Mangataka tononkira "Mitafa irery" Bodo

1. veromahefa ( 14/08/2008 15:57)
Mba saika hangataka ny tononkiran'i Bodo "mitafa irery" azafady ho an'ilay zanako ato e! misaotra mialoha
novalian'i lembelo ny 16/08/2008 00:45
2. ni81 ( 14/08/2008 16:21)
MITAFA IRERY

Androany hariva sisa
No ilay ora niandrasany
Ny teny avy ao am-poko
Tia azy aho sa tsy tia
Fa dia tsy voatanisa
Ny bitsi-po tsy fantany
F'irony hambom-poko
No voalazako tery
Hita tamin'izay
Fa menatra aho angamba
Na azoazon-tahotra
Hilaza ny ao am-poko
Nafeniko azy indray
Ilay foko kely jamba
Toro vahobahotra
Mijaly, mitoloko
Nefa ny hany andrasany
Dia ny fahalalana
F'izaho dia tena tia
Fitia tsy misy fitaka
Mino aho fa raha fantany
Izay tao am-po voatana
Tsy misy tahaka ity
Ny foko mba hibitaka
Saingy lasana izy
Nivily lalan-kafa
Nandeha namboly indray
Fitiavana any an-kafa
D'izaho mangina irery
Izaho irery no mitafa
D'izaho mangina irery
Izaho irery no mitafa...
3. veromahefa ( 15/08/2008 10:27)
ni81> misaotra akia a! :-*
4. lembelo ( 16/08/2008 00:45)
Mbola i Aina hoa io. Mividiana "Farango sosona" fa ao daholo ireo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3713