no nanaraka traitement an'ilay parasite, kanefa dia tsy nisy fiatsarany fa toa mainka aza miha-matetika ilay crise.
Teo amin'ny roa taona latsaka teo izay dia nitaraina narary an-doha mafy foana izy, dia nolazain'ny Dr fa migraine indray, dia nohanina daholo izao fanafody rehetra izao ( migrétil, doliprane, efferalgan sns... )fa dia tsy nisy vokany. Tamin'ny herintaona ary nanomboka teo amin'ny volana Mars teo dia tena lasa plus intense ny aretin'andohany ary rehefa avy manao crise d'épilepsie izy dia lasa mandoa be no tena tsy tafa-tsangana mihintsy mandritra ny roa andro. Niha-nivilana ny masony avia ary niha-tsy nahita izy. nanatona homéopathe izahay ary nolazainy fa misy nerf mifanindry ka izay no mahatonga izany, dia nanao traitement sy nanaraka massage tao indray. Tsy nisy vokany daholo izany, farany sendra nihaona t@ Dr namana aho ary izy no avy hatrany dia nilaza fa mila manao scanner maika dia maika ny vadiko. T@ mois d'octobre no vita ny scanner satria tsy mora ny frais-n'ny scanner aty ( 1million .300 ). Nivaly ny scanner ary teo no hita fa voan'ny tumeur cérébrale izy ary efa lehibe tokoa satria efa 6 Cm ilay izy ka manery mafy ny ati-dohany. Tsy maintsy natao haingana ny fandidiana izay marihiko fa tena nila vola be tokoa ( 4 millions teo no tsy maintsy notadiavina ) ankoatry ny fanampiana nomen'ilay Dr namana ahy. Vita ary ny opération ny 18 octobre 2007 ka voalaza fa macroscopiquement dia ablation totale - afaka tanteraka ilay tumeur fa dia manao contrôle sy suivi any @ Neurologue sisa. nanomboka t@ volana Février anefa dia toa niverina ilay narary an-doha be fa tsy nisy crise intsony aloha. Nandoha sy niha-nivilana indray ny masony. Nasain'ny Dr nanao scanner indray, t@ volana Avril vao vita ny scanner ary dia hita fa nanao récidive sahady ilay tumeur ary tena mitombo be tokoa ilay izy ka tsy maintsy esorina haingana, araka ny voalazako dia tena mila vola be ilay nanao opération ka t@ 29 mai vao vita ny opération. mbola exerèse totale ihany saingy indrisy nivaly ny Anapath ka ratsy tokoa satria voan'ny Cancer de cerveau ny vadiko ( Glioblastome ). Tsy maintsy arahina chimio sy radiothérapie izany. Ny Cobalt ao @ HJRA anefa h@zao dia en-panne. Kanefa dia ilaina maika ilay radiothérapie mba hi-isoler-na ilay glio tsy hitombo sy tsy hiparitaka.
Marihiko fa ny vadiko dia efa teo @ 4-taona teo izay no efa tsy afa-niasa intsony ka izaho irery no miandraikitra ny famelomana ny ankohonanay.
Izaho simple secrétaire @ tranombarotra iray eto tanà ka kely ny karamako zara raha mahatojo ny besoin quotidien anay 4-mianaka kely akory.
Tsy hitako intsony ny hevitra satria efa tsy misy azo sarangotina intsony izahay ahafahana manao ilay radiothérapie any @ privé, eny fa na dia ao amin'ny HJRA aza dia mbola lafo koa ny frais fa mbola tsy nilaza aloha ny Dr hoe eo @ ohatrinona eo.
Koa manao antso avo aminareo mpiray tanindrazana aho mba hanampy ahy amin'ny fitsaboana ny vadiko.
Miangavy sy mitalaho amin-dranomaso aminareo izay mamaky ity olako ity tompoko mba hanampy na hanome hevitra ahy fa tena maika ary tena atahorana ny hiparitahan'ilay aretina haingana loatra raha tsy voavonjin'ilay radio sy chimio izy.
Koa misaotra anareo mialoha aho.
MISAOTRA TOMPOKO
...Hitako @ site hafa io de nalefako eto @ serasera, tena mampalaheloha aloha le ramatoa e.

novalian'i endrika01 ny 15/10/2008 12:13
2. xxx ( 28/09/2008 13:56)
aiza ny adresse na mail na phone ahazahoana an'io olona io ?
3. kalm ( 28/09/2008 15:52)
ny adresiny aloha toa tsy napetrany fa zah mampita fotsiny.
http://tianamix.free.fr/petitesannonces/divers/index.php?action=view&topicid=39
4. ikalamako ( 28/09/2008 21:14)
ary ilay taratasy efa tamin'ny volana aout. Fa misy adiresiny ihany raha cliquer-na ilay anarany hoe lucy io.
Ilay site toa tsy namoaka tohin'ilay tantara intsony. Mahonena ny mahazo azy.
5. xxx ( 30/09/2008 08:46)
be anie ny oul marary fa tsy afa mitsabo tena ara dalana e, tsy oe manamaivana ny aretiny ah, fa jereo reny @hopital public reny, ny fanafody na d tsindrona 1 sy boite mpanafody1 aza tsy voavidy d maty² oazy eo dolo
6. endrika01 ( 02/10/2008 12:21)
kalm:

