Ho nisy ve ny kristianisma raha tsy nisy ny fanjanahantany?

21. fijo ( 02/10/2008 21:54)
prime hita mazava kosa fa olona mora nahodindoha no lasa kristianina voalohany teto mada.i ranavalona izao mafy loha ngaha azony??????

raha hoe ny olona nirahan'andriamanitra,dia mpanjanaka koa izany andriamanitra,satria ireo misionera ireo,dia nalefa hialoha ny fanjanahantany,ary ny tanjona dia ny hamono ny kolotsain'ny tany hozanahana.

22. rabilabila ( 03/10/2008 05:17)
Mba misy afaka mitantara ny irak'andriamanitra tamin'i Moizy sy Josoa ve ?
23. prime ( 03/10/2008 10:11)
fijo:
prime hita mazava kosa fa olona mora nahodindoha no lasa kristianina voalohany teto mada.i ranavalona izao mafy loha ngaha azony??????
... fijo koa izany izao mafy loha dia tsy azony? :lol:

Tsy resaka mafy loha sy mora ahodina r'ise ny fibebahana na tsia fa asan'Andriamanitra fa anjaran'ny tsirairay ny mandray na tsia a... nisy mafy loha noho i Mosesy va tamin'ny fotoan'androny? fa rehefa nihaona tamin'Andriamanitra dia niova ihany... nisy mafy loha noho i Paoly Apostoly (Saoly Fariseo, mpampianatra tany Atena, filozofa, mpanenjika ary mpamono ny kristiana mihitsy aza) va tamin'ny fotoan'androny? fa rehefa nihaona tamin'i Jesosy dia niova ihany... ka tsy resaka mora ahodina fa rehefa mihaona amin'ny Tompo ianao dia ho tsapanao ny mahaIzy Azy... (irariako rahateo izany)
fijo:
raha hoe ny olona nirahan'andriamanitra,dia mpanjanaka koa izany andriamanitra,satria ireo misionera ireo,dia nalefa hialoha ny fanjanahantany,ary ny tanjona dia ny hamono ny kolotsain'ny tany hozanahana.
... Hevitra nafafy izany tamin'ny fotoan'andro rehefa hita fa tsy voatazona intsony ny filazantsara ka tonga babon'ny fitiavan'i Kristy ny vahoaka...
rabila:
Mba misy afaka mitantara ny irak'andriamanitra tamin'i Moizy sy Josoa ve ?
... Raha ny fampanantenàna honina ao Kanàna no tianao ahatongavana dia izay no nampanantenain'i Jehovah ny Zanak'Israely... kanefa efa nisy nonina tao Kanàna ary nanana andriamaninkafa ny mponina ka tonga fahavalon'Andriamanitra... ka nanehoany rahateo fa Izy no Andriamanitry ny andriamanitra rehetra, Tompon'ny Tompo, nanehoany ny fahatanterahan'ny faminaniana sy ny teny fampanantenana nataony... ka iza no hahatohitra Azy?

Ny tena Misiona nanirahan'Andriamanitra an'i Mosesy dia ny fanafahana tamin'ny fanandevozana sy ny vahoan'ny hery mamatotra eto amin'izao tontolo izao ny olom-boafidy sy ny taranaka voafidy... ny an'i Josoa dia ny hanampy an'i Mosesy hahatanterahan'izany amin'ny fitarihan-tafika ary hitondra ny olon'afaka ho any amin'ny tany nampanantenain'i Jehovah ny vahoakany...

Raha ny hitsara ny hevitra sy ny faminaniana ary ny tenin'Andriamanitra no tianao ahatongavana satria hoe nanjanaka ny tany Kanàna ny Zanak'Israely dia mifandrohy indrindra amin'ilay fototra manao hoe : Andriamanitra no Tompon'ny zavatra rehetra na ny nohariana na tsia, na ny any andanitra na ny ety antany... ka iza no hahasakana Azy?

Raha tsy ho azonao izay dia tsy ho azonao na oviana na oviana ny mahaIzy Azy... (zava-misy sy "faits" koa izany fa tsy "jugement de valeurs") :)
24. coopsal ( 03/10/2008 10:31)
rabilabila:
Mba misy afaka mitantara ny irak'andriamanitra tamin'i Moizy sy Josoa ve ?

==> Inty misy sombiny kely hita ao @ [Nomery 13:17-20]
17 Ary Mosesy naniraka ireo hisafo ny tany Kanana ka nanao taminy hoe: Miakara aty amin'ny tany atsimo hianareo, ka miakara ho any amin'ny tany havoana;

18 dia izahao izay toetry ny tany sy ny olona monina any, na mahery, na osa, na vitsy, na maro;

19 ary izay toetry ny tany itoerany, na tsara, na ratsy; ary ny toetry ny tanàna izay itoerany, na ao an-day, na ao an-tanàna mimanda;

20 ary ny toetry ny tany, na lonaka, na màzana, na misy hazo eo, na tsia; ary mahereza hianareo, ka itondray vokatry ny tany. Ary ny andro fahizany dia fahamasahan'ny voaloboka mialintaona.
25. coopsal ( 03/10/2008 10:44)
Ireto aloha misy fanamarihana :

1- Holazaiko araka izay ambaran'ny baiboly fotsiny aloha ny tantara (tsy milaza hoe marina sa tsy marina izany, fa mampita ny fanambarana fotsiny aho).

