dia iza ary izany no hianteran'ny pokona ??

1. bazylou ( 02/09/2008 16:18)
Hazo boboka

Nihetsika tokoa ireo mpanohitra manerana ny Nosy tamin’iny faran’ny herinandro lasa iny. Nisy ireo naratra noho ny grenady mandatsa-dranomaso natoraky ny mpitandro filaminana. Tao koa ireo nosamborina ka rehefa avy natao fanadihadiana dia navotsotra na nalefa any am-ponja. Azo ambara fa tsy nisy lamina maty paika fa samy nandeha ho azy ny hetsika tamin’ireny faritra samihafa ireny raha jerena akaiky. Tsy nitovy koa ny antony nirotsahan’ireo mpanohitra tetsy sy teroa. Izany angamba no nahatonga azy ireny tsy nahatarika sy nahasarika olona maro hilahatra eny an-dàlam-be. Fa misy antony iray goavana be ihany koa ao. Tsy vonona ny vahoaka na dia mijaly ara-pivelomana aza ankehitriny.
Ingahy Henry Lecacheur no nirotsaka irery teny an-dàlam-be teto an-drenivohitra. Nambarany fa te haka ny hevitry ny mponina izy , te hihaino ny hetahetany ary te-hanontany ny tokony atao. Teny an-toerana no nanambarany fa ataony sorona ny tenany ka ny teny filamatra nentiny dia ny hoe “ampy izay”. Tsy nanakorontana ary tsy namory vahoaka ny lehilahy nefa dia nosamborina. Tsikaritra aza fa rehefa lasa izy vao nitangorona ny olona noho ny mpanao gazety sy ny mpaka sary nanontany ny hevitry ny olona sasany tonga teo. Ny rafi-pampianarana vaovao no notsipahin’ireo mpanao politika sasany tany amin’ny faritra hafa.
Mazava ny tenin’ny fitondram-panjakana raha nanazava ny fisamborana nataony izy. Manohintohina ny filaminam-bahoaka ireo mpanohitra ary tsy nahazo alalana hilahatra eny an-dàlam-be. Gaga ihany ny mpanara-baovao satria ireo mpivarotra tetsy Behoririka ange ka tsy nangataka alalana nefa afaka nilahatra nanohitra ny rafi-pilaminana mikasika ny tsena eny amoron-dàlana ê!. Voalaza moa fa tsy nanohintohina ny filaminana ry zareo ka navela nanao ny ataony. Very fanahy ihany ny mpandinika raha tsy nomena alalana ireo mpanohitra nikasa hivory tao amin’ny tranompokonolona tetsy Analakely tamin’ny voalohany. Voalazan’ ny tompon’andraikitra fa tsy mari-pototra ny fangatahana mikasika ilay rafi-pampianarana vaovao. Andro vitsivitsy taty aoriana moa rehefa nitranga ireny fifanolanana teo amin’ny fanjakana foibe sy ny kaomin’Antananarivo ireny, dia nomena alalana indray ry zareo. Tadidin’ny mpanara-baovao fa tany am-piandohana dia nilaza ny tompon’andraikitra iray fa tsy tokony hisy ny olana, satria feno sady manara-dalàna ny fangatahan’ireo mpanohitra ka nomen’io manampahefana io mihitsy aza ny andinin’ny lalàna mifehy izany. Nefa nolavina ihany tamin’ny minitra farany.
Samy tsy mazava ny fihetsiky ny roa tonta. Na ny manampahefana izany na ireo mpanohitra. Mpijery fotsiny ny vahoaka ary toa mpijery sarimihetsika tsy mahalala izay tena fandehany. Efa fantatry ny vahoaka fa miolakolaka hatrany ny fitondrana foibe ka toy ny manao omeko tsy omeko. Mikasika ireo mpanohitra kosa, dia tsy fantatra mazava izay tena tanjony. Tsy hanongam-panjakana hono, fa miandry ny vahoaka hidina an-dàlam-be ka avy eo ry zareo vao hanosika.

