athleta gasy tany @ jo

1. lemenakely ( 20/08/2008 06:58)
1er tour dia vita !...Mahonena
novalian'i nathie86 ny 29/08/2008 08:37
2. peta83 ( 20/08/2008 09:10)
eeeeh! atao aone, zay no mba fara herinntsika malagasy e, mety tsy ampy sakafo ko ngamba ry zala ko :cry: :cry:
3. fahamarinana ( 20/08/2008 09:49)
:arrow: mba 1er tour kosa e..sa? L'essentiel c'est de participer hono.. :) (l)
4. lemenakely ( 20/08/2008 10:33)
fahamarinana:

:arrow: mba 1er tour kosa e..sa? L'essentiel c'est de participer hono.. :) (l)



dia izany foana ve no atao excuses tsy ho lasa lavitra mihintsy isika Mba jereo anefa ny kenyans sy ny éthiopiens mba tany mafy daka toy ny tanana ihany n'efa aiza sy aiza ?
5. fahamarinana ( 20/08/2008 11:21)
:arrow: he...vazivazy ny ahy iny ry lemenakely an !!!zay no nanarahako ilay :) kely tao afarany,tsy atao excuses tokoa ,marina ny anao fa zany hoe araka ny voalazanao hoe mbola lavitr'ezaka isika fa dia hatreto aloha zany dia miaina toy izay.Za manokana tsy mahita vahaolana hanovana ilay izy dia izay no hilazàko etsy ambony hoe :mba 1 er tour kosa mba tsy hilazana koa hoe tsa nisy solotena na iraika avao aza e. :) (l)
6. zandikely ( 20/08/2008 11:44)
Na dia Medaly iray aza tsy nentina.
Amin'izany olona misy firy nandeha tany, amin'izay koa dia ny entraineur tokony mandeha tsy halefa handeha fa olona hanao touristes handaniana volam-panjakana, avakavahana koa ny Mpanao Gazety, ny mpanao gazety MBS iany no nomena tombotsoa...

Marina ny volaza amin'ny gazety Tribune le 20 Aout 2008 hoe:

RECORDS EN SCANDALES BATTUS.
Pauvre en médailles, riches en scandale. C'est la triste bilan du voyage olympique de la délégation malgache à Beijing.
7. fahamarinana ( 20/08/2008 11:57)
:arrow: ary vitsy kely no hitako nilahatra anie fa hay betsaka ry zareo ?Misy mahatsara ilay mivoaka ,manao rencontre amin'ny hafa ihany koa anie,eny na tsy hitondra medaille mody aza fa mba mahita hoe hatraiza ny fahaizan'ny tena...fa raha fitsangatsanganana dia mampalahelo ndray...raha mba tena athletes koa moa no hitsangatsangana fa raha sanatria olona mahita place sns... :?: :?: (l)
8. yonikafopl ( 20/08/2008 17:34)
Inona zao no mampahonena amzany? firy ny firenena nandray anjara? dia firy amin'ireo no nitondra tanampolo nody? ataoko kosa fa tsy ny gasy rery eeeeee, fa maninn no ny gasy ihany no atao hoe mahonena?
9. zandikely ( 20/08/2008 23:01)
Soa iany fa mba nisokatra ny mason'ingahy Ministrin'ny Fanatanjahan-tena ka nahatsapa ny zavatra tsy nety.

N'y allant pas avec le dos de la cuillère, il a critiqué l'organisation du COM qui a dédaigné d'emmener des entraîneurs pour assister nos compétiteurs. «Quinze des vingt et une personnes qui ont formé l'équipe du comité olympique sont tous des accompagnateurs. Une délégation lourde sans entraîneurs, ni médecin, c'est inadmissible. Mais pour l'honneur de notre pays, nous avons fait comme si de rien n'était», regrette le ministre.
10. fijo ( 22/08/2008 21:27)
amiko aloha ,ny fitsarana ny atleta gasy tany dia diso.

diso satria isika rehefa mitsara ny atleta gasy nandray anjara tany,dia tsy mitsara azy amin'ny toerana sahaza azy,fa mitsara azy mihoatra amin'ny atleta hafa."amerikanina ohatra na frantsay"jereo ny fitsaran'ny madagasikara tribune azy"tena fitsarana mibirioka io amiko.

ahoan ano hampitovianao ny atleta amerikanina amin'y atleta gasy?????????ny amerikanina aza io no asany,jereo ny nahazo azy tamin'ny resaka hazakazaka?????ireny no tena atao hoe fopla sy tsy nahavita raha.

