Ny tara-diavolana tokoa sisa no manazàva an 'ANTANANARIVO...

1. lemenakely ( 10/09/2008 09:57)
Iza marina no tena tompon'andraikitra fa ilaozana mifanilika :ny mpitondra ve sa ny commune sa ny JIRAMA ?

Ary ny zavatra tena nahagàga ny 26 juin dia nirehitra daholo ny jiro rehetra erak 'ANTANANARIVO nandritry ny alina ,kanjo afaka andro vitsivitsy zara raha 50% sisa avy eo 25% farany maizina tanteraka indray !

Tsy ny tetezan ilay BEKIRARO eny Isotry irery ihany no tsy azo lalovana hariva hoy ny hiran ny tarika LOLO eto ANTANANARIVO @ izao fotoana izao fa n'aiza n'aiza ! KA DIA MITANDREMA RAHA MBOLA TE HO VELONA NY AINA
novalian'i xxx ny 11/10/2008 05:05
2. ssendra ( 10/09/2008 10:17)
andron'ny fitsitsina izao lemenakely ah!
efa ela no tsy azo andalovana anie ny toerana danzéré rehetra e! indrindrqa moa izany fa hoe maty jiro dia fadio ny mande amin'ny maizina sy toerana mangina...
3. Herimiafina ( 11/09/2008 01:30)
Ny gaboraraka tsy eny Bekiraro ihany fa any anaty biraon'ny Jirama, ny Commune ary ny Fitondrana.
Izao no alehany rehefa tsy mahay manao prévision fa dia heverina fa ohatry ny tamin'ny taona 1975 ihany amin'izao fotoana izao, ka masinina efa godraka no mbola ampiasaina hatramin'izao. :-D :^)
4. masisokely ( 11/09/2008 20:09)
ka masinina efa godraka no mbola ampiasaina hatramin'izao

mampiimé koa elahy ity ry herimiafina.... :-D
5. notron ( 10/10/2008 14:18)
Rehefa navotsitra ilay volan'ny Commune tao @ Tresor dia notakiana indray ny trosan'ny JIRAMA (efa taloha be) @ Commune ka izay an'isan'ny anton'ny fanapahana jiro.

Rehefa navela hotantanan'ny Commune koa ny SAMVA, izany hoe hampiasa ireo camion mpaka fako izy dia tapaka niaraka t@ ny jiro koa ny Carburant. Izany hoe eny @ Station Service no mividy Carburant ny CUA

Ireoaloha no hitantsika mivantana fa mino aho fa maro amintsika no mahalala zavatra betsaka
6. xxx ( 11/10/2008 05:05)
tsy zakan'ny Atananarivo ny fiaradalamby haingam-pandeha e, aleo ovaina hafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.488