hazo iray isan'andro

1. sff ( 16/09/2008 06:51)
Somary efa ela no namakiako ilay izy dia tsy tadidiko hoe taiza.

Nisy fikarohana izay natao tamin'ny toerana iray teto an-tany. Ilay izy dia olona iray ihany no nanao azy. Ary ny nataony dia mamboly hazo iray isan'andro.

Ny vokatra tsikaritra dia tao anatin'ny eritaona monja. Izany hoe hazo 365 no voavoliny. Tao anatin'izay dia hita nisongadina sahady fa nisy fiovana tanteraka teo amin'ny teotr'andro teo amin'ilay faritra. Na dia mbola tsy lehibe akory aza ireo hazo novoleny.

Hevitra azo ampitaina amin'ny olona mipetra eny ambanivohitra izany. Sa ahoana hoy ianareo?
Tsy haiko anefa aloha, satria mora ny miteny noho ny manatanteraka. :)
novalian'i Nirilala ny 12/03/2009 09:13
2. soanja ( 24/01/2009 17:16)
Zavatra iray hitako fa mandaitra tokoa ary tena mampiasa ny olona, nisy fiantraikany tsara amin'ny tontolo iainan'ireo olona ireo. Dia ny fananganana tanin-janakazo eo amin'ny tanana kely iray avy. Omena fiofanana ny olona hianatra momba an'io ary izy ireo ihany no mitady ny toerana tiany hananganana ilay tanin-janakazo. Mifandamina ry zareo amin'ny fikarakarana ilay tanin-janakazo ary zanakazo ilainy no afafy sy karakaraina eo. Variana aho nony niverina tany fa nahavoly zanakazo efa ho 1000 ry zareo ny taona iray ary any amin'ny taniny avy.
Azo atao tsara ny fanentanana ka. Miantomboka aminao mampianatra aloha no modely tsara.
3. Nirilala ( 12/03/2009 09:13)
Hevitra tsara tokoa io saingy mety ho azo tanterahana ve satria toy ny zava-maniry rehetra dia misy fotoanany ny fambolena hazo fa tsy hoe azo atao foana isanandro, raha tsy hoe manana ilay antsoina hoe "serre" ireny.
Hitako hoe mety kokoa noho izany ny fambolen-kazo isan-taona ary araha-maso tsara ny fitombony. Omena fampirisihana koa ny tantsaha dia mazoto mamboly hazo sy mikarakara tontolo iainana. Ohatra hoe omena loka izay nahavoly sy nahavanona zanakazo betsaka indrindra nadritra ny taona.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2442