Mba atorohy hevitra re za,misaotra mialoha

1. xxx ( 21/09/2008 00:11)
inona kay no mahatonga ny fahasarotam_piaro?
inona no atao mba hialana @zany?
inona no atao mba hampandeha ny tokan_trano(zany hoe mampilamina azy)?
inona no tena fomba nareo lehilahy voajanahary?
inona no mahatonga ny lehilahy mijery vehivavy (na de efa manambady aza)eny andalam_be sy zay toerana ahitana azy?
ahoana no afantarana fa tia ny olona 1?
Zay ry zareo no angatahiko torohevitra avy aminareo,ka dia manantena ny valiny mahafapo,misaotra indrindra tompoko.
2. ni81 ( 21/09/2008 07:55)
Rehefa tiana dia mahasarotiny satria tsy foy ho lasan'ny hafa...saingy misy mihitsy ilay tena azo lazaina koa hoe aretina ka na dia vao miarahaba olon-kafa fotsiny aza ilay olon-tiany (ka tsy fantany hoe iza iny) dia efa mihiratra be ny voamasony.:roll:
Mety tsy ho fifampatokisana koa satria efa nijaly izy fa nampirafy foana ilay olon-tiany ka lasa tsy matoky intsony.
Misy karazany maro fa aleo ambaran'ny hafa indray.
inona no atao mba hialana @zany?
sarotra ny hanome valiny satria arakaraka izay zava-miseho ao
inona no atao mba hampandeha ny tokan_trano(zany hoe mampilamina azy)?
ny fifampiresahana no mampandeha azy, satria raha tsy mifanazava ve ahita izay olana sy ho vahaolana
inona no mahatonga ny lehilahy mijery vehivavy (na de efa manambady aza)eny andalam_be sy zay toerana ahitana azy?
misy tena lehilahy lava maso mihitsy ary tsy handalovana (ary na ny vehivavy koa aza) :lol: :lol:
ahoana no afantarana fa tia ny olona 1?
ny fihetsiny sy izay ambarany anao

3. Noue ( 21/09/2008 08:11)
"ni81":
misy tena lehilahy lava maso mihitsy ary tsy handalovana (ary na ny vehivavy koa aza)
dia ampiko kely fotsiny hoe: ny maso mijery hono tsy mitondra mody :-D :-D :-D :-D

fa marina avokoa ireo voalazan'i ni81 ireo :)
4. ni81 ( 21/09/2008 08:27)
dia ampiko kely fotsiny hoe: ny maso mijery hono tsy mitondra mody
tsy mitondra mody fa indraindray tena miady mihitsy ny lohalika rehefa sendra azy :-D
5. Noue ( 21/09/2008 08:58)
ni81: :-D :-D :-D :-D :-D :-D avy eo ve saika voadona t@ poteau ny loh ? :-D :-D :-D :-D :-D :-D
6. ni81 ( 21/09/2008 09:41)
avy eo ve saika voadona t@ poteau ny loh ?
:-D :-D mila tsy ahita izay lalan-kaleha mihitsy kou! sady ohatry ny fantatra foana raha vao hoe misy manara-maso fa tena mahagaga an! :roll:
7. Noue ( 21/09/2008 11:47)
mamay ve ny sofina ? :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D :-D
8. thiel ( 23/09/2008 07:13)
Tena lesona lavabe raha ireo fanontanianao ireo,betasaka ny mistery!
9. ari.malala ( 23/09/2008 07:48)
mba omeo vaointeny mahafapo kosa le oul ry thiel a hihihi!

Ny fahasarota-piaro zan hono otran epice kely am fitiavana e! fa ra diso b lotra lasa aretina ndray :) ny tokony atao ialana amle iz araka izay novakiako tetsy sy teroa d ny fahatokizana ny tenanao alou voloay ndrindra, d ny fatokisana ilay olona miaraka amnao. Raha tiana ilamina ny tokantrano d tsy misy afatsy ny fifampiresahana, fifanajana ary ny fifampitokisana d mahay mifandefitra, reo no atao manjaka. Ny lehilahy *hono* efa toetra voa-janahary ao amny le manara-maso vevavy, na d efa miaraka am vadiny na ny olon-tiany zao az izy. Ny ahalalanao fa tia ny oul 1 d io arakarany, mis tia fa ts manambara in'in amnao iz fa asehony am fihetsika mis ndray miteny fona hoe tiko enao, d anjaranao zany no mandinika hoe le oul miteny sy mamboraka v no mmiaraka amnao sa le oul mampiseho am alalan fihetsika.

