mitady hira nefa tsy fantatra ny titre-ny
1. xxx
(
12/08/2008 15:55)
Misy hira mitambatra be izay , tsy na ry Johary no mihira na iza na tana in love mihitsy aza , tsy haiko , asa na tambatra mihitsy aza ny titre-ny .
raha mba fantatrareo dia omeo ahy ny tonony sy izay ahitako azy . Misaotra mialou e!
novalian'i noomfy ny 20/12/2018 13:34
3. xxx
(
12/08/2008 20:34)
misy Vola sy Noro de misy henri ratsimbazafy de .......... tsy tadidiko intsony fa t@ 2000 aho no nihira azy farany .
4. Lejoba
(
13/08/2008 20:04)
Izany ve tsy ireo tambatra1 sy 2 nataon'ny Redona? Ny 1 iram-pitiavana misy an'ny "eny teny kely monja ... (fony aho - H Ratsimbazafy) , ny 2 kosa kalon'ny fahiny misy "tsy noterena ianao, tsy novozonana koa ..." Mifamaly ny lhl sy ny vhv mihira?
5. xxx
(
13/08/2008 20:59)
misaotra an'i Cutie dy Lejoba, yoa io Tambatra 1 io ilay izy fa raha anananareo moa izy roa dia tiko daholo , misaotra e!
7. cutie
(
16/08/2008 13:58)
Tiako ny eo an-tsandrinao
Hialoka hafaliana safosafo
Tiako ny eo an-tratranao
Ry aiko no hiampify ravoravo
Wo no hita fa ho mora ny fitia
Koboniko ao
Ka ny hirahiram-poko
Tiako hirahiranao
Voatokana ho anao
Ny fiainako eto
Ny fifaliako, ny eritreritro
De aminao
Volana mazava, fanilo lalandava
Ny endrikao misariaka
Eo anilako eto
Ny andro, ny fahazazana
Teo anilan’ikaky sy neny
Fotoana ny fihantahantana
Teo anilan’ikaky sy neny
Izao no voady
Izay ataoko
Tsy maintsy hotanako
Ho anao zay nametrahako
Ny foko mba ho namako
Ho tia anao
N’aiza n’aiza
Tsy misy fetra, we hatraiza
Miombon-tsento
Sy fifaliana
Manomboka eto
N’aiza misy ahy
Hotsaroako
Foana enao
Ny elan’elan-tany
Tsy hampiova
Ny fitiavako
@ alina mangina
Ianao no ao an-trarako
Harenako ianao
Tsy hatakaloko
Satria le lamba
Notafiako
N’inona mitady misakana
Mitady handrava ka
Hamaha ilay tady
Ampiasao ny fampatokisan’ny mpivady
Tandremonao misotasota
Tezera nefa fa aza manota
Raha sendra resy….
Tsarovy fa io fitiavana io
Ho mandra-maty ny voady
Nareo mivady
Firifiry, voatahiry
Hitako isan’amdro izao
Zava-maro mifangaro
Samy mampatsiahy anao
Ho haiko ve , ho haiko, tsy holazaiko
Ny hanao veloma anao
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba atao
Tsy nampoiziko mihitsy
Ny hifampitantana aminao
Eny hay va re ka misy
Misy fetra aminao
De ny teny kely monja
Feno hatsaram-panahy
Misy hevitra mafonja
Ka hitondra hery ho ahy
Volana o, mibaliaka
Mahasondriana lalandava
Ka velomy ao am-pony
Zany taratrao mazava
Ka hisava ny tomany
Sy ny taratrao……..
O ry volana
Mitondra hafaliana
Hialoka hafaliana safosafo
Tiako ny eo an-tratranao
Ry aiko no hiampify ravoravo
Wo no hita fa ho mora ny fitia
Koboniko ao
Ka ny hirahiram-poko
Tiako hirahiranao
Voatokana ho anao
Ny fiainako eto
Ny fifaliako, ny eritreritro
De aminao
Volana mazava, fanilo lalandava
Ny endrikao misariaka
Eo anilako eto
Ny andro, ny fahazazana
Teo anilan’ikaky sy neny
Fotoana ny fihantahantana
Teo anilan’ikaky sy neny
Izao no voady
Izay ataoko
Tsy maintsy hotanako
Ho anao zay nametrahako
Ny foko mba ho namako
Ho tia anao
N’aiza n’aiza
Tsy misy fetra, we hatraiza
Miombon-tsento
Sy fifaliana
Manomboka eto
N’aiza misy ahy
Hotsaroako
Foana enao
Ny elan’elan-tany
Tsy hampiova
Ny fitiavako
@ alina mangina
Ianao no ao an-trarako
Harenako ianao
Tsy hatakaloko
Satria le lamba
Notafiako
N’inona mitady misakana
Mitady handrava ka
Hamaha ilay tady
Ampiasao ny fampatokisan’ny mpivady
Tandremonao misotasota
Tezera nefa fa aza manota
Raha sendra resy….