2- Indraindray aho hampiasa voambolana vahiny, izay inoako fa azonareo rehetra tsara rehefa hitako fa mahazava kokoa ny tiana ambara noho ny tenindrazantsika izany.

3- Ny fampitahorana na fampanantenana : ny réaction hendry indrindra dia ny maka antoka aloha hoe "marina io zavatra io sa diso"! Ka any @ farany dia holazaiko ny hevitro mba hahafantaranao na marina na diso izany.
26. fahamarinana ( 03/10/2008 10:52)
:arrow: eny aryyy,haka toerana aho coopsal fa mbola ho lavalava ity resaka ity. :) (l)
27. coopsal ( 03/10/2008 11:30)
[center]FANAZAVANA NY TANTARA[/center]
*- Ny andininy 17->20a dia somary mahagaga ihany, raha dinihina @ tena fahitsiana
Satria efa fampanantenan' Andriamanitra ireto :
1- Ny hampandova ny taranak'Israely an'io tany izay ...
2- ... tondra-dronono sy tantely io

1- Efa nampanantena Andriamanitra, ka moa ve mety ho ilaina ny hamantarana raha forteresse ny any na koa hoe mahery ve ny olona any (izay mibahana ny toerana)?
2- Efa niteny Andriamanitra hoe "tany tondra-dronono sy tantely" koa nahoana no mbola tsirihina hoe misy vokatra any sa tsia?
Saingy efa fantatr' Andriamanitra mialoha ny valin'ireo fanontaniana ireo. Ary ambaran'i Mosesy eo amin'ny andininy 20b izany :
1 -ary mahereza hianareo, : azo antoka fa mahery izany ny mponina any na mandrapahatonga any, ary tsy ho mora ny dia!
2 - ka itondray vokatry ny tany : eto manambara fa mahavokatra any. Fa sady manambara koa fa azo antoka fa ho tafaverina ireo nirahina hitsilo ny lalana mialoha ireo, ary tsy hiverina maina fa hitondra vokatra mba ho porofo @ olona izany rehetra izany fa marina ny fampanantenana nomen' Andriamanitra! Ary hinoany koa, fa i Mosesy tokoa no nirahin' Andriamanitra, ka izay hambaran'i Mosesy dia azo antoka fa avy amin' Andriamanitra, izany hoe izay olona tondroin'i Mosesy hitarika avy eo koa, dia henoina tahaka izay nihainoana an'i Mosesy mihitsy.

NB : I Mosesy nolazain' Andriamanitra fa tsy afaka hiditra ny Kanaana, koa tsy maintsy nanondro lehilahy anakiray izy, ary ny notondroiny dia ilay zanak'i Nona antsoina hoe "Hosea", fa nataony hoe "Josoa" ny anarany.
28. naughtyboy ( 03/10/2008 11:56)
ozy fijo
" hita mazava kosa fa olona mora nahodindoha no lasa kristianina voalohany teto mada.i ranavalona izao mafy loha ngaha azony?????? "
io kosa aloha de tsy inoako,ra mora2 toy izany ny fanasana loha reo kristianina de
mora mivadika izany ra tonga ny fanenjehana(efa nisy aza reo nivadika...)satria nivoaka ny lalana nampamono sy nanitsakitsaka ny zo mahaolona ny mpino(fangalarana ny fananany,fampietrena ny sarangany,famonoana imasombahoaka/tangena sy ny fandorana teny mahamasina,nazera teny ampamarinana sns..)mihatra aman'aina izany no dikany,fampidirana finoana nefa izany fa tsy fanovana kolotsaina,reo teo aloha mintsiny no miteny mamy ny miaina ,ra ho faty aho matesa rahavana satria sarotahotra @ fahafatesana toy ny rehetra ny malagasy...matoa zany imatesany reo mpino ny finoany t@ zany de satria ny ts1/1 no nahatsapa ny heriny finoany tsy ho voasakany fahafatesana fa tafalatsaka any @ fanahy mahaolona
29. coopsal ( 03/10/2008 16:01)
[center]HEVITRA AMBARAN'NY TANTARA[/center]
1- Hadinon'ny olona foana fa "Andriamanitra dia Fanahy" fa tsy nofo! Ary satria namboarin' Andriamanitra hitovy endrika amiNy ny olona, dia tsy ilay endriky ny nofo akory izany, fa ilay endri-(na toe-)panahy.

2- Ny zavatra niainan'ny zanak'Israely tamin'ny ara-nofo dia "illustration" ny zavatra hiainan'ireo zanak' Andriamanitra @ ara-panahy.

