Torimaso

21. booboo ( 05/08/2008 10:42)
Mamaky baiboly, atombohy hatramin'ny Genesisy fa mety tsy ho tonga any @ Exodosy ianao dia miesona b.


:°) eka ouz
22. Bola ( 05/08/2008 11:15)
Misaotra daholo e...
merci t@ ilay lemongrass fa nony hitako io dia tena voadika tsara lasa mazava be! voasarimakirana bozaka :)
Tsy mpi forum za Haritianah ary tokony hahena koa ny fotoana laniko eto fa loza anie fa tsy nanao hoe handany fotoana be eto aho nefa variana aminareo...eny e amintsika...mazava ilay trosa ka...:)
Iza moa ilay niteny hoe Baiboly teo...Raha chapitre iray ao @ Baiboly anie ka mamaky tsara eo @ 3mn ny mamaky azy en moyenne ka rehefa hoy izy hoe vakio fa tsy ho tonga any @ Exodosy...Calculer-o hoe adiny firy moa zany...Nampitsiky ahy fotsiny iny fa .tsy hoe inona akory e. misoatra an!
Aina: ary sao dia za mamaky boky mbola mampiasa saina koa no tsy mety...tsy hoe inona fa hitanao boky indraindray be terme sarotra na ohatra koa boky tena mila concentration fa tsy mamaky fahafinaretana fotsiny
Fa: za anie tsy manana firy fa raha tsy izany ve tsy nalefa baky na paypal fa inona no ikirizako hoe atao postal...zavatra kely dia kely fa izaho efa niteny hoe hanao dia izay...manjary tsy mety ilay efa niteny dia tsy manao.Nareo zao manana no za fa ny euro nareo matanjaka...Tokony nareo no manome ahy!!! :) :) :) Zay fa aleo handeha! Mazotoa daholo!
23. haritianah ( 05/08/2008 20:56)
bola sur ao fa efa ts eto tson bola @ zao ora zao fa ndé matory an!
asesy mits mants enao bola matory @ zay zatra ny maso matory.
Ao fa tantaraiko ano dolo zé zavatra nitranga teto anio alina se ampitso.
24. Bola ( 05/08/2008 22:36)
ainaheri:
Mety fanontaniana adaladala fa mety hanampy anao.....Raha mbola mpitovo dia mitadiava namana,hanampy anao hanala ny fahazaran-dratsinao ny fisian'ilay olona.

Aiza ny fanontaniana fa soso-kevitra kosa io rangaha fa tsy fanontaniana a! :D
Mety hoe soso-kevitra adaladala ve no tianao soratana...Soso kevitra manko no manampy fa fanontaniana zany ve tsy hoe miandry valiny...
Kanjoko izany fa azoko ny tianao lazaina e! :D Kanefa reny hono tsy tadiavina fa tonga ho azy ... Sady ahoana raha olona tia miari tory no sendra ahy...zay angamba vao tena loza... :{ ka aleo aloha ny manao io lazainao io hoe hafoy ny fahazaran dratsy taloha dia mamboly fahazarana tsara vaovao.

haritianah:
....

Voafafa tsy nahy ilay tokony ho quote Haritianah nefa ilay tsy hitako eto @ pejy famaliana ka valiako @ izao fa ilay nolazainao farany io no tiako soratana ny valiny...aza fady e... Iza moa lay nanao hoe mihinam bary aza misy ktsaka...:?
Ka zao e...Ny 22h any aminareo anie vao 16h amiko e...Dia zao aloha mbola vao 18h34...Fa ataoko toy ny omaly: manery tena mijanona ao am pandriana na tsy mahita tory aza rehefa hatory refa veo...natory ihany farany fa zany hoe tena ela be ilay izy...sarotra ilay tsy mieritreritra sy mivadika tsy misy farany fa zao no vokany rehefa tsy nihaino t@ mbola kely hoe handeha amin zay matory...Mbola tsy nahazo citronnelle koa fa ilay hotra no tohizana aloha...
Dia miandry ny rapport zany za fa hanao hendry matory aloha dia tsy miditra ato :)
25. cutie ( 05/08/2008 23:30)
Bola [ Valio ] 04-08-2008 15:16:57
Lohateny : Torimaso
Salama o!
iza no mahay nareo zavatra naturel azo hohanina mba hahitana tory haingana. Tsy pile na fanafody fa karazana ohatra hoe dite na asa sakafo hafa ...
Isan alina aho mila adiny 1 sy sasany vao tafatory..io no ora hitako farany fa izay tena mahasondriana ahy moa zany tsy hay...zany hoe mety lava no io vao matory tokoa!
Ary rehefa tsy matory aho ka te hitsangana dia toy io anrdoany io tsy matory alina maninjitra nefa dia ratsy ho an ny fahasalamana ilay izy...Za koa nefa tsy te hihinana fanafody fa sao vao maika grave raha dependant an iny eo...hay dia ity koa: raha vao matory kosa aho dia mamy tsy misy toy izany fa ilay hasondriana mihitsy no sarotra...Sa dokotera mihitsy no mila resahina re e...

