tanisa

1. sergeig ( 08/09/2008 21:34)
mba hangataka ilay hiran'i Nly Rakotofiringa ilay hoe Tanisa iny tompoko !
novalian'i ni81 ny 11/09/2008 10:59
2. sergeig ( 08/09/2008 21:38)
mba saika hangataka ny tonon'ilay hira hoe tanisa an'i Naly rakotofiringa iny tompoko! ...dia misaotra mialoha
3. Lejoba ( 09/09/2008 09:05)
ilay hoe tanisa tanisa lalaon'ny merina, tanisa tanisa miverimberina ...
Anontanio i ni81
=)) =)) =))
4. ni81 ( 11/09/2008 09:56)
ilay hoe tanisa tanisa lalaon'ny merina, tanisa tanisa miverimberina ...
Anontanio i ni81
:lol:
isa roa, telo an'efatra....
na na na na na fa tsy mavesatra
dimy an'enina, fito am-balo araho tsikitsiky sy kalokalo
Tena tsy tadidy intsony io ry Lejoba a!
5. arn ( 11/09/2008 10:55)
http://tononkira.serasera.org

TANISA

Andao hilalao hanao tanisa
Fa sady fianarana mba manisa
Lalao fahiny fa mahafinaritra
Raho toa tsy mahay mijere maharitra

Lalao mahavariana sy tsy mamizana
Fa ho hay mora foana raho toa hikirizana
Andao haka vato an'kiroa mitovy
Raha toa tsy mahita 'ndao haka ovy

Itsa-ndroa, telo an-efatra
Tatazo mora fa tsy mavesatra
Dimy an'enina, fito am-balo
Harao tsikitsiky sy kalokalo

Tsivy am-polo, itsan-droa
Miara hasidina avaokoa
K'izay latsa-bato eo 'sika roa
Hangina tanteraka fa efa voa

Aza sendaotra tohizo tsara
Aza mba kivy amin' ny tsy ho anjara
Tanisa lalao fony fahizay
Nanjary nivadika ho hira indray

Tsy asihan-dromoromo fa kilalao
Korana tanteraka no hatao
Isika tsy hafa fa samy isika
Hihomehezo kely harao mozika

Itsa-ndroa, telo an-efatra
Tatazo mora fa tsy mavesatra
Dimy an'enina, fito am-balo
Harao tsikitsiky sy kalokalo

Tsivy am-polo, itsan-droa
Miara hasidina avaokoa
K'izay latsa-bato eo 'sika roa
Hangina tanteraka fa efa voa


Raha toa 'ndray mandeha lahy no maty vary
Dia aza variana na be safary
Avela halefa ny tsy ho anjara
Fa ny aoriana dia be no tsara

Tanisa tanisa miverimberina
Tanisa tanisa lalaon' Imerina
Vato ihany no hatao tanisa
Ny fitia tsy mba mila kisa

Itsa-ndroa, telo an-efatra
Tatazo mora fa tsy mavesatra
Dimy an'enina, fito am-balo
Harao tsikitsiky sy kalokalo

Tsivy am-polo, itsan-droa
Miara hasidina avaokoa
K'izay latsa-bato eo 'sika roa
Hangina tanteraka fa efa voa


6. ni81 ( 11/09/2008 10:59)
Dia io izany ho an'izay nitady azy e! Ny feony tadidy tsara mihitsy fa io tonony io no tena very tany @ lay kapoakan'ny fitadidiana! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0416