Mahatsikaiky

1. yonikafopl ( 11/08/2008 11:33)
Adala ao Anjanamasina

Namosavy dia lasa adala
lundi 11 août 2008, par Penjy R.


"Efa aty amin’ny toeran’ny fitsaboana saina aho vao tonga saina. Tsaroako anefa fa ny fivoahako alina no nahatonga izany. Io no nahatonga ahy ho ety amin’ity toerana fitsaboana ny marary saina ity". Fanambarana nataon’ity ramatoa kely iray ny asabotsy teo teny Anjanamasina io.

"Mivoaka alina aho, ary maka ireny voninkazo eny amin’ny fasan’olona ireny. Mandihy ihany koa ary nilalao fanafody gasy. Tsy tsaroako intsony izay nahazo ahy, fa nampidirin’ny havako ety aho mitsabo tena. Manambady, ary miasa io vadiko io. Rehefa hiverina eny anivon’ny fiaraha-monina aho dia tsy haiko intsony izay handraisan’izy ireo ahy". Ny nahatsikaiky, dia notoloran’ny fikambanana Lions Club bodofotsy iray avy ireto marary ireto, ary saika tsy nandray izany ity vehivavy ity. "miasa ny vadiko, ary mahavidy aho. Raha fanampiana tany amin’ny filoha Ravalomanana io dia tiako", hoy izy.

Fa ankoatry izay, dia voalaza fa mandoa vola hatrany amin’ny 1000 ariary ka hatramin’ny 1600 ariary isan’andro ireto olona tsaboina ireto. Io no atao sakafo isan’andro. Iray volana no faharetan’ny fitsaboana, ary mitambatra anaty faritra iray ny lahy sy ny vavy. Izay ataony ao indray toa tsy olana satria mila izany ny vatan’olombelona. Ny marary vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina no tena betsaka tsaboina ao ary tsy vitsy ihany koa ny lasa adala nohon’ny tsy fahazakana ny onjam-piainana. 69 ireo marary tsaboina ao, hoy ny tompon’andraikitra iray eny an-toerana dia ingahy Fedol izany. Mora ihany koa ny fanafody eny raha hampitahaina ny eny amin’ny fivarotam-panafody. Ampy hitsaboana ny marary saina tsara ny iray volana, hoy ireo mpitsabo eny, satria maro no efa sitrana tao anatin’izay ka nalefa nody.


Io voatsipika io no nahatsikaiky ahy
2. ni81 ( 11/08/2008 11:53)
Azo ho lazaina fa mampalahelo mihitsy aza io fa tsy mahatsikaiky, satria misy ny vehivavy sasany tsy manaiky ilay lehilahy sasany akory fa tonga dia mitolona be tsotra izao fotsiny ry zareo ao; ny ara-pahasalamana koa tsy fantatra intsony avy t@ fiainan'izy ireo taty ivelan'ny hopitaly? ary maro no miteraka rehefa mivoaka avy eny.
3. ainaheri ( 11/08/2008 12:10)
Hay ve otr'zany ny ao ee,tsy rariny kosa zany nama aa
4. yonikafopl ( 11/08/2008 13:05)
mety ho possible kou we ny mpitsabo lahy tonga de manisy vehivavy marary ao ngamba.
Tena tranomboalavo ao anjanamasina,samy manisy izay tratrany :-D :-D :-D
5. ni81 ( 11/08/2008 13:16)
mety ho possible kou we ny mpitsabo lahy tonga de manisy vehivavy marary ao ngamba.
Tena tranomboalavo ao anjanamasina,samy manisy izay tratrany
Tsy nisy ny porofo aloha hatramin'izao. Nanana havana tsy salama tao mantsy izahay dia nandalo teny matetika taloha. Nisy koa ireo olona sasany misy atao (be vola) ka rehefa tratra t@ aferafera dia mody manao marary saina dia omen'ny Dokotera-ny ttasy, dia mandoa vola amboniny koa fa nanana efitrano mitokana izy ireny fa tsy mba mifangaro.
6. yonikafopl ( 11/08/2008 13:32)
tena misy atao marina le oll ,de ny hafa no mitsetsitra ny azony tam afera zany fa izy mitokamonina eny anjanamasina ve?? 8O
7. ni81 ( 11/08/2008 13:42)
tena misy atao marina le oll ,de ny hafa no mitsetsitra ny azony tam afera zany fa izy mitokamonina eny anjanamasina ve??
ka zay ilay hoe hatraiza ny fetran-dravola e! :)
8. Herimiafina ( 11/08/2008 13:51)
Any amintsika dia "adala" daholo no mbola hiantsona izay olona manana aretina amin'ny nerf, emotive, depressive, sy ny aretina mental, eny fa na ny épileptika aza. Tokony efa ho hay ny manavaka an'io.
Faharoa, na ny trano fitsaboana ny manana aretina na ny trano fanangonana ny be antitra, na ny trano fitazomana ny zaza maditra, eny fa na ny fonja aza dia tena mbola tsy lavorary daholo ary miankina tanteraka amin'ny fanomezana avy amin'ny fiangonana isan-karazany sy ny fikambanana.
Na misy aza ny lalàna, ny manuel de procédures rehetra manaraka ny fanajana ny zo maha-olombelona, dia mbola misy foana ny kivilavila isan-karazany, ny abus.
Farany, tsy ao Madagasikara irery fa na any amin'ny tany tandrefana aza dia efa système de défense foana ny hoe aretin-tsaina mba tsy hidirana amponja, ho an'ireo izay tratra nanao heloka goavana. :^)
9. endrika01 ( 20/08/2008 19:53)
yonikafopl:

Adala ao Anjanamasina

Namosavy dia lasa adala
lundi 11 août 2008, par Penjy R.


"Efa aty amin'ny toeran'ny fitsaboana saina aho vao tonga saina. Tsaroako anefa fa ny fivoahako alina no nahatonga izany. Io no nahatonga ahy ho ety amin'ity toerana fitsaboana ny marary saina ity". Fanambarana nataon'ity ramatoa kely iray ny asabotsy teo teny Anjanamasina io.

"Mivoaka alina aho, ary maka ireny voninkazo eny amin'ny fasan'olona ireny. Mandihy ihany koa ary nilalao fanafody gasy. Tsy tsaroako intsony izay nahazo ahy, fa nampidirin'ny havako ety aho mitsabo tena. Manambady, ary miasa io vadiko io. Rehefa hiverina eny anivon'ny fiaraha-monina aho dia tsy haiko intsony izay handraisan'izy ireo ahy". Ny nahatsikaiky, dia notoloran'ny fikambanana Lions Club bodofotsy iray avy ireto marary ireto, ary saika tsy nandray izany ity vehivavy ity. "miasa ny vadiko, ary mahavidy aho. Raha fanampiana tany amin'ny filoha Ravalomanana io dia tiako", hoy izy.

Fa ankoatry izay, dia voalaza fa mandoa vola hatrany amin'ny 1000 ariary ka hatramin'ny 1600 ariary isan'andro ireto olona tsaboina ireto. Io no atao sakafo isan'andro. Iray volana no faharetan'ny fitsaboana, ary mitambatra anaty faritra iray ny lahy sy ny vavy. Izay ataony ao indray toa tsy olana satria mila izany ny vatan'olombelona. Ny marary vokatry ny fidorohana zava-mahadomelina no tena betsaka tsaboina ao ary tsy vitsy ihany koa ny lasa adala nohon'ny tsy fahazakana ny onjam-piainana. 69 ireo marary tsaboina ao, hoy ny tompon'andraikitra iray eny an-toerana dia ingahy Fedol izany. Mora ihany koa ny fanafody eny raha hampitahaina ny eny amin'ny fivarotam-panafody. Ampy hitsaboana ny marary saina tsara ny iray volana, hoy ireo mpitsabo eny, satria maro no efa sitrana tao anatin'izay ka nalefa nody.


Io voatsipika io no nahatsikaiky ahy




mahay mamono fa tsy mahay mamelona reny odi gasy ireny!Tonga saina refa lasa tany @18!Toa sady nahatsikaiky marina no nampalahelo! :P
10. mpisotrtoaka ( 19/01/2015 06:40)
ÔH ! Indrisy ry tany be kolikoly ! Be vetaveta mahafinaritra ! Soa aho fa ts adala ! Lapa be izany azon'ny fanjakana handraisana andraikitra fa matoa ts mihetsika izy d tsis vola miditra ho azy !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1033