kavakava tea hono e :)
26. Bola ( 06/08/2008 01:12)
inona zany ry cutie...teny anglisy ve io kavakava io...
27. Bola ( 06/08/2008 03:18)
Ho an i haritianah ity: zay za vao hatory...@ 5 maraina izao any aminareo Alarobia..aty mbola Talata mandritra ny adiny iray!
Fa zao e: tianao ve aloha ilay recette saucisson sa tsy hitanao ilay valiny..
Zay fa bonne...journee...dia jereko raha mahafoy anareo rehetra ataotsika hoe ...24h za....Dia jerena raha matory aloha za rahampitso sy raha resy tory haingana...
28. haritianah ( 06/08/2008 07:33)
bola ; zafady fa adini ny nisotra t@ lé resety sosison, mbola ts nanao ao ka, godrogodro no natao fa nisy vahiny té hihinana mafy dia iny indray no natao.
Lé izy ko ts mazo manao zvtr misesisesy sao mihinana misesy eo indray.
Tohizana tsra lé fatoriana alou ry bola à.Sao mafy sofina mbola mananonao zvtr eo indray refa ora tolony hatoriana.Mzatra oy aina hery, dé andramo ko lé sosokevitrany ainahery fa natoraly iny bola ka hihihihi
29. cutie ( 06/08/2008 13:55)
Bola [ Valio ] 06-08-2008 03:12:02
Lohateny : Re : Torimaso
inona zany ry cutie...teny anglisy ve io kavakava io...

http://en.wikipedia.org/wiki/Kava
30. haritianah ( 08/08/2008 04:59)
bola; resi tory @ zay @ alina sa mody mamitsaka fotsiny? To tsa enoeno e? Sao ary dé natao bé daozy ny fapatoriana ka lasa bé loatra indray ny torimaso.
31. nikah ( 08/08/2008 11:04)
Mihinana ravitoto hariva koa mampatory haingana fa ny olana dia mampatory antoandro,tsy heno hatr@ reveille.
32. Bola ( 09/08/2008 00:21)
@Hari: Eto ihany e... :)
@cutie: Ilay resaka kavakava hafa kely...nefa toa tsy sahy aho satria sao dia tsy tena fakany zany fa misy raviny dia ahoana...Ny mety angamba dia ny tena mihitsy no mamboly! Nefa ny sarotra ilay resaka dose...fa na izany aza miezaka mamola tena tsy miarina na tsy matory...
@nikah: ravitoto zany mavesatra amin ny vavoniko nefa...asa angaha nahoana...:(
33. cutie ( 10/08/2008 21:36)
bola
tedavo any aminareo fa misy mivarotra io :)
kava kava tea tadiavina :)
34. cutie ( 12/08/2008 17:42)
adinoko ny nilaza fa any @ health food store reny no misy azy :)
35. malala1 ( 13/08/2008 08:12)
mihinana katsaka tsaramaso ary voanjobory
ny veromanitra aty madagasikara dia tsy mitovy amin'ny tsiron'ny citronelle izany
36. ni81 ( 13/08/2008 08:14)
mihinana katsaka tsaramaso ary voanjobory
ny veromanitra aty madagasikara dia tsy mitovy amin'ny tsiron'ny citronelle izany
Tena veromanitra mitovy @ any madagasikara mihitsy ny citronelle amidy aty frantsa kah! :)
37. niryna ( 14/08/2008 04:31)
Misy antony maro no mahatonga ny olona tsy mahita tory.Indrindra ny olona rehefa manomboka eo amin'ny 60 taona miakatra sy ny tratran'ny menopause dia mihena ny torimasony .

Raha resaka fahasalamana kosa dia ilay tsetsina tsy avy miaina ny orina ,na misy aretina mankarary amin'iny andro iny na prostate problems ho an'ny lehilahy sy ny stress ary ny depression.
Na izany aza dia mety ho tratran'ny tsy fahampi-trimaso koa isika indraindray .Ny antony dia maro toy ny hoe reraka ny tongotra,tsy ampy magnesium sy iron, hormonal imbalance,miasa mafy loatra,misotro zavatra misy caffeine alohan'ny hatoriana ( raha andeha atory amin'ny 10 alina ohatra dia tsy tokony hisotro kafe na coca-cola na soda na chocolat aorian'ny amin'ny enina hariva .
Tsy tokony ihinan-kanina intsony koa adin'ny roa na telo alohan'ny hatory fa tsy levona ny sakafo dia tsy mahita tory no mety manofy ratsy koa aza indraindray.
Be eritreritra ,tsy mamela olona izay nampatezitra na nanome fahatezerana ka hoentina any am-pandriana iny fahatezerana iny,be olana amin'ny fiainana ka mitady vahaolana aingana ,sns ..
.Ireo koa no mety ho antony fa dia anjaran'ny tsirairay no miezaka manadino olana aloha alohan'ny hatory tsy mora kanefa afaka manandrana izany koa .

Misy koa vokatry ny fanafody nohanina ary dia lasa misy fiatraikany amin'ny torimaso ilay izy toy ireny fanafody anti-depressant ireny ohatra.