Tsarovy fa io fitiavana io
Ho mandra-maty ny voady
Nareo mivady
Firifiry, voatahiry
Hitako isan’amdro izao
Zava-maro mifangaro
Samy mampatsiahy anao
Ho haiko ve , ho haiko, tsy holazaiko
Ny hanao veloma anao
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba atao
Tsy nampoiziko mihitsy
Ny hifampitantana aminao
Eny hay va re ka misy
Misy fetra aminao
De ny teny kely monja
Feno hatsaram-panahy
Misy hevitra mafonja
Ka hitondra hery ho ahy
Volana o, mibaliaka
Mahasondriana lalandava
Ka velomy ao am-pony
Zany taratrao mazava
Ka hisava ny tomany
Sy ny taratrao……..
O ry volana
Mitondra hafaliana
8. xxx
(
18/08/2008 17:56)
Misaotra betsaka ry Cutie fa io ilay izy , Ny Tompo hitahy
Fa tsy haiko raha azo angatahana ato @ RVG io hira io . Misaotre
Fa tsy haiko raha azo angatahana ato @ RVG io hira io . Misaotre
9. cutie
(
20/08/2008 13:51)
tsy haiko na misy ao @ rvg io. Ananako izy io fa ny pble adinoko ny namadika azy ho AAC de tafajanona ao @ itunes-ko ihany le izy de impossible to send it to you :( sorry
10. xxx
(
24/08/2008 06:07)
na tsy azoko aza ilay hira fa dia ny valiteninao fotsiny ry Cutie dia efa mahafinaritra , izany angamba ny toetranao en général , sambatra izay miara monina aminao , fa di Ny tompo hitahy e!
11. istraky
(
26/09/2013 13:43)
salama daholo,
Na dia efa tamin'ny 2008 aza ity resaka ity dia tiako ho tohizana kely, efa misy ao amin'ny youtube io hira io izao.
Ireo hira rehetra ao anatin'io tambatra io dia fantampatatro daholo : vola & noro, railovy, H.Ratsimbazafy, Lalao Rabeson, Ludger A. fa kosa ilay hira farany dia tsy fantatro ny titre sy ny tena tompony : sao dia mba fantatrareo ???
ilay hoe: Volana ô mibaliaka, mahasondriana lalandava ??
Na dia efa tamin'ny 2008 aza ity resaka ity dia tiako ho tohizana kely, efa misy ao amin'ny youtube io hira io izao.
Ireo hira rehetra ao anatin'io tambatra io dia fantampatatro daholo : vola & noro, railovy, H.Ratsimbazafy, Lalao Rabeson, Ludger A. fa kosa ilay hira farany dia tsy fantatro ny titre sy ny tena tompony : sao dia mba fantatrareo ???
ilay hoe: Volana ô mibaliaka, mahasondriana lalandava ??
12. steviray
(
15/03/2017 06:49)
[quote=istraky]
salama daholo,
Na dia efa tamin'ny 2008 aza ity resaka ity dia tiako ho tohizana kely, efa misy ao amin'ny youtube io hira io izao.
Ireo hira rehetra ao anatin'io tambatra io dia fantampatatro daholo : vola & noro, railovy, H.Ratsimbazafy, Lalao Rabeson, Ludger A. fa kosa ilay hira farany dia tsy fantatro ny titre sy ny tena tompony : sao dia mba fantatrareo ???
ilay hoe: Volana ô mibaliaka, mahasondriana lalandava ??
[/quot
Io hira io tokoa re ten mb ilaiko ze maay azy ann " volana o mibaliakamibaliaka mahasondriana lalandava ka velomy ao ampoko...."
Tiko ho fatantra oe iza no mihira an'io de iza no tompony. Misaotra
13. noomfy
(
20/12/2018 13:34)
mba misy hira tadiavina zay tsy fantatra ny lohateny sy ny mpihira azy fa misy an zao lay tononkira refrain: ny aty tsy misy zavatra holazaina ny alahelo anao no be sombiniaina, misaotra mialoha izay mamaly tompoko