3- Ilay tantara teo : Na dia efa niteny aza Andriamanitra fa tsy maintsy ho azon'ireto voafidiNy ireto ny tany, izay nolazaiNy foana fa tena mamokatra be, dia fantany ihany ny olona ka nanedry olona vitsivitsy Izy, izay lohany teo amin'ny fiangonana hahita mialoha an'izany, mba hinoan'ny fiangonana ka tsy hi abandonne izy ireo.
Toy izany nifidianan' Andriamanitra olona nampisehoaNy mialoha ny Paradisa (ny Apostoly izany), ireny olona ireny dia tsy maintsy nahery (nino) ary nitondra vokatra avy ao amin'ilay Paradisa mba ho échantillon ho an'ny Fiangonan'i Kristy, mba tsy ho kivy izy ireo, fa hino an'ilay Mpaniraka ary hankato izay nirahina.
Andriamanitra naniraka an'i Kristy
Kristy naniraka ny Mpianatra, ary voalohany ny Apostoly.
Ny Fiangonana kosa rehefa mahita izany vokatra izany, sy izay ambaran'ireo Apostoly, dia hahazo hery mba tsy ho kivy na dia mbola tsy hay aza ny dia! Fa hanohy hatoky an' Andriamanitra ka hankato izay nirahiny.

4- Mosesy sy Josoa : maneho an'i Kristy nofo (Mosesy) sy Kristy Fanahy (Josoa)
Mosesy : Tahaka ny nahafatesan'i Mosesy mialoha ny hidirana tao @ tany Kanaana no nahafatesan'ilay nofon'i Kristy teo ambony hazo fijaliana, mialoha ny nahatongavan'ny fanjakàn'ny lanitra, ary mialoha ny hidiran'ny mpino tanteraka @ izany Paradisa izany. Satria ny nofo aman-drà tsy mahazo mandova ny fanjakàn'ny lanitra
Josoa : anarana midika hoe "YHWH Mpamonjy", dia anaran'i Jesoa. Nomen'i Mosesy io anarana io ilay ho mpitarika ny zanak'Israely ho ao @ tany nampanantenaina. Toy izany, mialoha ny tsy maintsy hijalian'ny nofony sy hahafatesany Kristy dia nilaza tamin'ny mpianany ny amin'ilay hitarika azy ireo ho amin'ny fahamarinana rehetra, Mpampianatra, Mpisolovava, Mpampahery : Ny fanahin'i (Jesoa)Kristy, na ny Fanahy Masina, (fa Kristy no ilay masin' Andriamanitra), dia ny Fanahin'ny fahamarinana (fa Kristy no Fahamarinana).
30. ikaretsaka ( 03/10/2008 22:53)
coopsal:

Ireto aloha misy fanamarihana :

1- Holazaiko araka izay ambaran'ny baiboly fotsiny aloha ny tantara (tsy milaza hoe marina sa tsy marina izany, fa mampita ny fanambarana fotsiny aho).

2- Indraindray aho hampiasa voambolana vahiny, izay inoako fa azonareo rehetra tsara rehefa hitako fa mahazava kokoa ny tiana ambara noho ny tenindrazantsika izany.

3- Ny fampitahorana na fampanantenana : ny réaction hendry indrindra dia ny maka antoka aloha hoe "marina io zavatra io sa diso"! Ka any @ farany dia holazaiko ny hevitro mba hahafantaranao na marina na diso izany.


1_ fa i coopsal angaha fakitera sa inona
2-" nihil est" hoy ny mpiteny latinina!
3-tsy contraire ve ny fampitahorana sy ny fampanantenana? ohatran'ny heo vonoiko enao de kendaiko de ataoko homan'ny fatiny an..de rehefa maty dia hoe ka enao nge tiako e! tssssssss
http://www.dailymotion.com/relevance/search/carlin/video/xanak_george-carlin-on-religion_extreme
31. tywa68 ( 07/10/2008 09:19)
coopsal : tsy nizara ttsy intsony angaha fa grevy anio ? :lol:
32. fahamarinana ( 07/10/2008 09:49)
:arrow: tywa sy ika maditra an :) (l)
33. prime ( 07/10/2008 10:29)
ikaretsaka> Tsy ilay famonoana no tonga voalohany fa ilay fanoherana... :)
34. tywa68 ( 07/10/2008 13:33)
fahamarinana:

:arrow: eny aryyy,haka toerana aho coopsal fa mbola ho lavalava ity resaka ity. :) (l)

njy koa niara-nihinanana popcorn niaraka taminay teo koa maditra ahoana aza :lol: :lol:

35. fahamarinana ( 07/10/2008 14:10)
:arrow: zà efa tafavoaka kouh.. :-P (l)
36. tywa68 ( 07/10/2008 14:24)
efa azoko mihitsy hoe i coopsal no narahinjy tato e ! andraso anie fa hiverina eo izy rhf vita ny ttsiny e :lol:
37. fahamarinana ( 07/10/2008 14:26)
:arrow: ho bedy sy voasivana eto no farany... :wink: (l)
38. tywa68 ( 07/10/2008 14:40)
poy ! tsy misy mibedy zany eto :lol: Tsiky d ampy !
39. fijo ( 07/10/2008 21:25)
ngaha misy sahafa koa ato???
40. fahamarinana ( 08/10/2008 04:10)
:arrow: fijo : :-P :) (l)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0333