Fa araky ny filazan'ny manampahaizana dia 50% ny tsy fahampian-torimaso dia vokatry ny toetsaina ka tafiditra amin'izany ny depression,ny tebiteby ary ny fatahorana mifangaro fitaintainana ( anxiety sy stress ) .Azafady fa mety misy teny azo lazaina azy angamba ireo e .
Tandremo fa ny fihinana fanafody hoe mampatory dia mety hisy fiantraikany amin'ny fotoana tokony mety hiverenan'ilay torimaso amin'ny laoniny na mahazatra anao hatory tsara tsy misy fanafody an.

Ny ahy dia ireto no nampiasaiko rehefa tsy mahitatory aho.
Mila matory kely na miala sasatra kely ny tena ary dia tsy ataoko mihoatra ny 30 mn izany torimaso izany fa manjary tsy mahita tory intsony amin'ny alina.
Tonga dia vonona avokoa ny akanjo hoentina matory,akanjo mampafana,mivoaka aloha mba tsy hitsangatsangana,fadiana ny misotro rano alohan'ny hatoriana mba tsy ho very ilay torimaso.
Manao ba kiraro ary araky ny toebatana io raha saroti-katsiaka ilay olona dia tonga dia mivononana ny hanao akanjo mafana sy ba kiraro aloha fa tena tsy mahitatory mihitsy raha tsy mafana.
Mianara mamoaka sy mampiditra ffofon'aina faran'izay tratra ary manisa 1-10 tsy tonga any amin'izay isa akory dia efa renoka.
Toy ny tenenin'ireo namana hoe mamaky boky,ny ahy indray izay boky mahaliana no vakiko ka rehefa reraka ny masoko dia akomboko iny dia midaboka matory amin 'izay aho .
Ataovy mitovy foana ny fotoana fatoriana raha azo atao .
Rehefa tena tsy mahitatory dia milona ranomafana kely aloha alohan'ny hatoriana.
Misotro ranomatimaty miaraka ny tantely kely koa na ronona matimaty.
Ilay veromanitra dia nisy nilaza fa tsy dia tsara loatra ny fisotroana an'izy io matetika ...mampalemy hono any amin'ny andro farany raha zatra misotro an'iny foana ,tsy mba nividy an'iny intsony aho taty aoriana.

Raha mpivavaka hianao dia mitadidy mamerina ny tenin'Atra izay tadidinao ,tsy tonga any amin 'izay izy akory dia efa renoky ny torimaso.
Aza mivavaka kosa anefa raha ao anatin'ny torimaso fa lasa mandeha any amin'izay tsy falehany ilay vavaka ..oops.
Ireo no mba azoko zaraina ho anareo rehetra
(l) niryna
38. mignone ( 14/08/2008 19:24)
misotro ronono dia mamaky boky ry bola :-D
39. miranandro1 ( 16/08/2008 02:35)
Salut dol,

Vao niditra ts ela tato amty sehatra ty ny tenanay. De mbola namakivaky sns alou fa itako betsaka n zvt azo ifampizarana ato ka liana tokoa.
Ty resaka torimaso ty zao ny tena tiako asiana resaka kely. Zah d ol tena sarotra maita tory tokoa, na reraka b toy in aza, ary karazan'ol tena b eritreritra kou d izay alou n antony 1, n iray kou efa de nature insomniaque depuis fahazaza, fa mandreraka ian l iz n farany satria mihena dol n capacite-nao reetra, surtout vitale toy n memoire, n fo sy n saina mazava ho azy hany ka reraka atram aina iany kou.
Efa nandramako dol ireo voalaza tetsy ambony fa mety dol fa izy fotsiny misy ifandraisany am toe-batanl ol ian kou. Ny ah zao ra tantely ts d mandaitra amiko mits, chamomille zao n tena fampiasako, somary mahery l izy ra ol sarotiny am fofona satria manitra b, d veromanitra ihany kou saingy ts misy mou aty aminay. Fa ts d tsara atao matetika kou alou n resaka tambavy sns.
De n iray kou mila manamboatra saina saingy sarotra be tokoa ka io zao ny tena ilako fanampiana sy hevitra aminareo z manana soso-kevitra. Manao meditation alou tsara ra ts mety concentre enao d ts tafavoaka.
Eny ar fa mazotou dol e

40. lepa ( 08/04/2009 06:23)
za de manana olana efa 10ans mahery zay am resaka torimaso
za tsy de be eritreritra tsy de stress lava fa jikotrana be taloha de nijanona tampoka nefa tsy maheno douleur mihintsy hoe aiza ny maharary
de tena tsy matory mihintsy efa ho 2 mi s aza ondraindray
nefa midy moment matory tampoka eo ambony bureau any tsy azoko intsony ny momba ahi resaka spmnifere efa nohaniko daholo
antarax valium equnil sns fa tsy mety za fotsiny no malemilemy rehefa hiasa sady nerveu be
mba ampio raha misy ol manana cas ohatrahy efa nanaomassazy fona fa eeeee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1435