Fa naninona no tsy notohizana intsony ny baiboly?

1. simplex ( 14/09/2008 10:15)

nitsahatra niteny ve A/tra?
sa kobony hoe tsisy hamaky tsony ity ra mbola ampiana?

:)
novalian'i fijo ny 18/09/2008 20:40
2. tywa68 ( 14/09/2008 10:27)
f'angah zay ihany no kobony :lol: :lol:
3. simplex ( 14/09/2008 10:35)
:D :D :D
fa in koa no kobony?

Fa tokony asiana version resumEe iny baiboly iny an.
Genre hoe izay vakiana mandritry ny taona ihany no atao boky iray. Be loatra ilay izy anefa tsy vakiana akory ny 80%

;-)
4. Noue ( 14/09/2008 12:03)
"simplex":
Fa naninona no tsy notohizana intsony ny baiboly?
satria ny eo aza efa tsy araka sady sarotra na dia manao izay azo atao aza. :^)
5. Herimiafina ( 14/09/2008 14:37)
Ny testamenta taloha dia nitohy ny an'ny Jiosy, mbola misy texte be dia be fanampiny.
Ny testamenta vaovao indray toa nijanona rehefa tapitra maty avokoa izay mety nanatri-maso ny zavatra tena nisy, ary ny soratana-ndry zareo no nangonina.
Ankoatr'ireo texte fanahy iniana nalana.
Tamin'ny 1491 tany koa vao nisy ny imprimerie. :^)
6. simplex ( 14/09/2008 15:44)

dia iza no marina le tenin'A/tra talohan'ny 1491 sa le tao arinany? :)
7. Herimiafina ( 14/09/2008 15:56)
Niova ngaha ilay izy sa namboarina?
Raha mahay teny arameana izaho dia haiko ny mamaly io fanontaniana io, satria izaho mino fa raha vatany vao nadika ny teny dia efa nisy zavatra noiova betsaka na resaka perception-n'izay voasoratra fotsiny aza! :^)
8. xxx ( 14/09/2008 17:46)
Tena tsara ilay lohaevitra na dia somary vazivazy kely ihany aza fa naninona tokoa moa no tsy notohizana tsony ny baiboly , raha ny fandinihako azy tsotsotra de efa vita ny sonia farany izany hoe efa tapitra zany ny tian'Atra lazaina tahakantsika manoratra taratasy na sorampanjakana dia asiana tombokase na soniavina rehefa vita zay angamba no izy fa efa nahavaky izay tombokase izay aho tao anaty baiboly tao fa ndeha mbay mitady e!
9. nomenjara ( 15/09/2008 13:05)
simplex:


nitsahatra niteny ve A/tra?
sa kobony hoe tsisy hamaky tsony ity ra mbola ampiana?

:)





:-D

ka efa tapitra ny tantara
10. xxx ( 15/09/2008 16:27)
Tsy nitsahatra niteny izy, fa mbola miteny, ary mbola maro ny boky voasoratra mirakitra ny zavatra lazainy isan'andro. Ary tsy izay voasoratra ihany akory no teniny fa misy izay tsy voasoratra. Toy ny hoe: tsy nisy nanoratra izay voalazanao, izany ve no midika fa tsy hisy hihaino ianao raha miteny...?
11. simplex ( 15/09/2008 17:05)

HM,
zany anie wa eee.
vao ilay lovan-tsofina aloha ilay izy dia efa misy latsaka. Vao mia koa fa nosoratana, ny fananiana noesorina moa izany manginy fotsiny.
Sao dia mba tsy tokony hifototra be intsony @ iny boky iny aza :-w

xxx7:
efa nahavaky izay tombokase izay aho tao anaty baiboly tao fa ndeha mbay mitady e!
tonga dia matoky anao ah @ io.
Fa hitanao, mbola afaka mandefa taratasy anaki-1 ihany koa rehefa misy ny tsy voalaza na hoe fanampin'ilay efa voasonia sa ahoana??
:P

xxx8:
Toy ny hoe: tsy nisy nanoratra izay voalazanao, izany ve no midika fa tsy hisy hihaino ianao raha miteny...?
ka izy sady tsy miteny no tsy manoratra nge ee. Sao dia tokony hanao language des signes indray izy :°)

;-)
12. ikaretsaka ( 15/09/2008 23:08)
mbola mitohy letsy le izy an..hitan ialahy ireny encycliques ireny?
13. fijo ( 16/09/2008 20:23)
tsy nisy tohiny intsony lesy satria nivadika "oridinatera"ny fitaovana enty manoratra,ka andriamanitra tsy mahay mampiasa an'io fitaovana io an.
14. rakaroka ( 16/09/2008 21:32)
Heuu.... :roll: :-w :-w :-w :-$ Fa inn aza lé torinteny eto ireny :roll: :?: :?:
Tsy Atra manitatra ny baiboly ve :?: :roll: :roll: 8O :-P :-D :-D
15. Mandefitra ( 17/09/2008 09:27)
Raha atao indray mijery dia ny hahazoan ny olona rehetra ny famonjena no voasoritra ao @ Baiboly.
Efa tanteraka zany @ alalan ny fahafatesana sy ny fitsanganan'i Kristy zay nijoroan' ireo apostoly vavolombelona t@ epistiliny.
Fa ny Fanahy tsy mitsahatra mibitsika @ olom-boafidy ... Mety ho azy manokana zany, mety zarainy refa mijoro ho vavolombelona izy na mitory teny, mety hita taratra @ fiainany koa ...


16. LibrePenseur ( 17/09/2008 12:25)
valin'io lohahevitra hoe "nitsahatra niteny A/tra" io:

sady eny no tsia:
ENY satria tsy manakambara intsony ireo olona lazaina fa voafidy hanoratra azy, io aza efa montage be dia be vao nahavita an'iny, sahirana mihitsy ry zalahy nanangona sy nifantina izay mampetipety azy, ny sasany ny nariana, ny sasany novaina, ny sasany nohatsaraina ...
TSIA satria ny conscience antsika tsirairay dia efa azo lazaina hoe A/tra koa
17. niryna ( 17/09/2008 17:38)
simplex:


nitsahatra niteny ve A/tra?
sa kobony hoe tsisy hamaky tsony ity ra mbola ampiana?

:)

ahoana no fieritreretanao azy?
Jaona 21
24 Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.


25 Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon'i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.

(l) niryna
18. simplex ( 17/09/2008 19:50)

nyrina,
zany hoe marina ihany le teniko hoe tsisy amaky intsony ity ra mbola ampiana an ^:^
19. simplex ( 17/09/2008 19:52)

ary nanin aza no natao sarotra be iny baiboly iny e?
Tsy mba azo tonga dia nomena ve ilay anatra/ na koa soratana hoe ity baiboly ity dia natao ho-interpreter-na litteralement na fanazavana kely ohatr'izany ee :)
Iny boky iny manko anisan'ny tena fototry ny fizarazaran'ny finoana @ izao fotoana :)
20. fijo ( 17/09/2008 20:36)
le izy koa anie jiosy no milaza le tenin'andriamanitra hono e,nefa ny jiosy tsy tia an'i rajesoa,de tsy nadikanyintsony ny toin'ny baiboly.izay de vita.vakio tsara izay efa ao aloha di ahianaro tsara dia "ampiaro"fa mety hitoy ny anao manokana.izao mamaky io an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3362