Tononkira "ry neny tiako

1. nirina70 ( 11/09/2008 11:43)
Salut doholo,

Somary maimaika ihany fa hiraina amin'ny fahoriana, sao dia misy mahay ny tononkiran'ilay hira hoe " Ry Neny tiako" noforonon'i Frère Benoit Labre efa taloha be mpandeha tamin'ny radio madagasikara fahiny.

Misaotra mialoha.
novalian'i ni81 ny 12/09/2008 07:52
2. ni81 ( 11/09/2008 11:47)
Sao dia misy ilay hoe:
Ry neny tiako fifaliako,
zay nampianatra namindra, indrindra indrindra...
3. arn ( 11/09/2008 12:29)
Une partie kely fotsiny koa no mba haiko @ iny.
Sur fa omen'i ni81 eo io rehefa avy eo fa jereo ange e.Izy zavatra mahery raha tononkira.
4. ni81 ( 11/09/2008 12:30)
Une partie kely fotsiny koa no mba haiko @ iny.
Sur fa omen'i ni81 eo io rehefa avy eo fa jereo ange e.Izy zavatra mahery raha tononkira.
:lol: :lol: Ka izy tsy mbola namaly hoe io nolazaiko io ve sa tsia e!
5. arn ( 11/09/2008 12:32)
sur fa io e, inona ndray no ho hafa eo. Tonga de alefaso fa mampalahelo le zanak'olona :lol: :o
6. nirina70 ( 11/09/2008 13:02)
Teny iny mihitsy fa dia misaotra mialoha raha misy mahay! "Ry Neny tiako, fifaliako, zay nampianatra ahy namindra indrindra indrindra, nanoratra...."
7. arn ( 11/09/2008 13:07)
tsy efa niteny à, io ry ni a
8. ni81 ( 11/09/2008 13:29)
Tena miala tsiny fa toa ohatry ny misy mifandiso sady mifamadika ilay tonony fa tena tsy tadidiko e!Hirao tsimoramora ao na izany aza...

Ry neny tiako fifaliako
Zay nampianatra namindra
Indrindra indrindra
Tsaroako ianao, neny o

Ry neny tiako faniriako
Zay nampianatra ahy fony kely
Nampiana-niteny tsaroako ianao
Ka tsy maty ao am-poko ao

Ny ditrako, ny angotingoty
Ny tomany ahatsiarovako anao ry neny
Nanambitamby sy niteny

Ry Neny tiako….

Ny ditrako, ny laingalainga,
Ny hantahanta, hantam-pitia e
Manadala ahatsiarovako anao ry neny
Nanambitamby sy niteny
9. nirina70 ( 11/09/2008 13:44)
Misaotra betsaka é! Hiraina amin'io izy fa raha sanatria aza misy diso sy tsy ampy io tsy maninona rehefa hita ao ny hevitra tiana avoaka dia izay no zava-dehibe satria tsy fampisehoana akory sanatria no ho atao fa fiaraha-miory.

Misaotra amin'ny fifanampiana é!
10. ni81 ( 11/09/2008 14:17)
Misaotra betsaka é! Hiraina amin'io izy fa raha sanatria aza misy diso sy tsy ampy io tsy maninona rehefa hita ao ny hevitra tiana avoaka dia izay no zava-dehibe satria tsy fampisehoana akory sanatria no ho atao fa fiaraha-miory.
Misaotra amin'ny fifanampiana é!
Dia mahereza ary raha toa ka izany e! Zà aza teo am-pamerenana an'io dia mahatsiaro ilay reniko any lavitra any...
11. Zozoro ( 11/09/2008 17:10)
ni81:

Mampamohafoha ny lasa...................Mandria ampihadanana izy.

12. arn ( 12/09/2008 07:19)
De mampahery koa e, fa mba inona ry zareo ny vaovao farany momba an' i Rado ( george andriamanantena) mpanoratra fa toa comateux no henoko farany t@ debut de semaine teo?
Izy mantsy mba tena poety malagasy tena nahahenika ny domaine rehetra indrindra fa t@ fahatanorana =(( :D
13. ni81 ( 12/09/2008 07:52)
fa mba inona ry zareo ny vaovao farany momba an' i Rado ( george andriamanantena) mpanoratra fa toa comateux no henoko farany t@ debut de semaine teo?
Izy mantsy mba tena poety malagasy tena nahahenika ny domaine rehetra indrindra fa t@ fahatanorana
Tsy tsikera fa mba toro hevitra a! Mba ataovy lohateny vaovao indray, satria misy olona zao afaka mamaly anao momba an'i Rado io, nefa hitany ilay lohateny hoe "tononkira ry neny tiako" dia tsy miditra lalina izy. :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0685