Fanovana ny Fampianarana: Misavoritaka

1. zandikely ( 24/09/2008 21:29)

Efa nandeha teto foana ity resaka ity fa tsy maintsy hiverenana kely iany.
Tena tsy azoko mihitsy ny fomba entina nampiarana azy raha tsy maintsy atao iany ilay . Zaho nihevitra fa ny ankizy vao nampidirina hianatra tamin'ity septembre 2008 ity no tokony hanomboka ny fianarana EPP fito fa tsy ireo ankizy efa eo ampanarahana ny rafitra taloha. Amin'izay mantsy dia miditra tsikelikely ny fanarahana ny rafitra vaovao.
Tsy mahagaga raha misavoritaka, samy sahirana na ny ankizy na ny Mpampianatra na ny Ray Amandreny.
novalian'i endrika01 ny 16/10/2008 01:01
2. Angolaina ( 25/09/2008 12:44)
Raha hiverina h@ mpianatra vao hiditra hianatra no hampiharana io rafitra vaovao io dia afaka fito taona zany vao tokony hampiharina izy io raha araka izany hevitra lazainao izany nefa nanomboka t@ 2005 io rafitra io no novolavolaina fa izao no fotoana nahamasaka azy ka hampiharana azy, tsy mora ny manomana zavatra ary vao eto am-panombohana isika izao, rariny raha mbola misavoritaka aloha izao ny rehetra satria vao fanombohana izy io nefa tsy tokony hatao hanakorontanan-tsaina izany. Mipetraka foana ilay hoe manaovao satria izany no marina nefa ho hitantsika eo fa tsy ho ela dia efa mahay mampihatra an'io daholo ny rehetra. Raha misy fanazavana tiana ho fantatra dia afaka miantso ny numero vert 080786 na 020308078, na mitsidika ihany koa ny tranokala http://www.sekoly-vaovao.net
3. sff ( 26/09/2008 01:36)
Misaotra betsaka an'i Angolaina tamin'ilay rohy.

Fa hono hoy aho, misy rohy afaka ahitana ny programam-pampianarana ve? Efa nijerijery ihany aho tao fa tsy hitako. Momba ilay fanavaozana no tena ao amin'ilay site.

Misaotra
4. sff ( 26/09/2008 01:42)
zandikely:

Efa nandeha teto foana ity resaka ity fa tsy maintsy hiverenana kely iany.
Tena tsy azoko mihitsy ny fomba entina nampiarana azy raha tsy maintsy atao iany ilay . Zaho nihevitra fa ny ankizy vao nampidirina hianatra tamin'ity septembre 2008 ity no tokony hanomboka ny fianarana EPP fito fa tsy ireo ankizy efa eo ampanarahana ny rafitra taloha. Amin'izay mantsy dia miditra tsikelikely ny fanarahana ny rafitra vaovao.
Tsy mahagaga raha misavoritaka, samy sahirana na ny ankizy na ny Mpampianatra na ny Ray Amandreny.

Izaho aloha tsy dia mahalala ny momba ilay izy fa saingy hitako mitombona ilay fandinihan'i zandikely. Somary tsy azoko ny tian'i Angolaina tenenina amin'ilay hoe afaka 7 taona indray vao manomboka raha ny mpianatra vaovao no manomboka azy izao.
Ekena fa tsy maintsy misy ny fikorotanana rehefa misy fanovana iray, fa kosa ilay programa teo aloha koa ange tsy dia ratsy manao ahoana e. Koa tsy aleo ve atomboka fa tsy ovaina eny ampandehanana?

5. Nav ( 04/10/2008 15:30)
Lohahevitra 2 no aroso eto:
1 Ny voalaza hatramin'izao dia fanambarana tanjona no hita: ny fanatanteraha dia hiankina amin'ny vola atokana amin'izany: hoatrinona? Izany hoe ampahafirin'ny Harainkarena Faobe (PIB) ao amin'ny Tetibolam-panjakana? Raha tsy diso aho dia eo 2,4% - 3% ny antsika eto Madagasikara izao. Tsy ampy izany fa tokony hiakatra any amin'ny 4 na 5% ary tokony hitohy maharitra mandritry ny 5-10 taona sy manaraka.
Ny ahiana dia hitovy tamin'ny Fanavaozana ny Rafi-pampianarana tamin'ny Repoblika II (Ratsiraka). Ny voalaza tao anaty Boky Mena tsy ratsy saingy ny vola no tsy ampy betsaka ary nikatso no niafarany. Inona no tena hitranga rahampitso?
2 Ny fanakianana lehibe arosoko eto dia momba ny teny enti-mampianatra: ny teny enti-mampianatra dia mbola mijanona ho teny frantsay ao amin'ny T6 sy ny taona manaraka rehetra eo amin'ny taranja siantifika: matematika, fizika . . .: izany hoe ny teny frantsay izany no teny enti-mampianatra hatrany amin'ny T12 (Baccalauréat) sy eny amin'ny Universite. Ireo taranja siantifika ireo anefa no tena herin'ny fampianarana, herin'ny fampianarana teknolojia, mitarika ho any amin'ny famoronana taozavatra sy indostria (Jereo Japon, Vietnam, . . .).
Tsy fampianarana miorina amin'ny teny malagasy io fampianarana io fa fampianarana miorina amin'ny teny frantsay, mitovy amin'ny teo aloha, mitovy amin'ny fampianarana tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany. AZO ANTOKA FA TSY HAHOMBY IO HO AN'NY FIRENENA MALAGASY LAVITRA EZAKA.
6. tsidina ( 13/10/2008 18:57)
Amiko manokana dia tsy tokony natao ho 7taona zany ny rafimpianarana any madagascar, tsy mety zany.
Raha hanao fanatsarana ihany koa ve ,manino moa raha ovaina @ teny ANGLAIS, daholo koa ny fiteny ampiasaina any ampianarana? satri betsaka tokoa ny mpianatra gasy mahita faisana eo @ langue io, eny tsy ratsy ny teny frantsay saingy io ANGLAIS io no INTERNATIONAL.
Misaotra zay mamaky.
7. tsiambaratelo ( 16/10/2008 00:54)
Nav:

Lohahevitra 2 no aroso eto:
1 Ny voalaza hatramin'izao dia fanambarana tanjona no hita: ny fanatanteraha dia hiankina amin'ny vola atokana amin'izany: hoatrinona? Izany hoe ampahafirin'ny Harainkarena Faobe (PIB) ao amin'ny Tetibolam-panjakana? Raha tsy diso aho dia eo 2,4% - 3% ny antsika eto Madagasikara izao. Tsy ampy izany fa tokony hiakatra any amin'ny 4 na 5% ary tokony hitohy maharitra mandritry ny 5-10 taona sy manaraka.
Ny ahiana dia hitovy tamin'ny Fanavaozana ny Rafi-pampianarana tamin'ny Repoblika II (Ratsiraka). Ny voalaza tao anaty Boky Mena tsy ratsy saingy ny vola no tsy ampy betsaka ary nikatso no niafarany. Inona no tena hitranga rahampitso?
2 Ny fanakianana lehibe arosoko eto dia momba ny teny enti-mampianatra: ny teny enti-mampianatra dia mbola mijanona ho teny frantsay ao amin'ny T6 sy ny taona manaraka rehetra eo amin'ny taranja siantifika: matematika, fizika . . .: izany hoe ny teny frantsay izany no teny enti-mampianatra hatrany amin'ny T12 (Baccalauréat) sy eny amin'ny Universite. Ireo taranja siantifika ireo anefa no tena herin'ny fampianarana, herin'ny fampianarana teknolojia, mitarika ho any amin'ny famoronana taozavatra sy indostria (Jereo Japon, Vietnam, . . .).
Tsy fampianarana miorina amin'ny teny malagasy io fampianarana io fa fampianarana miorina amin'ny teny frantsay, mitovy amin'ny teo aloha, mitovy amin'ny fampianarana tamin'ny andron'ny fanjanahan-tany. AZO ANTOKA FA TSY HAHOMBY IO HO AN'NY FIRENENA MALAGASY LAVITRA EZAKA.

8. endrika01 ( 16/10/2008 01:01)
Lohahevitra 2 no aroso eto: 1 Ny voalaza hatramin\'izao dia fanambarana tanjona no hita: ny fanatanteraha dia hiankina amin\'ny vola atokana amin\'izany: hoatrinona? Izany hoe ampahafirin\'ny Harainkarena Faobe (PIB) ao amin\'ny Tetibolam-panjakana? Raha tsy diso aho dia eo 2,4% - 3% ny antsika eto Madagasikara izao. Tsy ampy izany fa tokony hiakatra any amin\'ny 4 na 5% ary tokony hitohy maharitra mandritry ny 5-10 taona sy manaraka. Ny ahiana dia hitovy tamin\'ny Fanavaozana ny Rafi-pampianarana tamin\'ny Repoblika II (Ratsiraka). Ny voalaza tao anaty Boky Mena tsy ratsy saingy ny vola no tsy ampy betsaka ary nikatso no niafarany. Inona no tena hitranga rahampitso? 2 Ny fanakianana lehibe arosoko eto dia momba ny teny enti-mampianatra: ny teny enti-mampianatra dia mbola mijanona ho teny frantsay ao amin\'ny T6 sy ny taona manaraka rehetra eo amin\'ny taranja siantifika: matematika, fizika . . .: izany hoe ny teny frantsay izany no teny enti-mampianatra hatrany amin\'ny T12 (Baccalauréat) sy eny amin\'ny Universite. Ireo taranja siantifika ireo anefa no tena herin\'ny fampianarana, herin\'ny fampianarana teknolojia, mitarika ho any amin\'ny famoronana taozavatra sy indostria (Jereo Japon, Vietnam, . . .). Tsy fampianarana miorina amin\'ny teny malagasy io fampianarana io fa fampianarana miorina amin\'ny teny frantsay, mitovy amin\'ny teo aloha, mitovy amin\'ny fampianarana tamin\'ny andron\'ny fanjanahan-tany. AZO ANTOKA FA TSY HAHOMBY IO HO AN\'NY FIRENENA MALAGASY LAVITRA EZAKA.
[/quote] =D
9. endrika01 ( 16/10/2008 01:01)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.36