Raha ny vahoakan’Antananarivo no asian-teny, dia mazava tsara ankehitriny ny heviny. Na dia diso fanantenana tamin’ireo mpitondra, na ny avy ao amin’ny fanjakana foibe na ny avy ao amin’ny kaomina, dia tsy hiantoraka any amin’ireo mpanohitra mihitsy. Tsy resaka tsangan-kevitra velively no mahatonga izany fa tena tsangan’olona. Tsy azo sarahina ireo ho an’ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny indrindra indrindra ny vahoakan’Antananarivo. Averina indray fa tsy very tadidy akory ny vahoaka na koa hoe ny ratsy ihany no tsaroana ka ny tsara vita adino avokoa. Maro ireny fampanantenana nataon’ireo mpanao politika na ny mpitondra na ny mpanohitra izay efa mitodra ny tany sy ny fanjakana rahateo. Ireny fampanantenana tsy voahaja ireny no tena tsaroan’ny vahoaka. Ka tsy hiantsampy amin’ny hazo boboka akory izy. Na izany aza dia tsapa fa mandinika tsara ny fandehan’ny raharaha ary tsy ho voarebirebin’ny teny ataon’izao olona rehetra izao ny vahoaka.

V.R. laverite.mg
Dia iz ary no hianteheran'y vahoaka ??? izy tenany ihany ve ?? dia mazava ho azy fa hianjera ihany izy ...


novalian'i karavasy ny 12/09/2008 07:37
2. naughtyboy ( 02/09/2008 17:52)
ka io nge ry bazylou tsotra reo efa avy nihinana ihany fa very seza v no ilaza oe mpanohatra ,iza no hiaino anzany eo tsy mahatoky anreny tsony pokona fa mba olona hafa ahay ,za manokana siora fa misy any fa resaka saosy ko @ zao no antony fa tsy ny hevitra fotsiny,io no solika mapandeha ny fiara koh..
3. kidoropamba ( 03/09/2008 10:01)
Raha ny tena tiantsika atao ange dia miandry ireo zaza mena vava vao teraka t@ 2002 ireo isika vao sahy hilaza fa hoe: ireny no olombaovao tadiavintsika satria efa tonta sy avy nitondra dolidoly ry zalahy.

Ny anay aloha dia ilay lazain-dry zafy hoe "bon appetit" @ antsonjay, fanagadrana, famoretana, fivarotana tanindrazana sy ny sisa (hin!hin!hin!hin!) io aloha no hifikiranay satria mbola any aloha no misy vola.
Fa raha ny mpanohitra izany ange ka dia finiavana fotsiny sy fitiavana izany demokrasia tsy hinanankanina izany no betsaka fa tsy misy sAosy harapaka akory e.

Ravalomanana ihany fa... :x
4. naughtyboy ( 03/09/2008 18:54)
kidorompamba > ela sy le 7+1 de mitovy tsy mahalala afatsy ny tenanytsy mijery ny hafa.. =)) =))
5. karavasy ( 04/09/2008 08:09)
Iray ihany nareo fa ny fomba fiady no tsy mitovy. Saingy ny vendrana no tsy mahalala ny namany sy ny fahavalony ary mampifangaro ny ny fanary sy ny fihinana hany ka tsy mahafaty baolina hoy ny akama.
6. ravatorano ( 04/09/2008 09:06)
mila olom baovao tanteraka ny vahoaka fa tsy ireo akoriny
fa iza anefa :?: :?: :?:
:-P
7. naughtyboy ( 04/09/2008 16:22)
i zanety,karavasy,zankely sns..ol ko nge reny e sady misy vava...

any @ reo faritany sasany de betsaka na de mbola tsy hita manangasanga aza,misy ao na de oe 1 aza..siora aho.
Fa ny criteria no tsara mazava ho any ze mihevitra ny isolo eo fa tsy andimby toerana fotsiny otr'zay niseho akory..
8. karavasy ( 12/09/2008 07:37)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0491