AMPIANARO
1/Manavia ny saiko ny hisaotra Anao
Rehefa misy jaly izay zakain'ny fo
Fa ny fifaliana ihany hatrizao
No mba nanehoako fisaorana eram-po.
Ampianaro aho, ry Tompo be fitia
Hanana toetra soa sy vaovao
Ka na fahoriana aza no mangia
Aoka re ny foko hahay misaotra Anao !
2/ Zavatra tsy haiko ny mamohafoha
Andro sarobidy izay natolotrao
Fa ireo andry ratsy, maloka avokoa
Sisa mba tadidy ho avy taminao.
Ampianaro aho, ry Tompoko Tsitoha
Hahatsiaro koa ireo soa natolotrao,
Ampianaro aho mba hitadidy koa
Irony lohataona izay nabaliakanao.