scam, spam, silentbanker....

1. Herimiafina ( 15/08/2008 01:43)
Ny fiandohany dia mahazo mailaka ianao manambara fa nahazo vola, na tombola, sns, hatramin'ny hoe misy vola 1millions de dolars aty fa maty ny tompony tamin'ny ady tany Nigeria, sns.

Raha mamaly ilay mailaka ianao eny fa na hanompa ilay mpandefa aza dia tafiditra ao amin'ny solosaina ampiasainao soa amantsara ny programa efa namboarin'ilay mpanoratra azy. Misy anarany maromaro izy ireny anisan'izany ny Silentbanker....

Silentbanker satria robot mahita izay soratanao rehetra amin'ny clavier ary mi-enregistrer izay rehetra ataonao eo amin'ny ecran hatramin'ny site rehetra izay sokafanao....

Tsy hitan'ny anti-virus sady tsy hitan'ny anti-spy ary mety mandalo izay firewall ao aminao. Misy karazana programa tratra foana saingy ny mis-à-jour amin'ny anti-virus no somary tara foana ka efa voa foana vao misy fanafany.

Manoratra eto aho satria nisy kama tratran'izy io; ileiry mantsy tiatia an'io mijerijery compte amin'ny internet io no sady mandoa ny carte de credit amin'ny internet. Ny bankin'ileiry no nanavotra azy rehefa nahita fa misy transactions tsy mazava amin'ny carte de credit. Nisy olona nampiasa ny nomerao-ny CC-ny hividianana tele plasma 3000dolara, dia hitan'ny banky hoe tsy fanaon'ileiry io dia nosakanan'ny banky izany ary nasian'ny banky nanova numerao carte de credit vaovao io kama io.

Ny fanafodiny hoy ny spesialista dia aza mamaly mailaka tsy fantatra indrindra ireny scam sy spam ireny.
:^)
2. lazounet ( 15/08/2008 08:50)
Tena misaotra betsaka tamin'ny fanazavana fa mahafatra-po.
3. sadara ( 15/08/2008 09:17)
misaotra an'i herimiafina nizara=D>
4. simplex ( 15/08/2008 13:41)

na koa mampiasa linux :P;-)
5. simplex ( 15/08/2008 13:42)

zany hoe nampiasa copier-coller koa nga razoky fa normalement tokony encryptee ny donnees mandeha @ site securisees rehetra... indrindra fa ireny misy paiement en ligne ireny :)
6. Herimiafina ( 15/08/2008 14:45)
Tsy misy fisaorana.
Ilay izy leisy ra-Simp toa ohatry ny tany amin'ny mailaka hono no niandohany. Io virus io mantsy efa elaela ihany no nahalalako azy fa toa mbola ny resaka site ihany no tena nitazona ny saina, hoe tandremo ny telechargement na ireny site mampanao telechargement plugins, sns ireny, saingy ny amin'izy ireny ny ankamaroany tonga dia hitan'ny anti-virus raha misy programma hafahafa mitady hiditra.
Fa ity tamin'ny indray mitoraka ity efa tao amin'ny ordi an'ileiry mihintsy ilay zavatra izany, dia ny clavier no tena kendreny (données alpha-numérique) ka alainy daholo izay zavatra soratanao ary mazava ho azy raha manokatra ny site-n'ny banky dia tsy maintsy manoratra nomerao kaonty sns.
Dia ny fanontaniana teo dia ny hoe fa nahoana no tafiditra ilay zavatra? Dia ny valiny nomen'ny spesialista amin'ny fiarovana amin'ny cybercrime moa izany dia hoe spam.
Miendrika maromaro ny spam, na ireny mpanoratra mailaka lava be efa fantatra hoe scam ireny, ireny hoe misy vola izao aty ka mila ny fiaraha-miasa hi-transferer-na azy, sns (mahazo tsiny mihintsy ny nigeriana amin'io, ....). Fa ny nalaza tato ho ato dia ity spam milaza ho FEDEX na UPS ity ka miteny hoe nisy virement nataonay any amin'ny kaontinao na miandry anao ny colis-nao ao amin'ny biraon'ny UPS.
Dia angamba izany nanokatra soa amantsara ilay kama, na tsy haiko fa dia tratra. Silentbanker tokoa satria tena tsy mahafantatra n'inon'inona ianao raha tsy ny banky no milaza.
Ny endrika hafa hisehoany hoy ileiry dia ny fampiasain'ireo pirate site officiel ka ampiany bokotra na liens ireny site-na banky na Western Union na Money Gram ireny dia ianao tsy mahafatatra fa dia mi-surf eo dia manindrinindry izay liens mahaliana anao ao dia tafiditra ilay zavatra. Mety mbola misy karazany hafa koa hoy izy ny famelezandry zalahy mety ho an'isan'izany ohatra ireny work at home, sy job home ireny. :^)
7. Herimiafina ( 15/08/2008 15:17)
Hitako efa asiandry zalahy koa any amin'ny FACEBOOK any!
http://www.techcrunch.com/2008/08/07/elaborate-facebook-worm-virus-spreading/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3858