Tsiky ho an'ny rehetra ...

1. SHOAN ( 11/08/2008 09:01)
Salama va ?
Ito misy clip nataoko fa nisy hira tiko bé dia nataoko niaraka aminy
hiran'i Rija Rasolondraibé izy io
Ny sary dia mba fomba filazàko hoe tena marina no lazain'ni Hery hoe TSIKY DIA AMPY
Marina fa tsy mahasitrana aretina ny tsiky fa tena manampy é !
io zany lé clip
http://www.dailymotion.com/video/x6e18g_vivre-et-sourire-pour-survivre_people
shoan
novalian'i dadabe ny 20/08/2008 20:06
2. ni81 ( 11/08/2008 09:52)
Tsara ilay clip e! Mahereza ary aza kivy!
3. naughtyboy ( 11/08/2008 09:53)
nafinaritra,mirary tsiky lalandava ho anao ko ry Shoan satria hery manampy ny ts1/1 maimampoana ka tsy tazomina rery fa zaraina @ hafa foana
4. diamondra27 ( 11/08/2008 11:06)
Tena tsara be ilay clip ary tena mahalaza ny tiandry lazaina >

Ilaina akia ny mitsiky eo amin'ny fiainana a. Izany ange no nolazain'Atra antsika we mifalia mandrakariva e. satria fantany fa ao anatin'ny fifaliana fitsikiana dia misy ny fiainana>Ny olona tsy mitsiky dia iaraha-mahalala fa mitanondrika malahelo ary tsy hahavita inona am fiainany. Na dia tokony ho sitrana aza dia efa battu d'avance.
koa dia mba manasa anareo hihaino ity e

http://www.topchretien.com/toptv/view/1312/joyce-meyer-la-joie.html http://www.topchretien.com/toptv/view/1477/joyce-meyer_joyce-meyer-la-joie.html

dia mirary fahasalamana hatrany akia a ary aza kivy e.

:* :* :* :* :-* :-* :-*
][size=26px][b]un coeur joyeux rend le visage serein proverbes 15:13
dans le chagrin l'esprit est abattu[/size]
5. Zozoro ( 11/08/2008 15:12)
SHOAN:

Salama va ?
Ito misy clip nataoko fa nisy hira tiko bé dia nataoko niaraka aminy
hiran'i Rija Rasolondraibé izy io
Ny sary dia mba fomba filazàko hoe tena marina no lazain'ni Hery hoe TSIKY DIA AMPY
Marina fa tsy mahasitrana aretina ny tsiky fa tena manampy é !
io zany lé clip
http://www.dailymotion.com/video/x6e18g_vivre-et-sourire-pour-survivre_people
shoan


Tena tsara tokoa ilay clip, ary mahalaza zavatra betsaka tokoa. Aza kivy indrindra re. Fantatro ianao fa mpanoratra tonokalo, izaho koa toa izany(amatrice aho fa mbola tsy toa anao) ary mpandefa ao amin'ny tonokalo serasera koa. Koa indro sombiny kely atolotro ho an'i SHOAN

Tsiky avy ao ampo fa tsy nindramina akory
No ho entiko voandalana ho anao oriory
Tsiky feno toky manafana ny hatsiaka
No atolotro anao rehefa tafahaona isika .

V.O (Zozoro)

6. kalazagasy ( 11/08/2008 15:25)
Manolotra tsiky sy mirary tsiky lalandava ho anao. Mahereza e.
7. zakomaimanovapsedo ( 11/08/2008 19:04)
Zozoro estarrivéeéé éééé!
sans se pressseeer éééé! :-*
8. SHOAN ( 11/08/2008 20:24)
misaotra any i zozoro
tena zozoro est arrivé hotrany zorro mahintsy
sans se presser , ça c'est un autre débat ry zakomaimanovapsedo
soa iany fa fantatro iza ilay olona manana an'io psedo io ka na ovaina aza fantako foana
hihihihihihihhihi
hahahahahhaaha
:* :* :* :* :* :-* :-* :-* bizourk iany na dia izany aza !
9. SHOAN ( 11/08/2008 20:29)
Misaotra ny namana rehetra namela hafatra sy nandray ny tsiky natsipiko niaraka tamin'ilay clip io !
:* :-* :-* :-* ^:^ ^:^ ^:^
dia ho an'izay tsy té-hitsiky dia >>>> :p :p :p :p :p
10. tywa68 ( 12/08/2008 08:54)
Merci Shoan manome fifaliana an'izay be taraina sy kivy². Ny Tompo anie homba anao hatrany.
:-* :-*
11. SHOAN ( 12/08/2008 09:26)
misaotra tywa ! :*
12. jobamilay ( 12/08/2008 13:53)
Mirary soa e! inona tokoa no tsy vitan'ny Tsiky e!
Tsiky de ampy!
kiss mamy
13. ANARIM ( 13/08/2008 12:56)
Tsiky ve dia ampy ?

Tsiky ve dia ampy
Raha manetoka ny fery
ka ty masoko mijery
manganohanon-dranomaso ?

Tsiky ve dia ampy
Raha tsy to ny famololony
f’ilay fitiavana natolony
nosomparan’ny ankaso ?

Eny ary, hitsiky aho !
Hanantena famonjena
Avy amin’ny tsikinao
14. SHOAN ( 15/08/2008 23:41)
MIARAHABA AMINY FO FENO FISAORANA
VELOMA
SHOAN
ANARIM:

Tsiky ve dia ampy ?

Tsiky ve dia ampy
Raha manetoka ny fery
ka ty masoko mijery
manganohanon-dranomaso ?

Tsiky ve dia ampy
Raha tsy to ny famololony
f’ilay fitiavana natolony
nosomparan’ny ankaso ?

Eny ary, hitsiky aho !
Hanantena famonjena
Avy amin’ny tsikinao




15. dadabe ( 20/08/2008 20:06)
:°) :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0796