Asa raha nahafa-po le valinteny :)
10. tsiambaratelo ( 23/09/2008 09:54)
ari.malala:

Miombon-kevitra aminy i ari.malala
11. nikah ( 23/09/2008 10:09)
Efa bebe ihany angamba no voalaza testy ambony,fa ty misy bokyzay"L'homme vient du Mars ,Femme vient du Venus,Raha manana moyen ianao dia mividiana io boky io fa interessant be ny voalaza ao.Tsy dia lafo fa mino aho.
12. belakely ( 23/09/2008 14:37)
ny hasarotam-piaro dia tsotra fitiavan-tena 100%
tsy ilay olona no tianao fa ianao satria tsy foinao ho lasan'olona ny sipanao na ny vadinao.
ka raha lasan'olona hafa iny maninona no tsy mitady tsara noho iny dia vita? sa sarotra be?
13. tiff ( 04/10/2008 12:54)
mlay b le valiteninao ry tsiambaratelo a ra @toerako alo d afapoa tena mila matoky ny tenanao enao d tokony ho fatatrao fa enao d jerijery tsy ho an ny vadinao ihany fa na ny eny ivelany aza ka aza manome tsiny ny vadinao ra mijerijery ny hafa izy fa ny ol mizesta refa ivoka mba ijerevanazy ze maplay anao fotsiny atao (ny bika amanendrikao, ny fombanao ao atrano, ny fikarakaranao ny tokatranonao). ze tina tokoa no arovana, arovy @ fitiavanao izy fihetsika sy fiteny, asehoy azy @fihetsika ny fitiavanao (bizou, calin, diner romantik ....)aboray aminy daolo ze retra mety tenipitiavana na isaky ny 1minitra aza.
14. ni81 ( 04/10/2008 13:48)
tsy ilay olona no tianao fa ianao satria tsy foinao ho lasan'olona ny sipanao na ny vadinao.
ka raha lasan'olona hafa iny maninona no tsy mitady tsara noho iny dia vita? sa sarotra be?
:-D :-D Misy betsaka tokoa ve ny hotadiaviny? Misy maro ange no mitady fa tsy mahita ato e! :lol:
15. kotobekibo ( 23/11/2008 21:48)
inona kay no mahatonga ny fahasarotam_piaro?
tsy haiko za tsy saropiaro tsinona ,
inona no atao mba hialana @zany?
da tsary haiko ry kala ! efa hoe tsary mbola hitako avy izany kouh! :°)

inona no atao mba hampandeha ny tokan_trano(zany hoe mampilamina azy)?
Ny fifampitokisana , fikojakojanao ( anao, ny zanakareo , azy sy ny kaly surtout , :-P hummmm!!!!! )
inona no tena fomba nareo lehilahy voajanahary?
bdb fa eo @ lafiny inn notianao ho fantatra ?
inona no mahatonga ny lehilahy mijery vehivavy (na de efa manambady aza)eny andalam_be sy zay toerana ahitana azy?
Tsotra ! ny maso mijery tsy mitondra mody ,
Maka-fy mijery ny zvt tsara ny olombelona na lhl na vhv , raha mbola misy ny tsara , ny maso adala . Na tsy ho an'ny tena aza iny ( ohatra trano , akanjo , fanaka , ferrari , porche ... ) toy izay koa ny vhv
ahoana no afantarana fa tia ny olona 1?
Ref hitanao fa mi-s'interesse @ izay momba anao sy ny ataonao , mikarakara anao sy izay anananao ary miaro anao izy en + , d tia anao izy izay .
Zay ry zareo no angatahiko torohevitra avy aminareo,ka dia manantena ny valiny mahafapo,misaotra indrindra tompoko.
Vonona hanome fahafahampo anao raha mbola azoko hatao aho tompoko:-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.54