Sary aloalo,sy ny dikany

1. nikah ( 14/08/2008 15:44)
Nifanena t@ olona izay aho ary manao ankanjo misy sary aloalo izy.Tonga dia hoy aho,made in Madagascar ty akanjonao ty.Dia hoy izy hoe oui, novodiko tao paris ty hoy izy ,fa ahoana no nahalalanao azy,dia hoy aho hoe ilay aloalo .nanotaniany @ zay ary aho hoe inona no dikan'ilay sary dia fanina tsy hitako zay holazaina.Fa inona tokoa kay no dikan'ireny aloalo ireny e!Misy manko ilay izy sarin'olona,misy sarin'omby,misy toa sary trano.Mba misy afaka manome fanazavana ve???
Misaotra mialoha
novalian'i nikah ny 25/08/2008 11:20
2. Herimiafina ( 14/08/2008 15:50)
Ny fahalalako azy dia tantaran'ilay olona milevina ao amin'ilay fasana misy azy. Fomba any amin'iny faritra Androy iny ilay izy. Ny kisarisary dia mampiseho ny fiainan'ilay olona fony fahavelony, manana omby sy mpiompy omby izy, tia vehivavy , manana trano sy harena, sns.
Mety misy sarina fiara-manindina ihany koa raha tia voyage ilay olona. Fa notsotsorina ilay izy amin'ny sary natao amin'ny akanjo. :^)
3. xxx ( 19/08/2008 14:50)
lol mandehana any tulear de fantatrao
4. sipagasy ( 21/08/2008 20:23)
manamafy ny tenin'i herimiafina ireo aho!
fiainan'ilay olona fony faha velony no atao kisarisary @ fasany ka manome ny 'aloalo'
5. nikah ( 25/08/2008 11:20)
Misaotra eee! :* :* :*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3883