Manahirana

1. ni81 ( 01/09/2008 04:32)
Nanoratra tamiko ny namako t@ Asabotsy fa mbola mitohy hatrany ny toetra ratsy ataon'ity rafozany (efa nisy resaka lava momba io teto). Dia tsy hitako moa izay navaly azy fa novaliako fotsiny hoe: Hay!
Dia nanontany izy avy eo hoe: sao dia mahasosotra andry ny fitantarako an'io amin-dry (satria tonga dia tsapany aho fa toa tsy dia rototra namaly). Dia novaliako izy hoe: tsia, tsy mahasosotra ahy akory ny fitantaran-dry amiko satria iza moa no hilazan-dry izany afa-tsy izaho! fa ny toetran'ity vadin-dry tsy mba sahy miteny ny tsy mety ataon'ny reniny no mandaginina ahy.
Zaho aza tsy eo @ ilay toeran'io namako io mivonto (l), koa maika fa izy...
novalian'i belakely ny 05/09/2008 21:56
2. neo83 ( 01/09/2008 09:19)
ni81 ô ! kasa amaly hevitra za fa, euhhhh ! otran'ny tsiarako kay le tantara
3. fahamarinana ( 01/09/2008 10:59)
:arrow: ka ny hiafarany ho leo ihany ikala koa,rahatoa tsy hi-réagir mihintsy ilay vadiny... (l)
4. nathie86 ( 01/09/2008 11:28)
za ko tsy maharaka lay tantara, firy taona niarahana d nga miara-mipetraka @ rafozana :?: :idea:
5. ni81 ( 01/09/2008 13:01)
za ko tsy maharaka lay tantara, firy taona niarahana d nga miara-mipetraka @ rafozana
tsy miara-mipetraka ry zareo fa mandalo rafozana rehefa week end e! Dia toy izany foana no miseho isaky ny mandalo io ramatoa io.

Hoy i fahamarinana
ka ny hiafarany ho leo ihany ikala koa,rahatoa tsy hi-réagir mihintsy ilay vadiny...
Ka io no mandreraka be e! Ilay namako no tena mampalahelo ahy mihitsy.
6. MIANTA ( 01/09/2008 14:55)
Ny olana eo am vinanto sy rafozana zan d ts maints misy foana raha ts ilay zanany mints no miditra an-tsehatra manazava ny atidohan-dreniny. D ts tokony haka aretim-po koa satria efa zay ilay fiainan'ny vinanto sy rafozana e! Araho am onjany eo fotsiny iz d reveo milamina ny fiainana. Leo eo ihany iz ny farany d hipetraka
7. ni81 ( 01/09/2008 15:07)
Ny olana eo am vinanto sy rafozana zan d ts maints misy foana raha ts ilay zanany mints no miditra an-tsehatra manazava ny atidohan-dreniny. D ts tokony haka aretim-po koa satria efa zay ilay fiainan'ny vinanto sy rafozana e! Araho am onjany eo fotsiny iz d reveo milamina ny fiainana. Leo eo ihany iz ny farany d hipetraka
Efa aman-taonany io rafozany io no manao toeran-tsy zaka azy ao e! fa sendra izay vady loham-bomanga izy ka atao ahoana fa ho hita eo ihany ny ho tohiny!
8. niryna ( 01/09/2008 20:40)
ni81:

Ny olana eo am vinanto sy rafozana zan d ts maints misy foana raha ts ilay zanany mints no miditra an-tsehatra manazava ny atidohan-dreniny. D ts tokony haka aretim-po koa satria efa zay ilay fiainan'ny vinanto sy rafozana e! Araho am onjany eo fotsiny iz d reveo milamina ny fiainana. Leo eo ihany iz ny farany d hipetraka
Efa aman-taonany io rafozany io no manao toeran-tsy zaka azy ao e! fa sendra izay vady loham-bomanga izy ka atao ahoana fa ho hita eo ihany ny ho tohiny!