ny antsika io ,zavatra ambadika ,fa ny andavanandro resaka hafa.aza gadino,fa rah ajerena amin'ny eto frantsa fotsiny,izay mbola azo lazaina aza fa tsy mankaiza rah amihoatra amin'ny tany matanjaka hafa,dia ny mpanao sporteny amin'ny fokontany misy aty ,no mitovy lenta amin'ny atleta gasy.ka aza manao fampitaha raha hitsara azy,fa tsarao hoe inona no vitany taloha,dia nihoatra izya ve izy izao???
11. Herimiafina ( 23/08/2008 15:47)
Tamin'ny cérémonie d'ouverture iny raha nijery TV ny tenako dia tonga dia izay no comment nataon'ilay reporter vatany vao nahita ny delegasiona malagasy nilahatra izy.
Ireto ny santionan'ny voalazan'izy mitsam: "Madagascar, tany francophone, olona vitsy no milahatra, tsy antenaina hahazo medaly, ny anaran-dry zareo lavabe daholo, omeko anao ranamana (mansty ilay anakiray) ny famakiana ny anaran'ilay mpitondra ny saina, ....Solo......Hahahaha, andriamanitrö, narana izany ka anarana". :^)
12. yonikafopl ( 24/08/2008 10:06)
fijo tena marina mintsy, ny mitsikera sy mitsongoloka foana no mba hay fa tena tsy hay mintsy le mijery sy mandinika amin'ny fo tsy miangatra
13. Mandefitra ( 25/08/2008 08:10)
ny ahy tsy ny atleta fa ny fanjakana sy ny toetsaintsika mitsy no omeko tsiny.
- lay maorisianina mpanao boxe tafakatra demi iny zao, nankalazaina eraky ny aina aman jery manontolo, ary avy eo lery nomena prime 600.000 rs (36.000.000Ar).
- ny an ny frantsay coupe du monde efa azo t@ 2008, mbola hankalazaina 10 taona aty aoriana.

Ny an i gasy nefa, efa mba champion du monde t@ tsipy kanety be, iza zao no mahalala ny anarn ireo atleta nandrombaka ny amboara? t@ taona firy? nomena prime ve?

Ka isika tsy mba kevoka (fier) @ antsika mitsy, tsisy zany fitiavan-tanindrazana zany, tsisy fitsenana makotroka etc ..

"Maty vao ramalala", "ny sasany namono ny voay ny hafa no miravaka ny vanginy" etc ....

Raha ny ratsy dia misongadina, fa ny tsara tsy mba hindraindraina "fandoto iray tandroka # fandio iray siny".

Hany ka tsisy motivation ny tanora satria tsy misy mpiraharaha na mahavita na tsy mahavita, tsisy halain-tahaka, tsisy mpanohana.
14. tywa68 ( 25/08/2008 08:45)
Indrisy mantsy : rehefa tsy manam-bola d veloma na mahay ohatr'inona aza. Tena mampalahelo tokoa ireo olona be d be manan-talenta ao Mcar, afaka mifaninana tsara aty ivelany, fa tsy ampy vola, tsy misy fanohanana (na misy aza tena kely varavety !)

Mandefitra : Tsy hoe tsy fitiavan-tanindrazana fa tsy manana ny ampy d tsy afa-manoatra ! ny fitsenàna indray mety fomba azo atao any ihany koa, fa rehefa tsy nahazo n'inona² d tsy ahoan'olona e (mety te hiafina aza :-D)
15. ravatorano ( 25/08/2008 12:55)
tsy azo ampitahaina marina ny atleta malagasy sy ny atleta eropeanina na amerikanina na jamaikanina satria ireo matihanina.
Eto amitsika koa dia tena tsy mba misy fanomanana mari pototra mihitsy rehefa amin 'io resaka fanatanjahan tena io hany ka lasa kitoatoa ilay izy
taloha raha nahazo medaly tamin'ny lalao afrikanina isika dia nisy ny fanomanana mavitrika sy andraisan'ny fanjakana anjara mivantana ary tsy maintsy izay no lalana mahomby indrindra.
raha ohatran ireny mantsy dia lasa mitsangatsangana fotsiny na dia hoe nisy fihaonana natao aza tany satria raha indray mandeha niditra ianao dia raraka tsy midika izany fa nahazo traikefa tamin iny ianao fa mba farafaharatsiny hoe mba nisy fihaonana roa na telo tany ho any.

:D
16. fijo ( 26/08/2008 21:01)
izay mihintsy,ny mpanao gaety dia mitsambikina rehefa mitsikera ny zavatra misy azo.asa na finiavana hitsikera fotsiny fa tsy ampy fandinihan araha ny fahitako azy.

io voalazan'i ravato io,raha te hitsikera izy dia io fihomanan io no tokony asiany resaka be,io no tsy ampy.ary io no mil avahaolana betsaka sy matotra.fa rah any atleta misy any ary ampy isika,fa io no tsy ampy.

tokony alefa miandalan akoa io,i afrika aloha no tokony atao tanjona.atao izay ahatratrarana ny lenta mifanaraka amin'ny ao afrika,avy eo vao mihezaka mhazo ny atleta erantany.fa tsy hoe JO dia manantena medaly voalmena,nefa 2 voalana no nihofanana.
jereo fotsiny ny nahazo ny atleta amerikanina tamin'ny relay.ireny nefa io no asany.
jereo ny toerana mba nisy koa ny frantsay,nefa tany azo lazaina fa manana ny ampy rah aio fanomanana io no resahana.aiza ry manadou???????

fa tsy hitsekera toaizay no hampandroso,fa ny fijerena ny tsy mety teo amin'ny fanomanana azy.
17. nathie86 ( 27/08/2008 12:54)
tsy fidiny
18. fijo ( 27/08/2008 21:02)
inona no tsy fidiny?????ny sport tsy hiandrasana anjara sy lahatra fa "kotrana"no ilaina.
19. nathie86 ( 28/08/2008 08:58)
tsy fidiny ka, mba t fa tsy afaka manohatra eh
20. nathie86 ( 28/08/2008 13:53)
Itan'ny fijo mba t hikotrana zareo nefa ny hery ao anaty tsy maharaka, ny regime ny stress @ asa sy ny vady amanjanaka tsy maintsy mihinana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2614