mahay mahandro loha-kisoa ve nareo ???

1. fahamarinana ( 17/08/2008 12:41)
:arrow: Tsy fantatro raha efa nisy dinika toy io fa raha nisy dia ialako tsiny dieny zao dia mba asio ilay rohy e.misaotra :)
mitady recatte fanaovana look's aho ry namana isany:
---ny efa reko sy hitako maso dia ampangotrahana ny lohany (sofiny koa tahaka an'io )dia rehefa malemy dia tetehana manify izay vao atao sauce miaraka amin'ny tongolo lay sy oignon ary menaka..
----ny efa nohaniko fa tsy hitako maso ny nanaovany azy dia hoe atao anaty lafaoro,hono ,da izay no manamasaka azy.Tena tsara tokoa aloha sady matsiro be.Olona ao paris ao no mivarotra azy.
Mba te hanontany anareo aho hoe misy manana re7 momba an'io hafa ihany koa ve? ahoana no fananareo azy ...dia misaotra mialoha e
:-* (l)
novalian'i rose4u ny 19/10/2008 10:30
2. simplex ( 17/08/2008 19:04)

* alaina ny lohan-kisoa dia sasaina tsara
* borsina ny nifiny, esorina ny tain-delony :roll:
* atsofoka ao anaty vilany
* asiana sira sy episy
* andrahoina

fa le @ film t@ moyen age (genre robin des bois sy roi arthur ireny) toa otran'ny avy ao anaty lafaoro ny paoziny.
* atsofoka ao anaty lafaoro

^:^
3. ni81 ( 17/08/2008 19:28)
* alaina ny lohan-kisoa dia sasaina tsara
* borsina ny nifiny, esorina ny tain-delony
* atsofoka ao anaty vilany
* asiana sira sy episy
* andrahoina
:-D :-D
4. kelly13 ( 18/08/2008 06:42)
:-D :-D :-D mampimé vao maraina kou i simplex
5. veromahefa ( 18/08/2008 07:59)
Ity ary misy hitako tany am web hafa e!
loha-kisoa na sofiny koa mety

asiana rano mandifotra azy ny lohany na sofiny na ampiarahina koa mety daholo dia asiana tongolo gasy iray manontolo iny tsy voasana fa alefa miaraka amin'ny hodiny (somary esorina fotsiny ilay fonony fotsifotsy) dia asiana sira; akatona ny cocotte minute dia ahandroina tokony ho atsasa-kadiny.
Raha vilany tsotra na raha somary malefaka ny afo dia somary elaela kokoa. Ajanona rehefa masaka, tokony ho difitry ny rony ilay laoka fa izay no tena maha LOUKS azy. Esorina ilay tongolo gasy.
Tetehina kilavalava manifinify dia aroso mitokana ny rony.

Azo aroso miaraka amin'ny ron-kabaro koa na ron-tsaramaso izay andrahoina be rano be fotsiny ihany koa dia asiana sira.

somary hoatran'ny matsatso ny fahitàna azy ary somary toa ratsy endrika mihitsy aza ao anaty vilany fa andramo
raha nisy fanovàna nataonareo dia mba ilazao eto e.
6. fahamarinana ( 18/08/2008 18:49)
simplex:
borsina ny nifiny, esorina ny tain-delony

:arrow:maty aho look's-ko...,tena vao miantomboka dia kivy be..:-D
vero :hay na ilay ranony aza dia azo hoanina koa? Noheveriko hoe ariana satria ohatran'ny hoe any daholo ilay tsirona-taindelo sy tainify lazain'ny simplex io...Mbola hanandrana ilay miaraka amin'ny kabaro sy tsaramaso indray aho fa dia misaotra antsika rehetra e.:-* (l)
7. vale ( 23/08/2008 21:51)
simplex> :-D :-D :-D :-D :-D :-D ..tsy mampi-te hihinana looks intsony koa izy izany kah! tsssss :-D
8. rose4u ( 19/10/2008 10:30)
HELLO
I AM Rose IN SEARCH OF A MAN WHO UNDERSTANDS THE MEANING OF LOVE AS TRUST AND FAITH IN EACH OTHER RATHER THAN ONE WHO SEES LOVE AS ONLY A WAY OF FUN BUT A MATURE MAN WITH NICE VISSION OF WHAT THE WORLD IS ALL ABOUT AND AFTER READING YOUR PROFILE I TOOK INTEREST IN YOU SO REPLY TO ME WITH THE (roselove42000@yahoo.co.in)forum.serasera.org
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.239