sarotra tena sarotra ny miditra ny fiainan'ny olona,omenao toro-hevitra izy tsy hihaino,mihaino ny vaovao avy any amin'ny namanao hianao toa hianao indray no maty ambony ihany,rehefa mahazaka fotsiny ilay namanao dia izay fa manahirana ny miditra lalina ny tokan-tranon'ny olona.Raha kristiana izy dia mivavaka fotsiny isaky ny hiditra ny trano ilay ramatoa mba ho tia azy ,mba anaiky izay toetra ananany ary mba tsy harary fo na anao fihetsika mihatsaravelatsihy na mankahala azy,tsikiana fotsiny no atao azy ireny,antsoina neny ary tena amin'ny fo no itondrana azy fa tsy mihafahafa dia afaka resahina rehefa misokatra iny ny fony.Asio lazainy azy ny mampalahelo azy amin'ilay ramatoa ary mila mivavaka koa izy vao mifampiresaka aminy,mila mamela heloka azy ary mila mamela heloka ny tenany koa fa nandray azy ampahatezerana lava isaky ny miditra ny trano izy.
Andramo anie e,efa nisy olona mpiara-miasa tamiko ,manendrikendrika zavatra tsy nisy izy,tsy nifampiteny taminy aho,tsy niady taminy ihany koa fa tonga dia noraisiko ho toy ny tsy teo.Nisy olona maty ny rahalahin'ny mpiara miasa taminay dia izaho no nitondra ilay CP asiana sonia eraky ny ankizy ary dia nomeko azy koa io CP io alohany anomezako azy dia nohazavaiko azy ny antony tsy noresahiko azy,tsy tezitra taminy aho hoy aho,ary tsy te hiady aminy ihany koa ka dia hifonako izany fihetsika izany ...dia nolazaiko azy ny nampalahelo ahy taminy ary toa nangasihasikely sy menamenatra izy ary dia nisaotra ahy fa sahy nilaza ny alaheloko taminy.Izay dia vita,dia niresaka taminy amin'izay aho,dia mino koa aho fa nianatra lesona izy satria nanasoketa olona tamin'ny zavatra tsy marina sy tsy mitombona ary nianatra koa ilay iray fa izay zavatra tenenin'ny olona dia tokony ho tazominy fa na nisy na tsy nisy dia tsy tokony anao tondroteny na iverina any amin'ilay iray fa manjary lasa mpifosa ilay izy ...HS kely fa zaraiko fotsiny ny hoe mila mijoro sy mila miteny izay ananantsika alahelo isika kanefa mila mivavaka foana vao miteny .


(l) niryna
9. ni81 ( 02/09/2008 07:00)
Tsy miditra @ fiainany aho fa mitaraina amiko izy dia manome sosokevitra aho.
Zahay roa efa mpinamana efa ela be tokoa tany dago mantsy. Raha ny resaka vavaka dia tena ataony tokoa hoy izy isan'andro isan'andro momba io olana @ rafozana io na koa ny momba ny fiainana andavan'andro. Samy kristiana izy sy rafozana. Fa dia mila faharetana moa ny zavatra rehetra.
Efa nifanazava mihitsy t@ olana rehetra izy ireo, ary nifamela (am-bava fotsiny satria raha tena tao anaty fo dia tsy mbola hiavona toy izany) dia nanomboka hatr@ zay no nahatonga an-drafotsy milanja loha rehefa mahita ity vinanto ange e! Raha mandalo ao izy dia ny zanany ihany no arahabaina, ary ilay namako mba niarahaba hoe manahoana i mama fa tsy nahazo valiny hono...dia nangina. Ny vadiny eo dia tsy miteny na A aza fa mijery fotsiny, nefa izy mba tokony hiteny ny reniny hoe mba valio ty zanak'olona ry mama a! Ary rehefa lasa rafozana dia miteny ilay vadiny ny @ toetran-dreniny izy fa tsy miteny hono izy oa fa ny masony foana no habaliakany!
10. 08051972 ( 02/09/2008 19:39)
Marina ny tenin'i nyrina hoe aza miditra @ fianan'ol fa manomez'azy sosonkevitra fotsiny;ary rà izà manonkan'alo de tena tsy hanokatra ny foko @ ol efa hitako fa tsy ho tià'zany fa sao de marary fo @ zany eo à ko!Mody odio tsy te-halala fa faran'izy lany bala e!Ka ilaina anie le miatsaravelatsy refa manambady satria tsy havano ankory ny fianakaviambadinao ka hoe azonao tonga hintsinao refa misy zavatra tsy zakanao e! ny mody fanina ihany amiko no fanafodin'io,ohtr oe refa tong'izy de mody lasa mentsena na oe manasa olon-kafa de modina adino oe ho avy eo iza e! :roll: :roll: :roll:
11. belakely ( 05/09/2008 21:56)
izao kosa aloha no tsy maintsy tadidiana hoe ny vady azo soloina (nahandrotra io fa tsy nafatotra, teny gasy izany) fa ny reny na fianakaviana hafa tsy azo fafana ny maha-havana azy, ka raha tsy misy réaction mihitsy ilay vadinao amin'ny ataon'ny reniny dia ianao no mieritrereta!
ny tena vaha olana lehibe indrindra dia mifampiresaha amin'ny vadinao nefa aza adino fa tsy ianao irery no tiany fa tiany koa ny reniny! na ny anabaviny, ny anadahy hono mantsy faravady hi! hi!, iainako manko izany!!
dia mahereza e!!!!!!!!!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3217