Antso vonjy ho an'ny mpiray tanindrazana

Lucy (25.08.2008 09:34):
Izaho dia vehivavy 30 taona, manambady ary manan-janaka roalahy kely izay 8 sy 3 taona izahay. Eto Antananarivo izahay no mipetraka.
Efa nandritra ny taona elaela ihany no narary ny vadiko (manao crise-na épilepsie). Teo amin'ny 4-taona teo anefa dia niha-natetika loatra ilay crise ary tsy tanan'ny fanafody mihintsy. Nankany @ Dr izahay ary nasain'ny Dr nanao EEG sy analyse. Normale ny EEG fa ny analyse no nampiseho fa misy toxoplasmose izy ka voalazan'ny Dr fa io ny cause-n'ny crise ka tsy maintsy traiter-na. Nandritra ny 1 taona sy tapany teo ho eo izy no nanaraka traitement an'ilay parasite, kanefa dia tsy nisy fiatsarany fa toa mainka aza miha-matetika ilay crise.
Teo amin'ny roa taona latsaka teo izay dia nitaraina narary an-doha mafy foana izy, dia nolazain'ny Dr fa migraine indray, dia nohanina daholo izao fanafody rehetra izao ( migrétil, doliprane, efferalgan sns... )fa dia tsy nisy vokany. Tamin'ny herintaona ary nanomboka teo amin'ny volana Mars teo dia tena lasa plus intense ny aretin'andohany ary rehefa avy manao crise d'épilepsie izy dia lasa mandoa be no tena tsy tafa-tsangana mihintsy mandritra ny roa andro. Niha-nivilana ny masony avia ary niha-tsy nahita izy. nanatona homéopathe izahay ary nolazainy fa misy nerf mifanindry ka izay no mahatonga izany, dia nanao traitement sy nanaraka massage tao indray. Tsy nisy vokany daholo izany, farany sendra nihaona t@ Dr namana aho ary izy no avy hatrany dia nilaza fa mila manao scanner maika dia maika ny vadiko. T@ mois d'octobre no vita ny scanner satria tsy mora ny frais-n'ny scanner aty ( 1million .300 ). Nivaly ny scanner ary teo no hita fa voan'ny tumeur cérébrale izy ary efa lehibe tokoa satria efa 6 Cm ilay izy ka manery mafy ny ati-dohany. Tsy maintsy natao haingana ny fandidiana izay marihiko fa tena nila vola be tokoa ( 4 millions teo no tsy maintsy notadiavina ) ankoatry ny fanampiana nomen'ilay Dr namana ahy. Vita ary ny opération ny 18 octobre 2007 ka voalaza fa macroscopiquement dia ablation totale - afaka tanteraka ilay tumeur fa dia manao contrôle sy suivi any @ Neurologue sisa. nanomboka t@ volana Février anefa dia toa niverina ilay narary an-doha be fa tsy nisy crise intsony aloha. Nandoha sy niha-nivilana indray ny masony. Nasain'ny Dr nanao scanner indray, t@ volana Avril vao vita ny scanner ary dia hita fa nanao récidive sahady ilay tumeur ary tena mitombo be tokoa ilay izy ka tsy maintsy esorina haingana, araka ny voalazako dia tena mila vola be ilay nanao opération ka t@ 29 mai vao vita ny opération. mbola exerèse totale ihany saingy indrisy nivaly ny Anapath ka ratsy tokoa satria voan'ny Cancer de cerveau ny vadiko ( Glioblastome ). Tsy maintsy arahina chimio sy radiothérapie izany. Ny Cobalt ao @ HJRA anefa h@zao dia en-panne. Kanefa dia ilaina maika ilay radiothérapie mba hi-isoler-na ilay glio tsy hitombo sy tsy hiparitaka.
Marihiko fa ny vadiko dia efa teo @ 4-taona teo izay no efa tsy afa-niasa intsony ka izaho irery no miandraikitra ny famelomana ny ankohonanay.
Izaho simple secrétaire @ tranombarotra iray eto tanà ka kely ny karamako zara raha mahatojo ny besoin quotidien anay 4-mianaka kely akory.
Tsy hitako intsony ny hevitra satria efa tsy misy azo sarangotina intsony izahay ahafahana manao ilay radiothérapie any @ privé, eny fa na dia ao amin'ny HJRA aza dia mbola lafo koa ny frais fa mbola tsy nilaza aloha ny Dr hoe eo @ ohatrinona eo.
Koa manao antso avo aminareo mpiray tanindrazana aho mba hanampy ahy amin'ny fitsaboana ny vadiko.
Miangavy sy mitalaho amin-dranomaso aminareo izay mamaky ity olako ity tompoko mba hanampy na hanome hevitra ahy fa tena maika ary tena atahorana ny hiparitahan'ilay aretina haingana loatra raha tsy voavonjin'ilay radio sy chimio izy.
Koa misaotra anareo mialoha aho.
MISAOTRA TOMPOKO
...Hitako @ site hafa io de nalefako eto @ serasera, tena mampalaheloha aloha le ramatoa e.

Mampalahelo tokou le cas mahazo ny vadiny.Mety sahirana izy de tsy afaka niditra site intsony,fa ny manontany ny Dr eny an-toerana efa voalaza etsy ambony no solution.
7. adidy ( 11/10/2008 09:25)
Nanao sujet roa izy, ny iray ao @ forum fitiavana, "SOS" , Lucy! Efa mandeha be ny resaka!Mbola mila ny fanampiantsika rehetra izy !Ny tena ilaina izao dia soit managona vola @ EVASAN, soit sao misy mahafantara olona ao @ ministeran'ny fahasalamana mba ho lasa aide d'état ilay izy!
Fantatro koa fa ato amintsika serasera dia nisy ny nanolo-tena hiandraikitra ny sosialy, ka tsy haiko hoe inona ny hetsika azontsika hatao hanampiana zay! Ny eritreritra mahatondra-drano hoy ny fitenenana!
8. endrika01 ( 15/10/2008 12:13)
adidy:

Sambatra izay manomé e ,dia mivavaka hoazy ireo. :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1324